Filtrer les éléments par date : vendredi, 10 mars 2017
vendredi, 10 mars 2017 22:26

Manandriana : Tremblement de terre

Les secousses sont ressenties jusqu'à Manandriana, région Amoron'i Mania.
Publié dans Fil info
vendredi, 10 mars 2017 22:09

Antsirabe : La terre a tremblé

Un bref tremblement de terre, le deuxième en 72h, s’est produit cette nuit autour de 21h47 au moment où la majorité des familles de la Ville d’eaux allait se coucher. 
Publié dans Fil info

Mamadi-bainga ny Institut de Formation eto Fianarantsoa. Tarika indray mihira faha-10 izao avoaka amin'ny fomba manetriketrika tarihin'ny filoha tale jeneralin'ny IFT izao.

Lalampiofanana 4 no misy azy 75 mianadahy ireo. Fantatra teto fa hisokatra amin'ity taona ity ny Master II eo amin'izany ivontoerana izany. Tafapetraka ihany koa ny fanofanana avy lavitra na "formation à distance" maneran an'i Madagasikara.

15 taona nisiana ny IFT. Efa nahazo ny antsoina hoe "accreditation" ny toeram-piofanana raha ny namafisina nandritra ny lanonana notontosaina ny zoma 10 marsa teo, izay nototonsaina tao amin'ny Espace Royal Antsororokavo Fianarantsoa.

 

Publié dans Sociale

Manentana ny mpikambana rehetra isan'ambaratonga ao aminy, na ireo mbola mikatroka na ireo tranainy, ny Firaisamben'ny Skotisma eto Madagasikara, FSM, mba hanome tànana sy hanampy ireo traboina vokatry ny fandalovan'ny rivodoza ENAWO.

Entanin’ny FSM ihany koa ny olon-drehetra izay malala-tànana mba ho tonga maro hifanao soroka miara-milanja sy tànana miara-mandray.
Hotanterahina rahampitso sabotsy 11 marsa 2017 eo amin'ny Tranompokonolona Analakely - Antananarivo ny fanangonana ny fanomezana. Manomboka amin'ny 9 ora maraina izany ary mifarana amin'ny 12 ora atoandro.

Haterina eny amin'ny Birao Nasionaly misahana ny Loza sy Tandindon-doza, BNGRC ny entana voaangona aorian’izay.

 

Publié dans Tselatra

Tao anatin’ny rivodoza Enawo no nankalazan’ny Sampana Fanantenana FAFI V tarihin’dRamatoa Hanitriniala Raholdina vadin’ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina voafidy tao amin’ny Boriboritany fahadimy Antananarivo ny 08 marsa Andron’ny vehivavy, ka vehivavy mahantra sy sahirana aman-jatony teny amin’ny boriboritany fahadimy no nisitraka ny fanampiana tamin’izany.

Niantomboka tao amin’ny Clinic FIDY Ambatomainty izay toeram-pitsaboana tsy miankina kanefa mitsinjo ny sahirana no nanomboana izany ka ireo vehivavy tera-bao sy avy nodidiana am-polony no notolorany botofotsy sy vola ro-patsa ary solom-boankazo.

Publié dans Vaovao

Tototry ny rano avokoa ireo tanim-bary eny Malaza Ambodiafotsy, raha mbola mitohy ny fikijan’ny orana dia mety ho safo-drano ny tanàna manodidina.

 

Publié dans Tselatra

Manoloana ny loza nateraky ENAWO, dia tsy nipetra-potsiny ny Solombavambahoaka voafidy teto amin'ny boriboritany faha 3, Rafenomanantsoa Aina fantatra amin'ny anarana hoe Anyah, fa avy dia nandray andraikitra mavitrika, ka nitondra ny fanampiana ho an'ireo fianakaviana 140, traboina Ankorondrano, Andranomahery Antsinanana sy Ankazomanaga Andraharo.

Maro ireo tsy manantrano hialofana akory aza, ka dia nanolotra tanty lehibe 8, nanolotra vatsy, vary, lasopy mafana ary biscuit ho an'ny ankizy.

Olona any amin'ny 800 any no nisitraka izao fanampiana nentin'i Anyah izay mpikambana ao amin'ny vondrona Mapar miaraka amin'i Filoha Andry Rajoelina izao.

 

Publié dans Tselatra

Les deux enfants de 11 et 13 ans ont été pris au piège en plein sommeil, quand leur maison s'est effondrée vers 2h du matin, un troisième enfant est sorti avec quelques égratignures.

Leur parent est absent dans le foyer au moment du drame, ils ont assisté à une veillée funèbre.

 

Publié dans Fil info

Nahazo toromarika ny Dren Amoron'i Mania ahitana fari-piadidiam-pampianarana efatra (Fandriana, Ambositra, Manandriana ary Ambatofinandrahana) fa mbola miato aloha ny fampianarana amin'ity anio ity.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 10 mars 2017 10:42

Météo: Enawo s’éloigne de Madagascar

Enawo est sorti en mer jeudi vers 22h dans la commune de Maroaloka, Région Androy. Son centre se trouve ce matin à 200km de Tolagnaro.

Enawo s’éloigne, mais la montée des eaux menace plusieurs villes de Madagascar et le risque d'inondation est permanent.

 

Publié dans A la Une
B1 - Polyclinique
B2 - Toa