Filtrer les éléments par date : samedi, 11 mars 2017

Tontosa anio asabotsy 11 martsa ny fambolen-kazo niarahan'ny MAPAR Ampitatafika sy ny Association Pro ANR, izay narahina korana fifampiharabana tratry ny taona tamin'ireo mpikambana maro.

Tao anatin'ny firaisankina tanteraka no nambolena ireo zanakazo miisa 500 fototra nifandrimbonana tamin'ireo tanora maro be anatin'ity fikambanana manohana ny filoha Andry Rajoelina ity, izay samy nitondra ny anjara birikiny ho fitandrovana sy fanajariana ny tontolo iainana.

Publié dans Sociale

Notontosaina androany Asabotsy 11 marsa ny Fankalazana ny Fetin'ny Vehivavy Manerantany taty amin'ny Distrikan'ny Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjorofo raha tsy tontosa tamin'ny 08 mars lasa teo noho ny RIVODOZA izay nandalo taty Fenoarivo Antsinanana.

Anisan'ireo nanamarika izany sy hita nisongadina tamin’ny halavan'ny laharana ny Fikambanam-behivavy TGV ao amin'ny district Fénérive-Est, tarihin'i Présidente Départemental TGV Fénérive-Est ramatoa Angelica.

 

Publié dans Tselatra

Nitondra izay voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ireo traboina sy nampahery ireo fianakaviana namoy havana ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro Ranarisoa Désiré.

Nitondra ireo karazam-panafody entina hitsaboana ireo traboina izay mety tratry ny aretina ihany koa ry zareo avy amin’ny sampandraharahan’ny fahasalamana.

Navesatra tokoa ny fahavoazana taty amin'ny faritra Alaotra Mangoro, akoatr'ireo tanimbary dobon-drano dia nisy 4 ny namoy ny ainy ary maherin'ny 2 000 ireo tsy manankihalofana traboina.

 

Publié dans Tselatra

Tsy nanadino ireo vehivavy miisa 45 ao amin’ny fonjabe Marofoto ny fikambanana CSANR ( club des supporteurs d’Andry Rajoelina) tarihin'i Rakotomamonjy Julianah eto Mahajanga tamin’ny fankalazana ny andron'ny vehivavy 8 marsa fa dia tonga nanolotra fanampiana ireo vehivavy voafonja.

Vary, menaka, vatomamy sy bisiky, paty, sira vovony no natolotr'izy ireo tamin'izany.

 

Publié dans Tselatra

"Ny Soa atao levenam-bola", izany ny teny faneva entin'ny fikambanana Fitia manatanteraka ny asa ataony isan'andro.

Toy ny tanjona eo amin'ny fikambana, dia avy hatrany dia nandray andraikitra ireo mpikambana marobe tarihan'i Mialy Rajoelina, nifanome tanana hitondra fanampiana ho an'ireo sahirana sy traboina vokatry ny rivodoza ENAWO.

Ka tetsy amin'ny toby Akorondrano, no niarahan'izy ireo nifarimbona hanomezana sakafo mafana ho an'ireo olona 1000 mahery izay tsy manan-trano vokatry ny tondra-drano misy eny amin'izy ireo.

Ka na alina aza ny andro, dia omaly alin'ny Zoma dia nanao tanamaro izy ireo ho mariky ny Fitiavana entin'izy ireo ho an'i Mpiara-belona.

 

Publié dans A la Une
samedi, 11 mars 2017 14:04

ENAWO: Bilan provisoire très lourd

38 morts, 118 sites d’hébergement, 8 disparus, 180 blessés, 116 191 sinistrés, 53 172 déplacés depuis l'impact de ENAWO.

Plusieurs maisons détruites, plusieurs hectares de rizières inondées.

 

Publié dans Fil info

Toy ny fanao isan-taona, ny alahady 26 martsa 2017, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro dia hisy fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, ho fangataham-pitahiana ho an’ny Tanindrazana, hotanterahina ao amin’ny FJKM Ambohidrabiby.

Ny talata 28 martsa maraina dia manao ny FAFY RANO arahina tso-drano am-bava ataon’ny Raiamandreny. Rehefa izany dia manao TATAO vary amin-dronono tondrahan-tantely hisantarana ny taona vaovao sy hifampirariana soa.

Publié dans Art et Culture

La remise des prix aux lauréats du concours de projets « Vehivavy mizaka tena ara-toekarena » organisé par le Ministère de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la Femme, s’est déroulée au Carlton Anosy ce jeudi 9 mars, en présence des partenaires techniques et financiers, des représentants du corps diplomatique et des « clubs des fans » des 18 associations finalistes.

Le premier prix a été remporté par l’association AMPELA MIRAY ASA d’Ambovombe Androy. Le chèque de 20 millions d’Ariary est remis à la présidente de l’association servira à financer le projet d’expansion de pépinière d‘arbres fruitiers exploité par AMPELA MIRAY ASA dans le Sud. Cette association est créée en 2007.

Publié dans Sociale

Fomba iray itaizana ara-politika an'ireo manam-paniriana hanova zavatra aty Fianarantsoa ny fanofanana tahaka izao. 8 volana no faharetany ary 25 isaky ny andiany no raisina.

Ny antoko Fitambolagnela I.A.D no angady nananana izany ivontoerana antsoina hoe FORMAPOL eto Fianarantsoa izany. 23 no isan'ny taranja anovozam-pahalalana. Tanora sy mpandraharaha, mpandinika ara-politika sy tompon'andraikitra isan-tsokajiny no mpiofana.

Publié dans Sociale

Lehilahy iray, polisy kaominaly tratra nametaveta zazavavy vao 12 taona tao Lohatranambo, Kaominina Ambohigogo Distrikan'i Farafangana, ny alin'ny talata 7 marsa teo.

Simba tanteraka ilay zaza ary tsy maintsy nozairina. Nosamborin'ny Fokonolona ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza ary nofatorana. Natolotra ny Kaominina izy mandra-pahatongan'ny mpitandro filaminana.

Tsy mbola nametraka fitoriana ny ray aman-drenin'ilay zaza fa mbola sahirana mitsabo ilay zaza, izay tsy maintsy nalefa amin'ny hopitalibe Farafangana.

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa