Filtrer les éléments par date : mardi, 07 novembre 2017
mardi, 07 novembre 2017 21:52

Antsahavola: Iray volan’ny sary 2017

Notontosaina ny zoma 03 novambra lasa teo, tao amin’ny IKM Atsahavola ny fisokafana tamim-pomba ofisialy ny iray volan’ny sary 2017 izay andininy faha valo, ka tsy hitsahatra izany raha tsy ny faha 30 novambra ho avy izao.

Ny lohahevitra noratovina tamin’izany dia ny TAOVOLO MALAGASY izay hanomezan-danja ny fikajiana ny kolontsaina malagasy.

Maro ireo mpiara-miombon'antoka amin’izany, ary anisan’izany ny ANTA izay ivon-toerana mitahiry ireo sary rakitry ny ela indrindra izao taovolo malagasy izao.

Anisan’ny nanatrika izany moa ny talen’ny ANTA Anitra RAKOTOARISOA, ny Talen’ny OMACI na ny ofisy Malagasy ho an’ny sinema, ary andriamatoa Fidisoa izay matianina amin’ny Sary, izay ity farany no mpandrindra sy mpikarakara izao hetsika izao.


Publié dans Art et Culture
mardi, 07 novembre 2017 19:50

Antaninarenina: Miketrika fifidianana

Nisy, androany maraina 07 novambra, fihaonana nataon'ny Mouvement de Rassemblement, izay tarihin'ny OHT (Olona Hasin’ny Tany) sy ireo mety ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018, miaraka amin’ireo fiarahamonim-pirenena maromaro ary koa mpanao politika, natao tao amin’ny Le Pavé Antaninarenina.

Anisany hevi-dehibe niombonan’ireo mpandray anjara ny Fanajàna ny lalàna fototra (Lalampanorenana ), ny Fanarahana ny fe-potoana iasana: dimy (5) taona, voafidy alohan'ny 25 desambra 2018 ny Filoham-pirenena, ny lalàm-pifidianana dia tsy maintsy laniana mandritra izao fotoam-pivorian'ny Antenimiera izao.

Hisy ihany koa ny Antso fanairana (interpellation) ny CENI sy ny mpiara-miombon'antoka rehetra.

Hitohy amin’ny alakamisy 09 novambra izao ny fihaonana, hamolavolàn’izy ireo miaraka ny lalàm-pifidianana.

 

 

Publié dans Politique
mardi, 07 novembre 2017 14:15

07 novembre

Journée Internationale de l'écrivain africain.

Publié dans Fil info

Foana avokoa aloha ireo fampiantsoana voarain'ireo mpianatra miisa 71 mianadahy hanatrika Conseil de discipline (CODIS) saika hatao ny 08-09-10 novambra ho avy izao. Mihemotra amin'ny fotoana tsy voafetra izany araka ny fanambarana nataon'ny tomponandraikitry ny oniversite omaly alatsinainy 06 novambra 2017.

Noraisina indray izao fanapahan-kevitra izao taorian'ny fifampidinihana manokana nataon’ireo tomponandraikitra isan-tokony voakasik'ity raharahan'ny oniversite ity sy ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Rasoazananera Marie Monique ary ny filohan'ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao.

Manahy ny rehetra fa ho vita vita ho azy ho lasa « dossier classé » ny mahakasika ity raharaha ity amin'izao fanapahan-kevitra goragora sy miovaova izao.

Publié dans Vaovao

Une quasi rébellion a éclaté à bord du bateau croisière Costa, prévu toucher Toamasina, Antsiranana et Nosy be, dès l'annonce de l'annulation de la destination Madagascar à cause de la peste.

Des centaines de passagers ont manifesté leur mécontentement et ont demandé remboursement de la moitié de leur billet, car ils veulent visiter Madagascar et non pas rester en mer ou visiter juste l'île Maurice ou Seychelles ou La Réunion.

Un passager, assez violent verbalement a été débarqué du bateau aux Seychelles car la situation est devenue incontrôlable à bord.

Maurice continue son chantage, si le bateau accoste Madagascar, il oblige Costa de rester en mer pendant 7 jours en quarantaine, alors que ni Diego, ni Nosy be n'a de peste.

 

Publié dans A la Une
B1 - Polyclinique
B2 - Toa