Filtrer les éléments par date : dimanche, 05 novembre 2017

Mponina tao amin'ny lot 127 carreau III Analakininina ity renim-pianakaviana mitondra vohoka ity ary nodimandry tamin'ny 27 oktobra teo.

Maty tao an-tranony izy, tsy nentin-drangahy vadiny namonjy toeram-pitsaboana mihitsy na efa notenenin'ny mpiara-monina taminy aza noho ny aretim-badiny hafahafa sy mbola mitondra vohoka kambana ihany koa.

Nanao ny fitiliana haingana (TDR) ihany ny mpitsabo ny PPH sy ny BMH teto Toamasina ny 27 oktobra lasa teo, nefa noho ny fisalasalana tamin'izy ireo dia tsy maintsy nalefa teo anivon'ny Institut Pasteur ny fitiliana.

Tsy nahandry ny valin'ny fitiliana ny fianakavian'ny maty ka nandevina azy tao amin'ny fasam-bahiny teto Toamasina ny alatsinainy 30 oktobra. Ny alakamisy teo anefa nivaly ny fitiliana avy amin'ny Institut Pasteur ka voamarina fa matin'ny pesta ilay ramatoa bevohoka.

Efa nomena ny fanafody sahaza azy avokoa ireo olona nifanerasera taminy rehetra, efa namedrahana fanafody ihany koa ny tokantrano nisy azy sy ireo manodidina rehetra.

 

Publié dans Vaovao
dimanche, 05 novembre 2017 22:42

Ady sipa: Iray no maty tsy tra-drano

Tao Antakoly, Kaominina Bemanevika, Distrika Sambava no nitranga ity loza ity omaly sabotsy 04 novambra, tokony ho tamin’ny 12ora atoandro.

Nifankatratra ny lehilahy roa izay samy nilaza ho sakaizan'ity tovovavy iray tao an-tanàna. Nisy tsy nahantaty ka raikitra ny fifamonoana. Tsy nisy mpanasaraka ary tsy nisy sahy niditra fa samy nijery ny rehetra.

Voadaroka teo amin’ny hatony ny iray ka maty tsy tra-drano.

Teo vao samy nikoropaka ary nentim-po ny fianakavian’ny maty ka nisambotra ilay vehivavy sy ilay namono. Tonga koa ny fianakavian'ilay namono.

Eo ampelan-tanan'ny Zandary ny raharaha ankehitriny.

Publié dans Tselatra
dimanche, 05 novembre 2017 22:39

Église: Décès du Pasteur Jules Randrianjoary

Ancien candidat présidentiel de 2006 et fondateur de l'Eglise FAK (Fiainana Ao amin'i Kristy), Pasteur Jules Randrianjoary est décédé hier matin samedi 04 novembre. Il a été, victime d'un AVC.

 

Publié dans Fil info

Dans le sud de Texas, près de San Antonio, à Sutherland Springs, une fusillade a retenti dans une Eglise baptiste, pour l'instant, tout reste flou mais déjà une dizaine de victimes constatés.

 

Publié dans Fil info

Les îles voisines profitent de la situation à Madagascar frappé par l'épidémie de la peste pour attirer des touristes. Même le ministre du tourisme Roland Ratsiraka est convaincu que les îles soeurs auraient mené des campagnes en défaveur de Madagascar en matière de tourisme.

En effet, les bateaux de croisière Costa et Aida reculent leur touchée à Toamasina pour début décembre 2017.

 

Publié dans Fil info

Deux enfants, frère et sœur, ont présenté des symptômes à leur arrivée à l'hôpital d'Andohatapenaka hier samedi 04 novembre, mais se sont les résultats des analyses des échantillons envoyés à l'Institut Pasteur qui confirmeront ou informeront leur cas.

Publié dans Fil info

"Tsy ho avy hanatrika ny Conseil de discipline (CODIS) izahay". Izay no fanambarana nataon'ny solontenan'ireo mpianatra nahazo fiantsoana avy amin'ny fiadidian'ny oniversiten'i Mahajanga.

Tafakatra 71 hatreto ireo mpianatra nahazo ny taratasy fiantsoana hiatrika ny Conseil de discipline mahakasika ny raharaha fitokonana sy fanimbana fananan'ny oniversite. Tsy ankasitrahan'ireo mpianatra voakasika anefa ity fanapahan-kevitry ny ministera sy ny oniversite ity.

Antony maromaro raha ny fanazavan'ireto mpianatra ireto no mahatonga azy ireo handà izany. Misy ny fanavakavahana tamin'ny fanivanana ireo mpianatra handalo anatrehan'ny Filankevitra. Misy mpianatra vehivavy voatonona anaty lisitra ihany koa kanefa tsy teto Mahajanga nandritra ny korontana.

"Tsy vahaolana ny firosoana amin'ny CODIS fa mety vao maika hampikorontana", hoy ireto mpianatra fa mangataka fifampiresahana indray izy ireo.

Notsindrian'ireo mpianatra ny fangatahana mba hamoahana ny namany roalahy izay naiditra am-ponja noho ny resaka fandoroana trano (bloc).

Publié dans Sociale
B1 - Polyclinique
B2 - Toa