Filtrer les éléments par date : jeudi, 16 mars 2017

Miverina any am-ponja eo am-piandrasana ny didim-pitsarana ny 20 aprily ho avy izao ilay manam-boninahitra polisy vavy voampanga nahavanona vono sy ratra an-tsitrapo tamin'i Naivo.

Nahazo fahafahana vonjy maika kosa ny lehilahy iray fiampangana taminy.

Niaiky heloka ilay polisy vavy sy ny iray tsikombakomba taminy.

Voaporofo nandritra ny Fitsarana ihany koa fa nifona sy niezaka nanao raharaham-pihavanana izy ireo. Nitsabo an'i Naivo ihany koa etsy an-daniny. Saingy nitazona ny fitoriana hatrany i Naivo niharan'ny herisetra.

Publié dans Sociale

Notanterahina androany ny lanonana fanokafana ny taom-pianarana ho an’ny ambaratonga ambony, izay natao tetsy amin’ny faculté n’ny médecine Ankatso.

Tonga nanotrona izany lanonana izany moa ny Minisitry fampianarana ambony RASOAZANANERA Monique, narahin’ny filohan’ny oniversitean'Antananarivo Panja RAMANOELINA sy ireo filoha amin’ny faritra enina eto Madagasikara izay tonga avokoa, ary notronon’ny filohan’ny Fitsarana avo momban’ny Lalampanorenana Eric RAKOTOARISOA izay mpampianatra eny amin’ny anjery manontolo ihany koa.

Nifandimby nanao ny laha-teniny moa ireto farany ary dia nisokatra ara-pomba ofisialy araka izany ny taom-pianarana 2016-2017 eny anivon’ny oniversite manerana ny Madagasikara.

 

Publié dans Tselatra

Nanomboka nanao tsipaipaika ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra na FRAM tao amin’ny EPP Antanambao Besahimbo, Kaominina Nosiarina androany mba hanarenana ny sekoly izay potika.

Hatramin’izao mantsy dia tsy mbola afaka niverina manohy fianarana ny ankizy noho fahasimban’ny foto-drafitrasan’ny fampianarana, koa raha hiandry izay fampanantenana avy amin,ny fanjakana na avy etsy sy eroa, hoy izy ireo dia mety ho taona fotsy mihitsy ny fianarana aty aminay.

 

Publié dans Sociale

La SOCITA Sarl Madagasikara, en tant qu’entreprise citoyenne a remis ce jour 300 cartons de savon au BNGRC, pour les sinistrés d’Enawo.

 

Publié dans Fil info

Ahmad détrône le président sortant de la Confédération Africaine de Football Issa Hayatou.

L’actuel président de la Fédération Malagasy de football a obtenu 34 voix contre 20 pour le Camerounais, qui voulait briguer un 8ème mandat.

L'élection s'est tenue ce jeudi 16 mars à Addis-Abeba, Capitale éthiopienne en marge de la 39è Assemblée générale de la CAF.

Historique ! Ahmad est le premier Malagasy à la tête de cette organisation continentale et devient le 7è président de la CAF depuis sa création en 1957.

Ahmad succède à l’Egyptien Abdelaziz Salem (1957 – 1958), l’Egyptien Mohamed Abdelaziz Moustapha (1958 – 1968), le Soudanais Mohamed Abdelhalim (1968 – 1972), l’Éthiopien Ydnekatchew Tessema (1972 – 1987), le Soudanais Mohamed Abdelhalim (1987 – 1988) et le Camerounais Issa Hayatou (1988-2017).

 

Publié dans A la Une

Manomboka ny 01 Aprily dia hisy ny fidinana ifotony amin’ny toerana ahitana mpivarotra harona plastika latsiky ny 50 microns manerana an’i Madagasikara ka hogihazana avy hatrany ny entany ho an’ireo mbola manana tahiry.

Mitaraina anefa ny mpivarotra vokatr’io fanapahan-kevitra mivoaka io satria dia mbola maro ny entan’izy ireo tsy lany ary koa sarotra ny fomba handaniana azy noho ny hamaron’ny vokatra notazonina.

Tsy ny mpivarotra ihany anefa no mitaraina fa hatramin’ny mpanjifa izay tena mampiasa ny harona plastika ihany koa. Resy fa lahatra izy ireo fa manimba ny tontolo iainana ny fampiasana ny harona plastika saingy nilaza izy ireo fa tokony mitady ny vahaolana ho solon’ny harona plastika ny fanjakana vao miroso amin’ny fanafohana azy ireo.

Tsy mahavaha ny olona, hoy izy ireo, ny fampiasana ny taratasy hamonosana entana vidiana eny an-tsena fa ny harona ihany.

 

Publié dans Vaovao

Ny kaominina Mahajanga no mitantana ny toerana ary raha ny fitsipika mifehy azy io dia herintaona ihany no afaka apetraka ao ny razana, toy ny fasana anirotra. Misy efa aman-taonany maro anefa ny razana tavela ao, tsy alain’ny havany.

Miantso ireo manana havana milevina ao La Corniche ny Kaominina Mahajanga mba haka ny razan’izy ireo rehefa tapitra ny fotoana ahafahana mametaka izany ao fa manome fahasahirana ny hafa ny fibahanana ny toerana ao.

 

Publié dans Sociale
jeudi, 16 mars 2017 13:39

Ahmad élu président de la CAF

RFI : Le Malgache Ahmad élu président de la Confédération africaine de football (CAF)

Publié dans Fil info

Tao amin’ny Fokontany Tsararano Anosikely no nitranga ity tranga nampalahelo nahafatesana tovolahy 22 taona ity. Niaraka tamin’ny namany, nisotrosotro tany amin’ny Bar izy. “Avy hatrany dia nalemy tsy afa-nitsangana izy ary nivoaka faroratra teo amin’ny vavany”, hoy ireo nahita azy.

Nifamonjen’ny olona nentina teny amin’ny hopitaly Androva ilay tovolahy, izay efa tsy nahatsiaro tena intsony. Teny an-dalana anefa dia voalaza fa tapitra ny ainy, ny alarobia tamin’ny 4 ora maraina.

Publié dans Sociale

Havaozina isaky ny roa taona ny fanambaram-pananana ataon’ireo olom-panjakana voakasik’izany raha ny lalàna momba ny ady amin’ny kolikoly nasiam-panovana ary manan-kery hatramin’ny 2016.

Hatramin’ny fiandohan’ny taona 2017 dia minisitra 3 ao amin’ny governemanta Mahafaly Olivier, Senatera 2 ary Depiote 4 no nanavao ny fanambaram-pananany teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa