Filtrer les éléments par date : samedi, 23 décembre 2017
samedi, 23 décembre 2017 23:10

Ambodin'Isotry: Mifety anaty rano sy ny fako

Fety ao anatin'ny rano sy ny fako mitobaka hatrany no iainan'ny mponin'Ambodin'Isotry ny Krismasy sy ny Faran'ny taona.

Zary atao propagandy lava, nefa tsy misy fijerena ny mponina, resabe no maro fa ny zava-bita dia fako sy rano aloha hatreto.

 

 

Publié dans Sociale

Amin’ny fiainana ankapobeny dia samy manana ny sokajiny avy ny olona. Misy ny mahantra, misy ny antonony ary misy ny manan-karena.

Publié dans A la Une

Nirefodrefotra ny poabasy teny Andohatanjona Itaosy ny hariva teo tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany. Tokatrano iray no notafihana andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana. Voatifitra tamin'izany ny raim-pianakaviana tompon-trano rehefa nahazo izay notadiaviny ireto jiolahy ireto.

Nisavoritaka avy hatrany ny teo amin'ny manodidina satria mbola fotoana be mpivezivezy rahateo ny fotoana nitrangan'ny fanafihana. Mbola nirarakompana anefa ny tifitra nataon'ireo jiolahy nandritra ny fitsoahany ka lehilahy iray no maty, voa teo amin'ny lohany ary telo hafa ihany koa naratra voatifitra.

Nifanandrify indrindra tamin'ny fotoana nipoahan'ny afomanga tao amina trano filanonana nandray mariazy ihany koa ny poa-basy ka nanafangaro ireo feo ireo, izay tsy hay intsony ny nanavaka azy.

Publié dans Tselatra

La veille du réveillon de Noël, l'Île au parfum est tombé dans le noir.

La Jirama avance une excuse que les moteurs sont en panne, et la moitié de la ville fête Noël au pied du sapin, avec des bougies.

Déjà, c'est la région où l'électricité est la plus chère du pays, mais que le problème d'eau est au quotidien.

Les touristes sont friands d'aventure certes, mais ils ont besoin du minima de confort, les restaurants risquent leur alimentation, les salles de fête sont obligées de louer des groupes électrogènes.

Pour une vitrine de Madagascar, c'est vraiment un miroir sans reflet qui ne renvoie que du noir.

 

Publié dans Fil info
samedi, 23 décembre 2017 20:13

67ha : Un espace vert vendu à un particulier

Les riverains soulèvent des objections.

 

Publié dans Sociale
samedi, 23 décembre 2017 20:00

Marovoay: Dobo rano

Avy be ny mahalegny taty Marovoay Boeny omaly alakamisy nanomboka tamin'ny 5 ora hariva, ary io maraina amin'ny 6h30 vao nijanona.

Fefy rano tanàna jiaby, ny lalana difotra, maro trano atahorana.
Tsy tafavoaka malaky moa ny rano noho ny faharatsian'ny fotodrafitrasa sy ny tatatra tsentsina.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana omaly zoma 22 desambra alina, tao Andamoty fokontany iray ao amin’ny Kaominina Ambodimandresy, faritra Sofia. Lasan’ireo jiolahy ny omby miisa 15.

Naratra mafy nandritra izany ny lehilahy mpiambina vala, voatifitra eo amin’ny tongotra ny iray ary nahazo fotom-pe ny faharoa. Samy tsaboina ao amin’ny hopitaliben’Antsohihy izy roalahy naratra ireo amin’izao.

Any ampanarahan-dia kosa ny Fokonolona sy ny miaramila miara-miasa amin’ny Zandary.

 

Publié dans Tselatra

30.000 Ariary no ivarotany ny iray. Ny zanany lahy saika hanapoaka ilay basy tany an-tsena no niandohan’ny fanadihadiana. Fianakaviana iray monina ao Antanifotsy Ambatondrazaka no mpanamboatra azy, ary tapa-by sy “tuyau” miampy fantsika no akora ampiasainy.

Efa aman-taonany maro no nanamboaran’izy ireo basy poleta vao izao tratra izao. Olona mipetraka ivelan’Ambatondrazaka no mpividy.

Natolotra ny Fampanoavana teto Ambatondrazaka ny zoma 22 desambra izy mianaka ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

 

Publié dans Vaovao

564 élèves des Ecoles primaires publiques et du Collège d’enseignement général en sont bénéficiaires, grâce à l’action de l’association « Vonjy Avana » dirigée par Marcel Robinson, épouse du Dr Jean-Louis Robinson, maire de la Commune rurale d’Ampasikely, District d’Amparafaravola, en partenariat avec la Fondation Telma, la banque BOA et le Consulat de Malte.

 

Publié dans Tselatra

Taorian'ny nampiakarana ireo mpianatra miisa 69 tamin'ny Conseil de discipline, dia nisy tsaho nihely fa mpianatra 44 no voaroaka. Nanao fanambarana ny filohan' ny oniversiten'i Pr Rakotoarivony Andrianony Emmanuel fa tsy nisy mpianatra noroahina noho ny famindram-po nomena azy ireo fa sazy mihantona no ankamaroany.

Miverina mianatra amin'ny 8 janoary ny oniversiten'i Mahajanga ary mbola hojerena miandalana ny mahakasika ny fiverenana amin'ny trano izay miankina tanteraka amin'ny fahavitan'ny fanamboarana.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2