Filtrer les éléments par date : samedi, 16 décembre 2017

Ny biraon’ny masera Tale no lasibatra tamin’ity vaky trano ity halina. Lasan'ireo jiolahy ny ordinatera sy volan-dry masera. Naratra mafy niharan'ny vono ny mpiambina, ary voatery nampiana ra mihitsy.

Herinandro mialoha io fanafihana io no efa nahazo teny fampitandremana ny mpiambina ny SEVIRA (Sekoly Victoire Rasoamanarivo) ary nampahafantatra ny fisian’izany fandrahonana izany tamin’ny mpitandro ny filaminana teto Antsohihy ry masera nefa izao mbola voatafika izao ihany.

Namafisina daholo anefa ny fiarovana ny “mission catholique” rehetra eto Madagasikara taorian'ny namonoan’ny sasany tamin’ny fomba feno habibiana ny Père Supérieur Jiva Lucien tao amin’ny Noviciat des Frères Mineurs Capucins teo Ambendrana Antsohihy ny alahady 23 aprily 2017.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo anelanelan'i Antsiafabositra Maevatanàna sy Mamokomita amin'ny lalam-pirenena fahaefatra ny alin’ny zoma 15 desambra 2017. Kamiao iray avy any Antananarivo lany rivotra ka tsy nisy hisatra no nifanena ka nandona ny fiara mpitatitra Sprintera an’ny kaoperativa Cotisse hivoaka ny tetezan’i Belalandy ary tsy nijanona ilay fiara raha tsy nifatratra tamin’ny rindrintany.

Vokany, maty ny mpamilin’ilay Cotisse raha vao tonga tao Maevatanana ary mpandeha anankiroa ihany koa namoy ny ainy. Naratra avokoa ny ankamaroan'ny mpandeha.

Anisan’ny mpandeha tamin’io fiara io Atoa Toky Rahaingo, Solontenam-paritry ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ATT eto Mahajanga. Naratra ny lohany fa nahatsiaro tena ihany izy ka nanafatra ny vadiny nikarakara “ambulance” niakarana any Antananarivo hitsaboana azy.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana loza tao amin’ny Kaominina Ambinanitromby, 28km tsy hahatongavana ao an-drenivohitry ny Distrika Ikongo androany tokony mitatao vovonana teo. Kamiao mitondra Miaramila sy Zandary ary Polisy hiazo an’Ikongo hanao renfort no nofaohin’ny rano teo ampitsakana ny “radier” Ambinanitromby.

Ny antsoantso vonjy nataon’ireo tao anaty kamiao sy ireo namany tamin’ireo fiara 4X4 roa hafa taoriany no nanaitra ny Fokonolona izay tonga nanome tanana avy hatrany niaraka tamin’ny lakana nanao vonjy aina. Avotra ny ankamaroan’ireo tao anaty kamiao. Mbola misy Miaramila enina, Zandary roa ary Polisy iray karohina anefa amin’izao ora anoratana izao.

Publié dans Tselatra
samedi, 16 décembre 2017 14:44

Météo 16 décembre 2017

LE vent du Sud Est dominera sur la partie EST de Madagascar mais la moitié Ouest restera tout de même en pleine saison de pluie. Les températures maximales subiront une baisse sur les Hautes Terres et la partie Est mais le reste sera quasi-stationnaire.

L’après-midi, des averses orageuses toucheront BOENY, MENABE, ATSIMO ANDREFANA, VAKINANKARATRA,la partie Ouest HAUTE MAHATSIATRA, AMORONY MANIA, IHOROMBE, ITASY .

Sur le reste du pays, on observera un temps nuageux à peu nuageux.

Les températures prévues pour demain seront comme suit:

Antsirabe: 17°/25°C 
Antananarivo: 19°/27°C 
Fianarantsoa: 18°/27°C
Antsiranana: 23°/31°C 
Mahajanga: 20°/33°C 
Toamasina: 23°/29°C
Toliary: 20°/31°C 
Tolagnaro: 21°/26°C 
Maevatanana: 22°/35°C
Antsohihy: 18°/35°C 

(Source Météo de Madagascar)

Publié dans Fil info
samedi, 16 décembre 2017 14:40

Météo 16 décembre 2017

Miha mahazo vahana ny tsioka atsimo atsinanana amin'ny ilan'ny atsinanana iny. Fa ny tapany andrefana dia mitohy hatrany ny volon'andro fahavaratra. Ny maripana ambony indrindra dia hisy fidinany ho any faritry ny afovoantany sy ny ilany Atsinanana.

Ny hariva,hitohy hanorana hatrany ny any ANTALAHA sy ANALANJIROFO, hiseho ny orana tandrifindrahona arahin-kotroka any BOENY, MENABE, ATSIMO ANDREFANA, VAKINAKARATRA, ilany andrefany HAUTE MAHATSIATRA, AMORONY MANIA, IHOROMBE, ITASY.

Manerana ny faritra sisa moa, dia handrahona na handrahona vitsy ny andro.

Ireto manaraka ireto ny vinan’ny maripàna ho an’i rahampitso:

Antsirabe: 17°/25°C
Antananarivo: 19°/27°C
Fianarantsoa: 18°/27°C
Antsiranana: 23°/31°C
Mahajanga: 20°/33°C
Toamasina: 23°/29°C
Toliary: 20°/31°C
Tolagnaro: 21°/26°C
Maevatanana: 22°/35°C
Antsohihy: 18°/35°C

(Source Météo de Madagascar)

 

Publié dans Tselatra
samedi, 16 décembre 2017 13:36

Antsirabe: Faha 100 taonan'ny Caisse d'Epargne

Antsirabe no nanamarihana ny fanokafana ny faha 100 taonan'ny "Caisse d’Epargne de Madagascar" ny andron'ny zoma 15 desambra 2017.

Nifanindran-dalana tamin'izany ny fitokanana ny trano vaovao teto Antsirabe, izay notokanan'ny Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny Teti-bola ary ny Tale Jeneralin'ny tahirim-bolam-panjakana.

Raha tsahivina dia ny taona 1918 no niorenan'ity sampandraharaha ity, tamin'ny andron'ny fanjanahantany ka Caisse National d'Epargne no anarany tamin'izany, izay niovaova taty aoriana ka ny taona 1985 no nitondrany io anarany izao io.

Ankehitriny moa dia volan'ny fanjakana madiodio no ampiasaina ao.

 

Publié dans Sociale

Tontosa omaly zoma ny fifidianana ny filohan’ny ligin’ny baolina kitra aty Sofia. Seksiona miisa fito no mifidy. Roa ny kandida nifaninana. Voafidy ho filoha, nahazo isam-bato enina tamin’ny fito Atoa Ranaivohasivao Parson Bruno, izy ihany moa no filohan’ny ligy teo aloha ary dia hitantana mandritra ny efa-taona ho avy, izay taona olimpika faharetan’ny taom-piasana.

Tafaverina amin’ny toerany ihany koa ireo mpikambana miisa fito ao amin’ny birao mpanatanteraka niaraka taminy.

 

Publié dans Tselatra

La commune rurale de Mahaboboka, située dans le District de Sakaraha, traversée par la RN7, en Région Atsimo Andrefana, s’est dotée d’une centrale électrique hybride, solaire et thermique, d’une puissance de 15 Kw. L’électricité est fournie par soixante panneaux solaires, ainsi que par un groupe électrogène de 22 Kva, lequel n’entre en fonction que lorsque l’électricité produite par les panneaux photovoltaïques est épuisée.

La commune rurale de Saint Augustin, célèbre village touristique dans le District de Toliara II, Région Atsimo Andrefana, a été aussi dotée d’une centrale hybride d’une puissance de 15 Kw, identique à celle qui a été également installée à Mahaboboka.

Les deux installations sont le fruit de la coopération entre la Coopération allemande et l’Etat malagasy, à travers l’ADER, Agence de Développement de l’Electrification Rurale.

Rappelons que le taux d’accès à l’électricité est seulement de 15% à l’heure actuelle, dont 5 % en milieu rural.

 

Publié dans Sociale

Tsy vita raha tokony ho natao omaly ny fifidianana izay ho filohan'ny ligin'ny baolina kitra Vatovavy Fitovinany, izay misy seksiona dimy, saingy nangina hatramin'ny 2011 ny seksiona Nosy-Varika.

Efatra ny kandida nifaninana. Nanao taratasy niraisana anefa ireo filohan'ny seksiona efatra dia Mananjary, Vohipeno, Manakara ary Ifanadiana fa tsy feno ny fepetra hahafahana miroso amin'io fifidianana io, ary nohamarinin'ny vadintany izany, nalefan'izy ireo any amin'ny delegen'ny vaomieram-pifidianana.

 

 

Publié dans Tselatra

Samy efa tonga teo amin'ny toerana fandatsaham-bato ireo mpifidy avy amin’ny seksiona. Na ny kandida tokana aza dia nanatrika ny fotoana. Saingy nisy ny fifandresen-dahatra izay natrehan'ny foibem-paritry ny fanatanjahantena sy ny tanora. Nanotrona izany ihany koa ny mpankafy baolina kitra sy olo-maro tsy voatanisa. Rehefa natao ny fandinihana momba ireo tsy fahatomombanana rehetra dia niarahana nahatsapa fa tsy feno ny fepetra ahafahana manao fifidianana.

Nanapa-kevitra ho fampiatona an'izany ny vaomiera misahana ny fifidianana eto an-toerana.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2