Filtrer les éléments par date : vendredi, 01 décembre 2017
vendredi, 01 décembre 2017 08:46

Palais des Sports Mahamasina: Salon de l'Agro

Tontosaina etsy amin'ny Palais des Sports Mahamasina nanomboka omaly 30 novambra ny Salon de l'Agro, ary hiifarana amin'ny faran'ny herinandro.

 

Publié dans Tselatra

Notontosaina omaly alakamisy 30 novambra ny fanaovan-tsonia teo amin’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny BIT, tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina.

Fanofanana an’ireo Tanora Entrepreneurs latsaky ny 18 taona, ka ny tanjona amin’izany dia ny famolavolana ireo tanora mba tsy hirona amin’ny zavatra hafa toy ny fifohana zava-mahadomelina.

Ny toeram-pihofanana moa dia eny CARION .

 

Publié dans A la Une

Efatra andro taorian’ny tranga fakana takalonaina nataon’ny dahalo, zaza amam-behivavy miisa folo miampy Zandary roa, dia olona miisa fito, ka vehivavy ny telo ary lehilahy ny efatra. Atao famotorana eto Morondava izy ireo amin’izao fotoana izao.

Folo mianaka no nataon’ny dahalo takalonaina rehefa tsy nahazo omby tao Ankilizato, Distrikan’i Mahabo izy ireo ny alin’ny alahady 26 novambra 2017.
Tratry ny velampandrika ihany koa ny roa tamin’ireo Zandary valo lahy, niaraka tamin’ny Fokonolona, nandeha hanavotra azy folo mianaka takalonaina.

Vola fito tapitrisa Ariary, niampy omby enina ambin’ny folo, no nomena ireo dahalo ny alatsinainy 27 novambra 2017, taorian’ny fifampiraharahana tamin'ny alalan'ny antso an-tariby, ka nampiasan'ireo dahalo ny findain'ireo Zandary voasambotr'izy ireo, vao navotsotr’ireto dahalo ireo takalonaina roa ambin’ny folo, ka Zandary ny roa.

Publié dans Vaovao

Taorian’i Mahajanga, Fianarantsoa, Toamasina ary Toliara dia fantatra izao fa hotanterahina eto Antsiranana ny 15 sy 16 desambra ho avy izao ny fihaonambem-paritry ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM).

Nahazo fampilazana ireo sekolim-panjakana eto an-toerana, fa hampiantrano ireo mpizaika amin’io fihaonambem-paritry ny HVM io, vaovao izay nanaitra ny teto Antsiranana satria raha ny fepetra nambaran’ny teo anivon’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena ombieny ombieny, dia tsy azo andraisana hetsika ny sekolim-panjakana raha tsy mahakasika ny fampianarana ihany.

 

Publié dans Tselatra
B1 - Polyclinique
B2 - Toa