Filtrer les éléments par date : samedi, 25 mars 2017
samedi, 25 mars 2017 23:03

France: Changement d'heure d'été

Cette nuit Samedi à dimanche, à 2h du matin, il sera 3h. Décalage horaire entre Madagascar - Paris, 1h.

 

Publié dans Fil info
samedi, 25 mars 2017 20:03

TMH: Nanome rà teny amin'ny HJRA

Tonga nanome rà teny amin’ny Hopitaly HJRA Anosy ny teo anivon’ny TMH na ny Tanora Miandrandra ny Hoavy, izay hetsika efa fanaon’izy ireo efa ho taona maro izany.

Maro ireo zavatra efa nataon’izy ireo raha tsy hilaza fotsiny ny fizarana bodofotsy sy fanomezana sakafo ho an’ireo zaza kamboty. Marihina fa dia anisan’ny nandray anjara manokana izy ireo tamin’ny vohinkava mahatratra tamin’ny Kaominina Antsakabary .Mbola nanamafy ireto farany fa dia hifandrombonan’ny rehetra ny asa sosialy fa tsy vitan’ny olon-tokana.

 

Publié dans Tselatra

Tsy misy fiovany fa vao maika midangana isan’andro ny vidim-bary aty Mahajanga. Efa mahatratra hatrany amin' ny 700 Ariary izany ankehitriny raha somary nidina tany amin'ny 550 Ariary hatramin' ny 600 Ariary teo aloha.

Mahazendana ny rehetra ny toe-javatra misy satria mibaribary fa fanararaotan' ireo nanangom-bokatra manana tahiry sy mpamongady no miseho aty an-toerana.

Raha ny zava-misy, na dia teo aza ny tsy fahampian'ny rotsak'orana tsy tokony mbola hisy fiatraikany haingana amin'ny vidim-bary ankehitriny sahady. Anisan'ny tsy nandalovan'ny rivodoza Enawo loatra rahateo i Mahajanga.

Publié dans Vaovao

Hier, trois d’entre eux ont été condamnés à verser chacun une amende de 150.000 Ar pour trafic de pierres précieuses. Le quatrième a été condamné à payer 350.000 Ar.

Leurs deux complices Malagasy ont été relaxés par la Justice pour manque de preuves.

Publié dans Fil info

Mitaraina ny sendikan'ny mpiasan'ny fadin-tseranana fa misy ny fanitsahana andraikitra eny amin'ny aéroport sy port. Fantatra anefa fa rehefa mivoaka ny harem-pirenena dia mifanilaka andraikitra ny eny amin'ny fadin-tseranana.

Fisavana ara-ekonomika no hataon’ny mpiasan’ny ladoany fa tsy hitambarany na amin’iza na amin’iza.

Publié dans Sociale

Efa nanomboka nandray ny asa amin'ny maha lehiben'ny fonjan' i Marofoto azy Randrianantenaina Jean Claude izay voatendry hisolo toerana ny teo aloha. Nitantana nandritra ny 4 taona mahery i Randrianantoanina, lehiben'ny fonja teo aloha ary ao Marofoto ihany no hanohy ny asa amin'ny mpandraharahan'ny fonja azy saingy any amin'ny sampandraharaha misahana ny fanarenana sy fitaizana ireo voafonja.

Publié dans Sociale

Manomboka anio ny hetsika fampirantiana sary sy soratra ho an’ny Tolom-panafahana ho fanavotam-pirenena 29 martsa 1947. Izany moa dia iarahana amin’ny Fifanampiana Malagasy, ny ANTA ary ny ministeran’ny fiarovam-pirenena eny amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy ary tsy hifarana raha tsy ny 31 martsa ho avy izao.

Nampanantena ny Praiministra lehiben’ny governemanta fa ho avy hanokana ny fampirantiana anio saingy tamin’ny fotoana farany dia tonga ny taratasy manambara fa ny alatsinainy 27 martsa vao hanatanteraka ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny tenany koa tsy ho avy anio asabotsy, na ny solon-tenanany aza tsy tonga. Tsy nanakana ny fampirantiana anefa izany fa niroso hatrany.

Publié dans Art et Culture