Filtrer les éléments par date : mercredi, 29 novembre 2017
mercredi, 29 novembre 2017 19:07

Bianco: Atrik'asa ho fiarovana ireo mpitory

Nisy ny Atrik’asa nataon’ny teo anivon’ny BIANCO manoloana ny fijerena manokana ho an'ireo olona mpitoroka na mpitory na mpanome vaovao momba ny kolikoly.

Mila arovana sy jerena akaiky mantsy ireny olona ireny hoy ny talen‘ny BIANCO ary tokony hisy hatrany ny fijoroan’ny tsirairay mba ahitana ny marina sy haingana indrindra.

Notontosaina teny amin’ny Colbert Antaninarenina moa ity Atrik’asa ity.

 

Publié dans Tselatra

Tanterahina hatramin'ny 2 janoary ho avy izao ny asa fikojakojana ny Bibliothèque Municipale sy ny tahirimboky misy ao aminy.

Ilàna fanampiana goavana ny fanarenana izany toerana izany sy ny fampitaovana fanaka ao.

Tany amin'ny taona 1900 mahery kely no nanorenana ity fotodrafitrasa ity hoy ny tompon'andraikiatra eto an-toerana.

Mitoetra ho vakoka ara-kolontsaina izany ho an'ny Tanànan'i Fianarantsoa.

 

Publié dans Sociale

Ela ny ela ka mba ahazo Sampana Mpamonjy Voina amin’izay ny Tanànan’Antsirabe, raha toa ka tsy mba nanana izany hatramin’izay.

Vita Sonia ny marainan’ny talata 28 novambra 2017 lasa teo ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny Fikambanan’ny mpamonjy voina any Frantsa sy ny “Corps de Protection Civil”, eo anivon’ny Tafi-bahoaka ary ny Kaominina Antsirabe Renivohitra, amin’ny hametrahana ity Sampana Mpamonjy Voina eto Antsirabe ity.

Araka ny fifanarahana, izay nambaran’ny Ben’ny Tanàna Razanakolona Paul, dia ny miaramilan’ny C.P.C no hitantana ny Sampana Mpamonjy Voina eto amin’ny renivohitry Vakinakaratra, ka efa miaramila miisa 12 no voatendry ho amin’izany.

Ny fikambanan’ny sampana mpamonjy voina any Frantsa kosa no hamatsy fitaovana, ka hisy sahady amin’ny fiandohan’ny taona vaovao io ny fanolorana fitaovana miisa 2, izay hitohy hatramin’ny fanomezana fitaovana hatrany amin’ny 8 any ho any izany, ka hisy hatramin’ny fitanterana marary hiisa 2.

Ny Kaominina Antsirabe kosa no hisahana ny tambin-karaman’ireo miaramila sy hanorina ny fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny filan’ny Mpamonjy Voina.

Publié dans Vaovao

Mamim-bahoaka ny ekipan'ny Fosa Juniors Boeny. Nanaporofo izany ny fahatongavan'ireo olona marobe nitsena azy ireo teny Belobaka sy ny efa niandry teny amin'ny kianja monisipaly Rabemananjara.

Ny maraina teo no nigadona teto Mahajanga ireo ekipan'ny Fosa Juniors izay avy nibata fandresena nahazo ny Amboara Telma Coupe de Madagascar 2017.

Nirehareha ny mpitia baolina kitra avy aty Mahajanga amin'izao fandresena azon'ny ekipa izao.

Tsy nisy mihitsy ireo olom-panjakana nitsena sy nanome voninahitra ny lanonana fa dia honjohonjon'ireo ekipa sy ny mpankafy irenry ny fifaliana. Dia ho sanatria ve hoy ny sasany ka ho toy ny valalan'amboa, na ny tompony aza tsy tia.

Publié dans Sport

Omaly talata 28 novambra ity tovolahy, 18 taona ity, no efa nokarohin'ny fianakaviany ka androany maraina tokony ho tamin’ny 7 ora vao hita natsingevan’ny ranomasina, efa tsy nisy aina intsony. Efa nanomboka lanin’ny trondro ny masony.

 

Publié dans Tselatra

Ny sabotsy 25 novambra 2017 teo, no nitrangan’ity vono olona niniana natao ity, tao Ambodimanga-II, Kaominina Ambodihazambo, Distrikan’i Mampikony, toerana any amin’ny sisintany mampisaraka an’i Mampikony amin’Andilamena.

Araka ny fanazavan’ny Sojabe Tiamaro dia “nisy miaramila efa-dahy manao fanamiana sady mitam-basy tonga vao maraina tao Ambodimanga-II io andro io, tamin’ny enina ora teo. Nisy tovolahy iray manadio tokontany tazan'izy ireo.

Nanontany ny misy ny tranon'ny filoham-pokontany ireo miaramila. Nilaza ilay tovolahy fa io anoloantsika io ny tranon'ny lefiny. Nasain'ireo miaramila nitarika azy tao amin’ny lefitry ny sefo Fokontany ilay tovolahy.

Rehefa tonga tao dia nilaza ireo miaramila fa mitady ireo olona telo izay malaza ho dahalo teo an-tanàna.
Voasambotra ireo olona telo dahalo ireo ary nofatorana.

Publié dans Vaovao
mercredi, 29 novembre 2017 07:42

Islamisme, une géopolitique malsaine

Progressivement depuis 40 ans l’Islamisme occupe le terrain des affrontements idéologiques dans le monde. Tout a commencé après l’intervention soviétique en Afghanistan à la fin des années 70, l’Armée rouge entra directement dans les combats politiques inter-afghans, particulièrement entre les factions communistes regroupées autour des individus comme Taraki, Amin, Karmal et Nadjibullah que les Russes communistes ont placé successivement au pouvoir, surtout que ce pays montagneux possède des milliers de kilomètres de frontière avec l’URSS.

Malheureusement, comme les Américains au Vietnam, les Soviets ont sous-estimé la « colère de l’Afghan » et que pour se venger de leur défaite à Saigon, 3 ans plutôt, les Etats-Unis soutinrent les moudjahidines anti-communistes via le Pakistan, ceux-ci sont à 100% des combattants d’obédience islamiste, alors que le président Reagan à l’époque les surnommait les « combattants de la liberté » (freedom fighters ).

Que l’on veut ou non les Islamistes ont été une création américaine via les services secrets du Pakistan !

Après le retrait soviétique en 1989, l’Afghanistan devient le bastion des Islamistes de tout genre qui ont changé de fusil d’épaule en s’en prenant à leurs anciens sponsors les USA.

Publié dans Editorial
mercredi, 29 novembre 2017 07:33

Sambava: Mpanarato niova fo

Nandray fanapahan-kevitra ny Fikambanana Mpanarato Dauphin Bleu, notarihin’ny Filohany Atoa Tahera Ali eto Maeva Farahalana, nanapotika ireo haratony rehetra izay tsy manara-penitra na harato madinika masony.

Nandritra izany no niantsoan’izy ireo ny avy amin’ny Foibem-paritry ny harena anaty rano sy ny jono aty SAVA, notarihin’ny Tale Rabezandry Bruno omaly talata 28 novambra 2017.

Harato miisa enina izay mirefy any amin’ny zato metatra isany no nopotehin’ireto mpanarato niova fo ireto, ary nisy harato iray hafa kosa tsy maintsy nodorana teo imasom-bahoaka, izay tsy nanara-dalana ka sarona tao anatin’ny fotoana izay tsy mbola azo hanaratoana, anelanelan’ny 15 oktobra hatramin’ny 15 desambra 2017, araka ny Didim-pitondramparitra eto SAVA.

Fa ho fampirisihina ireto mpanarato ireto mba hiaro mandrakariva tsy hahalany taranaka ny zanatrondro andranomamy sy anaty dobo aty SAVA dia nanolotra zanatrodro miisa 2000 ho azy ireo ny solombavam-bahoaka Zoky Vonjy.

 

Publié dans Vaovao

Le 5ème Sommet entre l’Union Africaine et l’Union Européenne s’ouvre ce 29 novembre à Abidjan. Cette année 2017 sera déterminante pour les relations entre l’Afrique et l’Union Européenne, dix ans après l’adoption de la stratégie commune entre les deux parties.

Durant deux jours, les dirigeants africains et européens mettront l’accent sur l’investissement dans la jeunesse, thème du sommet qui verra ainsi la participation de trente-six jeunes, issus de pays africains et européens. Il s'agit là d'une priorité pour l'Afrique comme pour l'UE car 60 % de la population africaine a moins de 25 ans.

D'autres priorités du partenariat Afrique-UE seront examinées au cours du sommet, à savoir, la paix et la sécurité, la gouvernance, notamment la démocratie, les Droits de l'homme, les migrations et la mobilité, l'investissement et le commerce, le développement des compétences, et enfin la création d'emplois.

 

Publié dans Fil info
mercredi, 29 novembre 2017 07:13

29 novembre

Journée Internationale de solidarité avec le peuple palestinien.

 

Publié dans Fil info