Filtrer les éléments par date : mardi, 28 novembre 2017

Asiam-panamboarana ary tsy mbola vita ny tetezana ao amin’ny Kaomina Antanambao Marivorahona, Distrikan'Ambilobe, amin’ny lalam-pirenena faha-6, eo amin'ny 125km miala an’Antsiranana. Niakatra nefa ny rano vokatry ny orana, ka lasan'n rano ilay tetezana vonjymaika, ka tsy misy afaka miampita ny fiara rehetra, hany ka “transbordement" no miainga ao.

Sahirana ny mpandeha, mitombo ny fandaniana amin’ny sarandalana satria tsy maintsy mifindra fiara, ankoatra ny fanakaramana olona hibata entana.

 

Publié dans Tselatra

Nafahan’ny Fitsarana madiodio, nandritra ny famoahana didim-pitsarana omaly alatsinainy 27 novambra teto Antalaha, ireo mpiasan’ny Aéroport Antalaha nahiahiana ho tompon’antoka tamin’ny fahaverezan’ny lavanila milanja 10kg an’ny mpandraharaha iray niala teto Antalaha hiazo an’i Mananara Avaratra tamin’ny 25 septramba 2017.

Tsy afa-po tamin’ny didim-pitsarana ny tompon’ny entana sady mpitory ka milaza ny hampakatra satria “misy tsindry avy any ambony hoy izy”.

Voatery nozaraina roa ny lavanila milanja 86kg an’ity mpandraharaha iray niainga teto amin’ny seranam-piaramanidina Antalaha niazo an’i Mananara Avaratra, fa tsy zakan’ny fiaramanidina indray miaraka. Lasa niaraka tamin’ny tompony ny ampahany voalohany ny 25 septambra teo. Ny ampitson’io vao tonga tany Mananara Avaratra ny ampahany faharoa saingy nahabangana 10kg teo ny lavanila.

Publié dans Sociale
mardi, 28 novembre 2017 21:28

Fiadanana: Nitokona ny teo anivon'ny SECES

Tonga maraina hanatontosa ny fitokonana teo anoloan'ny ministeran'ny fampianarana ambony ireo mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka eny amin'ny oniversité, momba ny anatanterahana ny lalàna efa nivoaka taona maro momba ny sandan'ny asa sy karaman'izy ireo.

Vao tonga teny an-toerana moa izy ireo dia noraisin'ny Sekretera Jeneraly sy ny Talen'ny ministera, ka dia niroso tamin'ny fifampidinihana. Nilaza moa ny teo anivon'ny ministera fa tsy miankina aminy intsony ny fanantaterahana ny zavatra notakian'ireto mpampianatra ireto, fa miankina amin'ny ministeran'ny vola.

Tapaka tamin'izany ary fa hajanona ny fitokonana ary anangana vaomiera hitambarana izy ireo hijerena ny ministeran'ny vola.

 

Publié dans Sociale

Notafihin’ny dahalo ny taty an-tananan’Ankilizato, Distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe ny alin’ny alahady 26 novambra 2017. Olona manana omby maro eto an-tanàna no nokendren’ny dahalo tamin’io, saingy tsy azon’izy ireo ny omby.

Rehefa izay dia zaza amam-behivavy, miisa folo mianaka, no noteren’ireo dahalo hanaraka azy ireo, natao takalonaina.

Rehefa nahazo fampandrenesana dia nanainga niaraka tamin’ny Fokonolona ny Zandary valo lahy, hanaradia hanavotra azy folo mianaka takalonaina ireo. Tratry ny velampandriky ny dahalo anefa ireto mpanaradia ireto, ka tafalatsaka anelanelany.

Nitsoaka, samy nanavotr’aina ireo Fokonolona mpanaradia sy ireo Zandary mitam-basy. Ny roa tamin’ireto farany anefa voasambotry ny dahalo rehefa lany bala, nanampy ireo takalonaina teo ampelan-tanan’izy ireo omaly, ary dia voaendaka ara-bakiteny. Nalain’ireo dahalo ny akanjo teny amin’izy ireo.

Publié dans Vaovao

Nidina ho 10 000 Ar ny vidin'ny lodsia iray garaba raha 16 000 Ar izany tamin'ny herinandro lasa teo. Vitsy ny mpivarotra antsinjarany mividy io voankazo io eo am-pahatongavan'ny fiarabe mitatitra avy any atsimo atsinanana.

Maty antoka ireo mpitatitra arak'izany satria izy ireo no mampiakatra ny vokatra noho ny fiatoan'ny zotran-dalamby FCE (Fianarantsoa Côte-Est). Ao anatin'ny fanatanterahana ny andrana ho fampiasana ny motera vaovao mampandeha ny lamasinina ny orinasa io amin'izao fotoana izao ka tsy afaka miantoka ny famoahana ny vokatra manamorona ny lalamby.

Tsy nisy fitaterana tamin'io zotra io hatramin'ny 16 oktobra 2017 lasa teo.

 

Publié dans Tselatra

Tsy fantatra mazava izay tena antony nahafaty ity rangahy ity. Olona sendra nandalo androany tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro no nahita ny razana nihantona izay efa namoaka fofona maimbo.

Namono tena, sa nisy namono avy eo nahatona mba hanafenana ny herisetra nihatra taminy. Misokatra ny fanadihadiana.

 

Publié dans Tselatra

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny CCI Ivato ny Symposium ho an’ny tantara, kolontsaina ary ny sivilizasionina, izay mandritry ny telo andro.


Manodidina eo amin’ny efapolo eo ireo profesora mpikaroka izay tonga hifampizara ireo fikarohana nataony, anisan’ny tonga teny an-toerana ohatra ny Profesora Yves Coppens izay olo-malaza nahita an’i taolam-balon’i Lucy.

Ity hetsika ity moa dia nokarakarain’ny Agence Première Ligne, ary eo amban’ny fiahian’ny Akademia Malagasy.

 

Publié dans Sociale

Les transporteurs opérant sur la nationale 2 vont faire la grève demain, pour manifester leur désapprobation et mécontentement après la décision du Tribunal de première instance de Toamasina de mettre en liberté provisoire les soi-disant commanditaires des jets de pierres ciblant tous les véhicules notamment les transporteurs de passage à Brickaville.

De sources proche de l’enquête indique que les présumés auteurs sont en prison. Notre source de remarquer que ce qui est louche dans cette histoire c’est que l'acte s'est passé non loin de la poste de la Gendarmerie de Brickaville.

Cette même source de continuer, que les présumés auteurs lors de leur interrogatoire ont nié les faits, en arguant que les Gendarmes les ont forcé à avouer et dénoncer des personnes qui ont tous eu des antécédents avec l'exaction des Gendarmes et qui sont des petits opérateurs qui refusent de verser des écolages, alors que les Fokonolona ainsi que les Tangalamena ont envoyé une lettre comme quoi les soi-disant commanditaires sont des gens qui n'ont rien à avoir avec cette histoire de jet de pierres.

Publié dans Sociale

Le groupe Malagasy Dadi Love sera attendu en France, avec Taa Tense, Ngiah Tax et beaucoup de surprises.

✔le 29 décembre 2017 à Lyon

✔ ✔le 30 décembre 2017 à Marseille

✔ ✔ ✔le 31 décembre 2017 réveillon Saint Sylvestre à Paris

Publié dans Art et Culture

Nitombo iray ny toerana famakiam-boky azo anatanterahana fikarohana eto Fianarantsoa. Notokanana ny sabotsy lasa teo ny « Salle de Documentation et d'Information » Rakotonirainy Jonson izay ahitana boky tranainy hatrany amin'ny taona 1852.

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy io andro io ihany koa, ny toerana fitondrana am-bavaka ny faritra sy firenena antsoina hoe Salle de prière Adonaï, ankoatry ny ny toerana fivoriana natao hoan'ny rehetra.

Marihina fa tsy Fiangonana vaovao akory ny Wholistic Revival Ministries, izay nanolotra ireo fotodrafitrasa ireo hoan'ny mpino ireo, fa fikambanana mijoro ara-dalana. Mitory ny Filazantsara eto Madagasikara ny mpikambana ary manana mpiaramiombon'antoka avy any ivelany. Misokatra amin'ny rehetra io toerana vaovao notokanana io raha ny fantatra.

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2