Filtrer les éléments par date : samedi, 25 novembre 2017

Nosarontsaronana tamin'ny fitokanana fotodrafitr'asa nataon'ny fanjakana ny fandaniam-bola mihoampampana ataon'ny antoko HVM aty Mahajanga amin'ny fihaonam-be ataon'ity antoko ity ato anatin'ny Faritanin'i Mahajanga.

Ny fanaovana filankevitry ny minisitra mitety faritra notarihin'ny filoham-pirenena Hery Rajonarimampianina no nanaronana izany mba hanapenana ny mason’ny vahoaka.

Mibaribary fa fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana hanomanana fifidianana no antony. Tonga aty Mahajanga avokoa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta tarihin'ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, ireo mpikambana eo anivon’ ny Antenimierandoholona tarihin’ny filohany, Rivo Rakotovao sy ireo solombavam-bahoaka avy amin’ny faritra maromaro.

Publié dans Politique

Anjaran'i Mahajanga indray no nandray ny filankevitry ny minisitra mitety faritra taorian'i Toamasina sy Antsiranana. Tontosa ny maraina teo tao amin'ny Lapan'ny Tanànan'i Mahajanga izany notarihin'ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

Niatrika izany ihany koa ireo Ben'ny Tanàna sy ny lehiben'ny Distrika ary ny lehiben'ny Faritra rehetra ato anatin'ny faritanin'i Mahajanga.

Momba an'i Mahajanga madiodio no nodinihina nandritra ity filankevitra ity. Tsy nisy nipika moa ny resaka nifanaovana tao.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 25 novembre 2017 15:43

Mandritsara: Nitrangana vono olona

Lehilahy iray no hita faty nihosin-dra tsy lavitra ny foiben'ny Asa vaventy eto Mandritsara Ville halina. Tsindron'antsy teo amin'ny fony no nahafaty azy.

Iny alina iny ihany dia tonga ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo nijery ny razana, avy teo nentina tao amin'ny tranompaty eto an-toerana.

Androany no tonga naka ny razana ny fianakaviany ka nentina any Ambohitrialanana, Kaominina Antsira Centre.

Misokatra ny fanadihadiahana ny mety anton'izao famonoana izao.

 

Publié dans Tselatra

Tanimboly amina hekitara maro no dibo-drano vokatry ny rotsak'orana nisesy, ka nampihoatra ny reniranon'Anjingo. Lasibatra tamin'izany ny voly batata na vomanga 2 hekitara aty Antanandava, Kaominina Antsahabe, lo ao anaty rano.

 

Publié dans Tselatra

Mandeha ny fifampiraharahana ankehitriny rehefa tonga ny iraka avy any Ampanefena nitondra vola 30 tapitrisa Ariary, hanonerana ny volan’ilay “commissionnaire de vanille” very tao amin’ny hotely nipetrahany afak’omaly, nefa ny trano tsy vaky.

Nentin-katezerana ity “commissionnaire de vanille” ka niantso ny havany avy any Ambohangibe rehefa niala tampoka tao Antsirabe Nord izy mivady tompon’ilay hotely.

Nisy andian’olona maro tokoa tonga ary efa nikasa handoro ilay hotely androany maraina. Efa nisy tamin’izy ireo no tafahanika teny ambony tafo niaraka tamin’ny solika, nivonona ny handoro ilay hotely.

Efa eto an-toerana ny Zandary avy any Vohémar sy Sambava, manao fanelanelanana sady manokatra fanadihadiana ihany koa.

Publié dans Tselatra

Tezitra ny mpitatitra, tsy faly ny Zandary vokatry ny namotsoran’ny Fitsarana teto Toamasina ireo atidoha mpitora-bato fiara mandalo ao Brickaville, amin’iny lalam-pirenena faha-2 iny.

Niisa 11 ireo mpanao ratsy ireo, no voasambotry ny Zandary tao Brickaville. Anisan’ireo ny mpaniraka, izay vehivavy no lehibeny, voasambotra koa ireo mpikarama manatateraka ny tora-bato. Nihaiky ny helony izy ireo, tamin’ny famotorana, ary mavesatra ny fiampangana azy ireo.

Navotsotry ny Fitsarana ny 5, ka anisany ireo atidohan’ity tora-bato ity, notanana am-ponja vonjimaika ny 6.

Nivory maika tao Ambodivona Antananarivo ireo mpitatitra manao zotra Antananarivo-Toamasina androany sabotsy 25 novambra, manoloana io toe-javatra io.

Tapak’ireo mpivory tamin’izany, fa hitokona ny mpitatitra manao iny zotra iny amin’ny alarobia 29 novambra 2017, ho fanehoan’izy ireo ny tsy fahafaliany sy ny ahiahiny.

Mialoha izay dia hisy fihaonana amin’ny mpanao gazety hataon’ireto mpitatitra ireto eo Ambodivona amin’ny alatsinainy 27 novambra 2017, hanambaran’izy ireo izany.

 

Publié dans Vaovao

Lehilahy iray “commissionnaire de vanille” no very vola 30 tapitrisa Ariary tao amin’ny hotely nipetrahany. Tsy vaky anefa ny efitrano nipetrahany ; tranga niseho afak’omaly.

Nilaza ny hanolo ny vola ny tompon’ilay hotely. Nandositra niaraka tamin’ny vadiny indray anefa ny tompon’ilay hotely, fihetsika izay nahatezitra ny tompom-bola.

Nampiantso ireo namany sy ny fianakaviany avy any Amboahangibe ary dia tonga eto Antsirabe Nord, nivatsy solika, toa efa mivonona ny handoro ilay hotely.

Efa eto an-toerana ny Zandary avy amin’ny kaompania Vohémar tohanan'ny avy ao Sambava, mandresy lahatra hisorohana ny mety hisian’ny fifandonana na koa fanimban-javatra.

 

Publié dans Tselatra

Misy manota fady manjono amin'ny alina ka mitondra jiro eo amin’ny Vinanin'i Menagnara ao Betoafo Vangaindrano. Fady io vinany io anefa izany ka tezitra ny ao anaty rano ka efa nampitandrina ny Mpanjakan'Ny rano fa raha mbola mitohy dia hisy vonon-tany.

Efa vokatr'izany sahady ny tsy mampety mitsahatra ny firotsahan'ny orana ka mampiakatra ny rano amina tanàna vitsivitsy. Nanampa-kevitra ny Mpanjakan'Ny rano fa voasazy izay tratra manota fady, mbola manjono mitondra jiro amin'ny alina.

 

Publié dans Tselatra

Jacques Chirac, fraîchement élu à l’Elysée en mai 1995 sur le thème de la « réduction de la fracture sociale » touchant les Français et en nommant Alain Juppé, sa plume et bras droit, au poste de premier ministre afin d’exécuter ses promesses électorales.

Publié dans A la Une
samedi, 25 novembre 2017 08:32

25 novembre

Journée Internationale pour l'élimination de la violence à l'égard des femmes.

 

Publié dans Fil info