Filtrer les éléments par date : vendredi, 24 novembre 2017
vendredi, 24 novembre 2017 15:29

Assises régionales payées très chères

Durant son passage à Mahajanga le 05 novembre dernier, quelques jours après son élection au perchoir du Sénat, le président national du parti au pouvoir Rivo Rakotovao a annoncé l’organisation d’assise régionale durant ce week-end du 24-25 novembre.

Officiellement l’ordre du jour de cette assise sera l’établissement de la structure organisationnelle du Hery Vaovao ho an’i Madagasikara ou HVM ainsi que la désignation des présidents et des délégués qui œuvreront à Mahajanga et pour la région de Boeny.

Le ministre de la Communication et des Relations avec les Institutions, porte-parole du parti HVM, et coach de la région Boeny Harry Laurent Rahajason a souligné que le HVM « ne se contente pas d’œuvrer dans le secteur politique mais il agit également dans les actions de bienfaisance et sociales pour venir en aide à la communauté et le parti soutient aussi l’Etat Malagasy dans ses projets de développement ».

Ainsi le parti HVM fait appel à tous ses membres et toutes les personnes intéressées à venir assister à cette grande assise régionale qui aura lieu à Mahajanga. En plus, le parti HVM déclare ne pas faire de la discrimination et toutes personnes et parties prenantes souhaitant se rapprocher de lui et ayant la conviction de donner une nouvelle force pour Madagascar mais également pour eux-mêmes seront accueillies à bras ouverts.

Publié dans Editorial
vendredi, 24 novembre 2017 15:14

Vangaindrano: Hanao foaran’ny jirofo

Telo andro no hanatanterahana ny foaran'ny Jorofo eto Vangaindrano dia ny 1-2-3 desambra 2017, izay karakarain'ny Antenimieran'ny Varotra sy ny Indostria Atsimo Atsinanana.

Tanjona ny hanatsarana an'ity seha-pihariana jorofo ity, izay voly fanondrana mitana ny anjara toerana lehibe eo amin'ny toekarenan'ny Faritra Atsimo Atsinanana satria dia 3000 taonina eo isan-taona ny jorofo miala avy ao amin'ny faritra.

Hovoaboasana amin'ny alalan'ny famelabelarana arahina adihevitra ny tontolon'ny jorofo ho an'ny faritra Atsimo Atsinanana sy eto Madagasikara. Tsy ny jorofo ihany no haseho amin'io fa ireo vokatra mampiavaka ny Faritra Atsimo Atsinanana sy ny resaka kolontsaina ka ao ny nentim-paharazana sy miaraka amin'ireo mpanakanto goavana sy avy eto an-tanàna.
Hisy ihany koa ny lalao ara-panantahantena.

Efa mamaramparana ny taom-piotazana jorofo ny aty Vangaindrano amin'izao.

 

Publié dans Economie

Vono olona no niandohany. Tsy nanaiky ny havan’ny maty fa nitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka ity tovolahy iray ahiahiana ho tompon’antoka, izay voasambotry ny Zandary.

Tovovavy iray 16 taona no nisy namono tao Ambodivala, Fokontany Manakana ao Tsaratanana, Faritra Betsiboka. Tranga niseho ny fiandohan’ity herinandro ity. Nariana tao anaty rano ny faty taorian’izay. Tonga nitsirika ny razana ny dokotera sy ny Zandarimaria taorian’ny fampahafantarana nataon’ny ray aman-drenin’ilay tovovavy.

Nisy tovolahy iray nahiahiana ho nahavanon-doza. Efa niala tao an-toerana anefa io tovolahy io, nandeha taksiborosy. Nampandrenesin’ny Komandin’ny Kaompania Tsaratanana ny Zandary tao Morarano. Voasambotra ary nentina niverina tao Tsaratanana natao famotorana efa roa andro izay, raha ny fanazavan’ny Komandin’ny Kaompanian’ny Zandarimaria Tsaratanana, Tsaratiana Edgard Honoré.

Omaly alakamisy 23 novambra anefa dia nisy andian’olona nitondra antsy, fibara, saboa (lefona) nitaky ny hamoahana ilay tovolahy, hatao fitsaram-bahoaka. Nanazava sy nandresy lahatra azy ireo ny Kaomandan’ny Kaompanian’ny Zandary fa voararan’ny lalàna izany.

Publié dans Vaovao
vendredi, 24 novembre 2017 14:45

Zimbabwe: Emerson Mnangagwa investi de pouvoir

L'ancien Vice-Président Emerson Mnangagwa est investi ce jour, devant des milliers de personnes au stade national d'Harare, Zimbabwe, à la suite de la démission forcée par les militaires et la classe politique, de Robert Mugabe.

 

Publié dans A la Une

Nitsidika an’Antsirabe ny Governoran’ny Distrika 403B2 avy atsy amin’ny nosy La Réunion, Atoa Georges Chane-Tune, eo anivon’ny fikambanana Lions Club, nijery ireo fotodrafitrasa vitan’ny mpikambana eto Antsirabe, dia ny toeram-panasan-damba iray eny Andraikiba izay niarahana niasa tamin’ny Kaominina Antsirabe renivohitra.

Nambarany fa adidin’ny Govevernora toa izao no mitsidika ireo Klioba miisa 70 amin’ny Distrika hiadidiany ka izany no ahatongavany eto Madagasikara izao satria misy 40 ny klioba eto.

Manodidina ny 1.000 ny mpikambana amin’ireo klioba eto Madagasikara ka ny fanohanana ireo asa soa ataon’ny fikambanana no atao amin’izany satria tato anatin’ny 12 taona teo ho eo dia nahatratra 75.000 ny olona voadidy katarakta teto Madagasikara, ary asa soa maro teo amin’ny lafiny fahasalamana toy ny diabeta sy ny tontolo iainana no nataon’ny fikambanana.

 

Publié dans Sociale

Omaly 23 novambra 2017 tamin’ny fiandohan’ny tolakandro no nisehoan’ny loza, izay nanaitra ny mponina. Ilay renim-pianakaviana vao tera-bao no nifamonjena voalohany ka avotra soa aman-tsara.

Nilaza ny Chef Secteur eto Antanambao, Fokontany Antaimby fa tsy mbola fantatra aloha hatreto ny nahatonga ny afo, na ireo tompontrano aza tsy mahafantatra.

May avokoa ny entana, tsy misy tafavoaka na dia iray aza noho fihazakazaky ny afo izay efa saika niitatra tamin’ny tokantrano iray nifanakaiky taminy.

Mbola fasahiranana lehibe ny tsy fananan’i Sambava, izay renivo-paritry SAVA, na dia fiara mpamonjy voina iray aza.

 

Publié dans Tselatra

Saika tsy raikitra fa noraiketina tamin'ny ora farany ny fihaonan'ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka omaly alakamisy 23 novambra 2017.

Raha tokony ho tamin'ny folo ora maraina no hanomboka ny ady hevitra teo amin'ireo Solombavambahoaka sy ny teo anivon'ny governemanta dia efa tamin'ny 12 ora mahery izany vao noraiketina satria dia toy ny mahazatra azy, dia tara lava ny Praiminisitra Mahafaly Olivier, ka tezitra ireo Solombavambahoaka, satria alasafay fotsiny ny fihaonana, ny minisitra maro tsy hita, ny solombavambahoaka maro no tsy tonga.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 24 novembre 2017 09:50

24 novembre

Journée internationale de la Bible.

Publié dans Fil info