Filtrer les éléments par date : mardi, 14 mars 2017

Ny filoham-pirenena no manendry ny praiminisitra lehiben'ny governemanta ary ity farany no tomponandraikitra voalohany mikasika ny fandriampahalemana, koa manana andraikitra amin'iny raharaha iny izy hoy ity mpahay lalana iraisam-pirenena ity.

 

Publié dans Tselatra

Le directeur de la Mission Catholique de Tavenina est placé en détention provisoire suite à l'affaire d'Antsakabary. Il souffre d’une douleur au niveau de la cage thoracique côté droit suite aux coups et sévices perpétrés par la Police, d’après une source proche de sa famille.

 

Publié dans Fil info

Le feuilleton Antsakabary est loin d’être terminé. Le juge chargé du dossier a entendu, hier les témoins à décharge cités dans cette affaire.

 

Publié dans Fil info

Sady nirongo basy no nitondra zava-maranitra ireo jiolahy nanafika ity trano fandrasaim-bahiny iray teo Atsimondrova ny faran’ny herinandro teo.

Naratra voafira famaky izy mivady tompontrano. Voa teo amin’ny sandriny ilay rangahy, teo amin’ny lohany kosa ny an-dramatoa vadiny.

Tsy afa-nanohitra izy mivady, nanoloana ireo jiolahy toa nivonona ny handatsaka aina.

Lasan’ireo jiolahy ny vola rehetra tao an-trano manodidina 2 tapitrisa Ariary sy ny zavatra sarobidy tao an-trano.

Mandeha ankehitriny ny fikarohana ireo olon-dratsy ataon’ny mpitandro ny filaminana.

 

Publié dans Tselatra

Nifatratra tany amin’ny mpitondra moto omaly alatsinainy, tamin'ny 9 ora maraina teo ny fiara 4x4 izay nilaozan'ny hisatra.

Tsy nisy ny aina nafoy fa ny fitaovana no nisy fahasimbana.

Manomboka sahirana amin’ity resaka fitohanan’ny fifamoivoizana ity ny tanànan’i Sambava noho ny trano miorina etsy sy eroa, ny mpivarotra amoron-dalana, ny fiarakodia sy moto mifamezivezy anefa mitombo isa.

 

Publié dans Tselatra

Mbola maro ireo faritra tsy misy jiro eto Sambava taorian’ny rivodoza Enawo, raha toa ka efa nisy nandeha hatramin’ny 10 mars 2017.

Mitaraina ny mponina amin’ireo faritra tsy mbola manana jiro fa tsy mety hanao laharampahamehana ny famerenana ny jiro ny mpiasan’ny Jirama raha tsy mandoa vola.

Vokatr’io dia misy ny fanangonam-bola, ka raha ny tao Mangarivotra Fokontany Ambodisatrana 2 dia 3 000 Ariary isa-tokantrano ny vola takiana, mba hividianana tariby hanoloana ireo tapaka tamin’ny fandalovan’ny rivodoza.

Nanipika mazava anefa ny mponina amin’io faritra io fa tsy ny mpiasan’ny Jirama no nitaky vola fa ny mponina ihany no nanapa-kevitra ny hanolotra izany any amin’ny mpiasan'ny Jirama mba hataon’zy ireo lohalarana ny famerenana ny jiro any amin’izy ireo.

 

Publié dans Sociale

Nankalaza ny faha 49 taona nahazoany ny fahaleovan-tenany ny firenena Morisianina androany tao amin’ny carlton Anosy.

Ny ambasaderan’ny Maurice moa no nanokatra ny ny asaramanitra tamin’ny alalan’ny kabary, ary nanaraka azy teo ny Minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy izay tonga nanotrona ity fankalazana ity.

Tonga maro tao ireo ambasadera avy amin’ny firenena maro toy ny Japon, Etat-Unies, Seychelles.

 

Publié dans Tselatra

Dans la matinée, des averses toucheront les PROVINCES d' ANTSIRANANA et TOAMASINA ainsi que les régions de MELAKY et MENABE. Sur le reste, le temps sera peu nuageux à nuageux.

Dans l'après-midi, Vatovavy-Fitovinany et Ihorombe connaîtront un temps couvert. En revanche, le soleil et les nuages s'alterneront sur Atsimo Atsinanana, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy et Anosy. Concernant la région de TAOLAGNARO, ce sont des averses qui l'arroseront tandis qu'elles seront orageuses PARTOUT AILLEURS.

(Source Météo Madagascar)

Publié dans Fil info

Ny maraina, hirotsaka ny orana tandrifin-drahona any amin'ny faritanin'ANTSIRANANA sy TOAMASINA miampy ny any MELAKY sy ATSIMO ATSINANANA. Sisan'izay moa handrahona na handrahona vitsy ny andro.

Ny tolakandro, saika ho maloka ny andro any Vatovavy-Fitovinany sy Ihorombe. Ny any Atsimo Atsinanana, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy kosa, hifandimby ny rahona sy ny masoandro. Ny any TAOLAGNARO indray dia somary hahitana orana tandrifin-drahona raha toa ka harahin-kotroka izany MANERANA ny FARITRA SISA. 

(Source Météo Madagascar)

Publié dans Tselatra

Ireo mpitondra moto no tena lasibatr’izy ireo amin’ny lalana miazo ny seranam-piaramanidina Amborovy iny. Nanaovan’ny Zandary velampandrika izy ireo ary dia voasambotra.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa