Filtrer les éléments par date : vendredi, 08 décembre 2017

Miditra ho mpampifandray resaka eo amin'ny solombavam-bahoaka sy ny fiarahamonim-pirenena ary mpandraharaha ara-toekarena ny FES na ny Friedrich Ebert Stiftung.

Nanatanteraka fakan-kevitra hatolotra an'ireo manampahefana manao lalàna izany rafitra izany ity andron'ny zoma 8 desambra ity, eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny.

Roa andro no fanetsehana momba izany eto Fianarantsoa. Mizara telo ny fanehoana ireo hevitra nangonina ireo raha aravona. Fomba an-kolaka hanerena ny solombavam-bahoaka mba hihaino amin'ny antsipirihany ireo olana sy zava-misy aty an-toerana izany, hoy ny mpanatrika sasantsasany.

Hatreto dia tanterahina sesilany ny atrikasa tahaka izao fa vitsy ny tatitra voaray momba ny fivoarany fa indrindra ny fampiharana ireo hevitra natsakaina.

 

Publié dans Vaovao

Telo mianadahy anaty tambazotra iray mpaka an-keriny avy any Toamasina voasambotry ny Zandary tao amin'ny trano iray teny Antanimalandy omaly alakamisy 7 desambra raha hikasa hanatanteraka fakana an-keriny taty Mahajanga.

Nahatratrarana vola vahiny maromaro tany amin’izy ireo.
Nalefa ao Antananarivo avy hatrany izy ireo hatao famotorana, ny “Brigade de repression des bandes organisées kidnapping”, izay nanao ny fikarohana, no handray an-tanana ny fanadihadiana azy ireo.

Mbola misy naman'izy ireo hafa karohina.

 

Publié dans Tselatra

Namono olona ny hazandranomasina. Androany izao dia olona miisa 7 hatreto no namoy ny ainy vokatry ny fihinanana ireny trondro madinika atao hoe : “sardine” ireny. Olona miisa 14 ihany koa no mbola tsaboina eny amin’ny hopital amin’izao. Tarehimarika vonjimaika ireo.

Avy any Ramena ireto hazandranomasina misy poizina namono olona ireto, no namidin'olona teto Antsiranana izao namono olona izao.

 

Publié dans Tselatra

Fiara Peugeot 405 sy Renault Kangoo an’ny Pharmacie Issa, rue de l'Ankarana, no indray potika nodomin’ny fiaran’ny Polisy androany, tamin’ny 4 ora maraina.

Tsy nisy aina nafoy, fa fahasimban-javatra no goavana. Vokatry ny fandehanana mafy, niharo tsy fahafehezana ny familiana no voalaza fa nihavian’ny loza.

 

Publié dans Tselatra

Nanaitra ny mpanara-baovao teto Antsirabe ny nanafahan’ny Fitsarana olona maromaro, voarohirohy tamin’ny fanafihina mitam-basy tany Belazao ny 18 novambra 2017 lasa teo.

Olona miisa 6 ireo nosamborin’ny Polisim-pirenena tamin’izany ka nanaovana fanadihadiana, ary nisy tamin’ireo no nahatratrarana basy vita gasy iray tao Belazao-Antsirabe II, izay niaiky fa azy izany, saingy ampanofainy ho an’ireo olona voatafiky ny jiolahy. Nomen’ny Fitsarana fahafahana vonjimaika ny 4, anisany ity milaza ho mpampanofa basy ity, ary ny 2 no notanana am-ponja.

Sesilany ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny Distrikan’Antsirabe faharoa tao ho ao, isan’izany ny halatr’omby tao amin’ny Fokontany Andrangy ka nahasamborana lehilahy iray atao hoe : Lesolo. Notanana am-ponja vonjimaika ity farany. Ny 18 novambra indray dia mpanangona ronono tao Belazao no lasibatry ny jiolahy ka very vola 10 tapitrisa Ariary sy entana maromaro.

Publié dans Sociale

Niverina nahazo vahana indray ny fiakaran'ny dahalo ambony tafon'ny fiara zotra nasionaly izay mampiasa ny lalam-pirenena fahaefatra. Fiara iray avy amin'ny kaoperativa KOFMAD no lasibatra halina ka very tamin'izany ny entan'ny mpandeha sasan-tsasany. Efa maraina teo, tonga teny amin'ny tobim-piantsonana nasionaly hampidina entan'ireo mpandeha vao nahatsikaritra ny rehetra fa tataka ny labasy ary nisy entana maromaro very.

Eo anelanelan'Ambondromamy sy Ambovondramanesy no heverin'ireo mpamily hanaovan'ireo olon-dratsy ny asa ratsiny satria amin'iny làlana iny no ahitana tetezana matetika ka voatery manena ny hafainganam-pandehany ny mpamily. Amin'izay no manararaotra miakatra sy midina ireo olon-dratsy ary mamaha na mandrovitra ny labasy sy manipy ny entana avy any ambony.

Publié dans Sociale

Nanolotra lela vola mitentina 1,2 tapitrisa dolara ny Fitondrana Amerikanina hanohanana ny fanomanana ny fifidianana amin’ny taona 2018.

Fanohanana izay hanampy ny CENI sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny dingan’ny fifidianana.

Nisy moa araka izany ny sonia fifanarahana izay natao tetsy amin’ny CENI Alarobia omaly alakamisy 07 desambra.

Ny firenena Amerikanina moa dia azo lazaina fa efa maro ny fanohanana nataony tamin’ny fanjakana malagasy, raha tamin’ny taona 2016 fotsiny dia nanolotra 91 tapitrisa dolara ny teo anivon’ny USAID ho an’ny vahoaka malagasy tamin’ny alalan’ny fandaharana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, fanjarian-tsakafo, tontolo iainana ary ny rano fisotro sy fidiovana.

 

Publié dans Politique

Notanterahana tetsy amin'ny Antenimieran-doholona Anosy omaly alakamisy 07 desambra ny fihaonana teo anivon'ny governemanta sy ny loholona, ka nisy araka izany ny tatitra nataon'ireo loholona.

 

Publié dans Tselatra