Filtrer les éléments par date : jeudi, 30 novembre 2017

Teny amin'ny Village Touristique indray no nahitana ity razana ity anio alakamisy 30 novambra tamin'ny efatra ora hariva teo, saingy tsy tamin'ny toerana mahazatra aty amin'ny fitsangatsanganana izay matetika mahadobo an-drano fa aty amin'ny manandrify ny hotely Chez Nônô.

Tsy hay ny antony nahatonga ny fahafatesan'ity lehilahy ity fa olona sendra nandalo no nahita azy natsikafon'ny ranomasina ka nampandre ny mpamonjy voina izay nidina teny an-toerana niaraka tamin'ny BMH, izay nanao ny fizahana, sy ny Zandary misahana ny ranomasina sy ny seranan-tsambo, ary ny TVHFB izay miandraikitra ny Village Touristique.

Nentina any amin'ny tranompatin'ny hopitalin'Androva ny razana mandra-pahitana ny havany.

 

Publié dans Tselatra

Efa tafiditra tanteraka ao anatin'ny fahavaratra isika izao ka dia ho avy matetika ny orana.

Raha ny filazan'ireo mpamantatra ny toe-trandro dia mety hisy rivodoza 02 ho avy amin'ity fotoam-pahavaratra ity.

Mila mivonona noho izany isika, satria dia i Madagaikara dia aty amin'ny ilabola-tany atsimo izay tsy maintsy misy rivodoza hatrany isan-taona.

Momba ny rivodoza na rivomahery dia vokatry ny hafanana miakatra be izy io, nefa avy eo dia midina tampoka ny tsindrin'ny atmosfera na ilay pression atmosphérique, ka misy fahasamihafana lehibe ny hafanan'ny rivotra eo ambony ranomasina sy ny ety antanety, ka dia ny rivotra mafana avy eny andranomasina no mamonjy manafana ny rivotra mangatsiaka ety an-tanety.

Mihodina eo io rivotra roa mifanena io, ka dia izay no mahatonga ny rivodoza na cyclone. Arahina orana sy rivotra mahery izy io.

Publié dans Sociale

Le total de la contribution américaine à la riposte contre la peste à Madagascar s’élève aujourd’hui à 3,5 millions USD.

L’Ambassadeur des Etats-Unis Robert T. Yamate a annoncé aujourd’hui une contribution supplémentaire de 2 millions USD du Fonds de Réserve d’Urgence de l’Agence Internationale pour le Développement International (USAID) pour aider la population Malagasy à faire face à l’épidémie de peste cette année.

Le peuple américain a octroyé un total de 3,5 millions USD à l’effort de prise en charge d’une épidémie qui a soudain pris beaucoup d’ampleur à Madagascar.

Ce nouveau financement sera utilisé pour traiter les malades de la peste, donner des informations à la population malagasy et engager les communautés partout à Madagascar à assumer un rôle actif dans la riposte contre la maladie. Il améliorera également la surveillance pour que la maladie puisse être détectée à un stade précoce et renforcera la capacité des laboratoires à sortir un diagnostic à temps. Enfin, l’USAID fournira des médicaments essentiels, des équipements de protection individuelle et d’autres produits de santé.

Publié dans Sociale
jeudi, 30 novembre 2017 14:10

Korea avaratra: Tsy voafehy fa maditra loha

ny talata teo dia nandefa missile indray i Kim Jong-Un, ary tafakatra ambony tokoa, ary mety ahatody ny firenena Amerikanina raha ny voalazan'ny fampahalalam-baovao Korea avaratra.

Nilaza moa ny televizionina Korea avaratra fa azony ampitondraina baomba atomika hamotika an'i Amerika io.

Namaly kosa i Donald Trump fa dia ho karakaraina ny momba an'ity Korea Avaratra ity, izay namafisin'ny ambasadoron'ny Amerika teo anoloan'ny Firenena mikambana nivory omaly alarobia 29 novambra, fa raha ady no tadiavin'ny Korea Avaratra dia ho potehany tanteraka i Koréa. Mitaky ny Firenena rehetra anafay an'ny Korea moa ny Amerikanina, indrindra niantso ny Sinoa mba tsy amatsy solika intsony an'ny Korea avaratra ka anao fahy rano azy.

Namaly moa ny Sinoa fa tsy tokony hisy ady aty amin'ny faritra misy an'i Korea.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 30 novembre 2017 14:08

TPIY: Suicide en direct

Après l'annonce hier mercredi 29 novembre du verdict pour 20 ans d'emprisonnement par le Tribunal Pénal International pour l'ex-Yougoslavie à la Haie, contre Le général croate Slobodan Praljak dans l'affaire de crimes de guerre en Bosnie, Il a clamé son innocence et a bu du poison en plein audience du Tribunal, conduit à l’hôpital immédiatement, il est décédé après quelques heures.

La séance a été suspendue.

Agé de 72 ans, l'ancien chef militaire des Croates de Bosnie, voulait-il démontrer par ce geste qu'un officier supérieur ne se laisserait jamais emprisonner par son ennemi?

 

Publié dans Fil info

Nontaterahina omaly 29 novambra 2017 teny amin’ny Toby miaramila 1er BLIG Ambolimadinika ny famindram-pibaikoana teo amin’ny Commandant Randrianjakanavalona Tojo, izay nitondra ny faneva tao anatin’ny telo taona, nanolotra izany tamin’ny Lieutenant Saola Mahefa Nicolas, izay avy any Vatomandry izao voatendry ho Komandin’ity Toby miaramila ity.

Nandritra izany no nanambaran’ny Colonel Rahajandrainy Jeannot, Chef de Corps du 2ème Régional du Génie Toamasina, izay nanome voninahitra ity lanonana ara-miaramila ity, dia nampatsiahy fa hatramin’ny taona 1981 nisian'ity toby ity dia nanana anjara asa lehibe izy ireo tamin'ny fanampiana ho an'ny mponina amin'ny fanokafana ireo lalana mba ho entina hamoahana vokatra, fa amin'izao dia efa tsy misy fitaovana intsony ankoatran’ireo fananan'ny BNGRC famonjena voina.

Na dia eo aza izany dia tsy miraviravy tanana kosa izy ireo amin’ny izay asa mety ho atao ilana tanana aty Sambava.

 

 

Publié dans Tselatra

Le tiers (1/3) du gaz consommé en Europe provient de la Russie. Mais cet approvisionnement a été sujet à des coupures et ruptures en 2006, 2009 et 2014. Les causes ont été les relations tendues entre la Russie producteur et l’Ukraine, Etat par où transite le gaz russe afin d’alimenter les pays européens de l’ouest.

Gazprom a été la principale compagnie russe exportatrice et Naftogaz la société d’Etat ukrainien spécialisée dans le transport de gaz vers les consommateurs de l’ouest européen.

A cause des revendications des Ukrainiens sur l’augmentation du prix du transit en 2006 qui provoqua un bras de fer entre la Russie et l’Ukraine provoquant une baisse significative de l’approvisionnement du gaz dans les Etats européens alors qu’ils sont en plein hiver. En 2009, la Russie réclama des impayés des dettes de Naftogaz à Gazprom et stoppa son approvisionnement ce qui souffla de nouveau un vent de panique en Europe, car cela s’est déroulé pour la 2nd fois en plein hiver.

Publié dans Editorial

Miditra amin'ny andiany faha-folo ity hetsika fampahafantarana ny fianarana misy aorian'ny fazahoana ny diplaoma bakalôrea ity.

Ivontoerana valo avy amin'ny tanàna ivelan'i Fianarantsoa no isan'ny mpandray anjara.

Nanintona ny fisian'ny lalam-piofanana ho mpitsabo mpanampy ao Ambalavao Tsienimparihy. Mamaha olana an' ireo tanora mitady fianarana azahoana asa amin'ny tapany atsimon'i Matsiatra Ambony hatrany Ihorombe izany. Manome traikefa amin'ny fianaran'asa mikasika ny fitsaboana amin'ny kaominina ambanivohitra ihany koa io ivontoerana io.

Hatreto dia ny fiofanana arak'asa no voasolotena amin'ireo mpanao fampirantiana. Tsy nandray anjara kosa ny sampana fampianarana akademika.

Maharitra telo andro ny hetsika. Mandray anjara amin'ny famelabelaran-kevitra sy fanomezana torohevitra ny orinasa eto an-toerana.

 

Publié dans Tselatra