Filtrer les éléments par date : mardi, 05 décembre 2017

Nampidirina am-ponja vonjimaika ao Toamasina nanomboka io hariva io i Roméo dit Dada, iray amin'ireo voarohirohy ho atidoha mpitora-bato ireo fiara mandalo amin'ny lalam-pirenena faha-2 eto Brickaville.

Vokatr'io fanapahan-kevitry ny Fitsarana io dia misy andian'olona mikononkonona ny hanao barazy eto Brickaville dieny anio alina.

Amin'izy ireo, dia tsy mpanakarama mpitora-bato fiara i Roméo ary misy lehilahy antsoina hoe Dada miisa telo eto Brickaville koa maninona no tsy nosamborina avokoa, hoy izy ireo.

Olona miisa 11 no nosamborin'ny Zandary teto Brickaville noho io fitoraham-bato fiara mandalo amin'ny RN2 io. Nampidirin'ny Fitsarana am-ponja vonjimaika ny 6 tamin'ireo, navotsotra kosa ny 5.

Publié dans Tselatra

Nipoaka androany tamin'ny 8ora maraina ny trano fivarotana iray tao Ambodisambalahy, Kaominina Anjagnoveratra ka tapaka mihitsy ny lalam-pirenena mampitohy an'i Sambava sy Vohémar noho io tranga mampalahelo niseho io.

Na niezaka aza ny Fokonolona dia tsy voatana ny afo noho fisian'ny solika ‘’essence’’ maro loatra tao an-trano.

 

Publié dans Tselatra

Microcèbes na Tsedy, ragidro kely indrindra manerantany tsy hita afa-tsy eto Madagasikara, mirefy 12 cm raha tsy refesina miaraka amin'ny rambony ary milanja manodidina ny 90 grama farafahabetsany. Tsy mivoaka izy raha tsy amin'ny alina ary miafina anaty hazo poakaty toy ny bararata lehibe rehefa atoandro.

Anisan'ny ompiana ao amin'ny valan-javaboahary Reniala ity biby ity mba ho fiarovana azy noho izy efa atahorana ho lany tamingana noho ny doro tanety sy ny fanondranana an-tsokosoko.

Tsy nifanaraka tamin'ny fomba fiainan'ireto biby nompiana tao ireto anefa ny toerana nonenany ka voatery nanao antso avo ny mpitantana ny valanjavaboahary ahafahana manangana toerana mifanaraka amin'izany.

Publié dans Sociale

FÉDÉRATION MALGACHE DU FOOTBALL

LES PRÉSIDENTS DES LIGUES DU FOOTBALL

COMMUNIQUE

Face à la situation qui prévaut au sein de la Fédération Malgache du Football, qui est en plein processus électoral pour le renouvellement des structures en partant de la base jusqu’au sommet (Section, Ligue et Fédération), nous les Présidents de Ligues du Football Malgache qui nous réunissons ce jour à Antananarivo lançons la déclaration suivante :

Publié dans Sport

Mpitandro ny filaminana no niatrana teny amin'ny biraon'ny oniversite ny maraina teo, andro natao hanombohan'ny CODIS na Filankevi-pifehezana. Tsy nisy tonga ireo mpianatra voakasika fa ireo ray aman-dreny no tonga nilanja sora-baventy nanamafy ny tsy fankasitrahan'izy ireo ny fampakarana CODIS ireo mpianatra avy ao amin'ny oniversiten'Ambondrona.

"CODIS mitanila, tsy ekenay Ray aman-dreny fa asio fandalinana". io no sora-baventy nanehoan'izy ireo ny tsy fahafaliany.

Nangataka hihaona tamin'ny filohan'ny oniversite izy ireo saingy tsy noraisin'ity farany ary nesoron'ireo mpitandro ny filaminana. “Tsy hanaiky hatramin'ny farany izahay”, hoy hatrany ireo ray aman-dreny ireo raha ny fanambarana fa tsy maintsy hiroso amin'ny dingana ambonimbony kokoa.

Andrasana ny fanapahan-kevitry ny avy eo anivon'ny oniversite amin'ireo mpianatra tsy nety namaly ny fiantsoana hiatrika CODIS ireo.

 

Publié dans Tselatra

Nanao fitokonana nitaky ny tombontsoany ireo mpiasa ao amin’ny CMT (Compagnie Malgache de Textile) Ambohimangakely, Antananarivo Avaradrano androany maraina.

Anisan’ny toherin’izy ireo ny famadihana ny zo andro fialantsasatra (congé) ho tsy andraisam-bola.

Tsy vao sambany no andrenesana fitarainan’ny mpiasa ao amin’ity orinasa afakaba CMT Ambohimangakely ity.

Vao maraina koa dia tonga teny an-toerana ny Zandary nanakana ny fidiran’ireto mpiasa nitokona ireto teo am-bavahadin’ny orinasa.

 

Publié dans A la Une

Cette journée est aussi dédiée à l'égalité des chances.

Publié dans Fil info
mardi, 05 décembre 2017 08:04

Asa tanana: Mpanamboatra Baffles

Andro vitsivitsy sisa dia ho avy ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona.

Amin’ny maha fety azy izay dia mifaly araka izany ny olona ary dia samy manao izay maha mety ny fiainany ny tsirairay.

Anisan’ny singa iray manamarika ny fety iray ny fandihizana indrindra ny fetin’ny faran’ny taona, koa dia ny fanamboarana ireny Baffles ireny indray no aseho eto.

Eny Ambalavao Isotry no ahitana ireto mpanamboatra Baffles ireto ary dia azo lazaina fa maro tokoa izy ireo. Araka ny filazan’ity tovolahy iray ity dia efa betsaka ny mpanao commande amin’izao fotoana izao ary dia manenjika eo amin’ny Baffles dimy hatramin’ny folo isa isan'andro izy ireo.

Ny vidiny moa dia arakaraky ny habean’ny haut Parleur izay mifandanja aminy.

 

Publié dans Art et Culture
B1 - Polyclinique
B2 - Toa