Filtrer les éléments par date : jeudi, 02 novembre 2017
jeudi, 02 novembre 2017 22:02

Vangaindrano: Olana ny tsenan'omby

Tsy afa-po amin'ny toerana namindran'ny Kaominina andrenivohitr'i Vangaindrano azy ireo ny mpivarotr'omby ka nilaza fa hifindra any amin'ny Kaominina ambanivohitr'Ampasimalemy izy ireo.

Nisedra olana mantsy izy ireo tamin'ny toerana namindrana azy voalohany satria misy olona milaza ho tompon'ny tany ka tsy namela azy ireny hivarotra ny ombin'izy ireo.

Ho famahana io olana io dia nidina teny ifotony ny lefitra faharoan'ny Lehiben'ny Distrika sy ny fiadidiana ny Tanànan'i Vangaindrano niara-nifampidinika tamin'ireo olona milaza fa tompon'ny tany eny Ampasimpotsy ka namaritra toerana vaovao eny ihany dia izao tsy ankasitrahan'ireto mpivarotr'omby ireto indray.

Manahy izy ireo sao hisy hanelingelina indray koa dia nisafidy ny hifindra kaominina izao. Ny Kaominina Ampasimalemy anefa mbola tsy manana fahazoan-dalana hanana tsenan'omby.

Tsiahivina mantsy fa natao toby fiantsonan'ny fiarakodia, izay mbola eo am-panamboarana amin'izao, ny tsenan'omby teo aloha eny Ampasimpotsy.

 

Publié dans Vaovao

Nikasa hanafika mpandraharaha iray tany amin’ny Chute de la Lily aty Ampefy izy ireo ny alahady alina teo. Efa nisy nanome vaovao mialoha anefa ny Zandary tao amin’ny Poste Avancé Analavory fa misy andian-jiolahy nikonokonona fanafihana niainga tao Ambalabe fokontany Tsarazaza.

Nanao ny velam-pandrika avy hatrany ny Zandary teo Ambatondramijay ka nifanehitra tamin’ireo jiolahy. Vantany vao tsikaritr’ireo jiolahy anefa ireo Zandary, raikitra avy hatrany nitifitra.

Lavon’ny balan’ny Zandary ny jiolahy iray. Nandositra ireo jiolahy ambiny. Nisy ny fifanenjehana ka voatifitra tany Ankenihenibe fokontany Amboniriana ny jiolahy faharoa.

Mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ataon’ny Zandary aty Analavory mikasika ireo jiolahy tafaporitsaka ireo.

 

Publié dans Vaovao

Efa telo andro mialohan'ny andro 01 novambra, izay Fetin’ny Olomasina ho an’ny mpino Katolika, no nivarotra ireto mpivarotra voninkazo plastika manoloana ny Jeunesse et Sport Mahajanga ireto.

Tsy mandeha ny tsena raha oharina amin'ny hatramin'izay, araka ny fanazavan'izy ireo. Zara raha mahalafo, mpanontany no betsaka fa tsy misy mpividy.

Tsy niova anefa ny vidin'ny voninkazo fa manodidina ny 1.000 Ariary hatramin'ny 13.000 Ariary no hamarotana ny iray amin'ireto voninkazo ireto ary ireo mpivarotra ihany no manamboatra azy, ny sasantsasany kosa no afarana avy any Antananarivo.

Efa-bolana mialoha ny volana novambra no efa miomana sy nanamboatra ireo entana hamidy ireto fianakaviana mivarotra voninkazo ireto.

Publié dans Sociale

Doro tanety tsy voafehy ka niitatra no nitarika ny fahamaizan’ity tanànan’ny Jatropha, iarahana amin’ireo mpandraharaha Sinoa nanomboka ny 2007, aty amin’ny Distrikan’Analalava omaly alarobia 01 novambra.

Nanomboka tamin’ny 5 maraina ny Fokonolona no efa namono afo, hariva ihany ny andro fa tsy maty ny afo.

 

Publié dans Tselatra

Potika ny lalam-pirenena voalohany mampitohy an'i Tsiroanomandidy (Bongolava) sy Maintirano (Melaky). Zara raha azo aleha indrindra amin'ny fotoam-pahavaratra. Sahirana hatramin’ny fiara tsy mataho-dalana noho ny haratsian-dalana.

Etsy ankilany, tsy sahy mandeha irery ireo fiara taksiborosy noho ny asa-dahalo izay manankan-dalana amin'iny lalam-pirenena iny, izay tsy mifidy fotoana fa na amin'ny andro mazava aza dia manao ny asa ratsiny hatrany ireo dahalo.

 

Publié dans Sociale

Avy Amina loharanom-baovao no nahafantarana fa misy lehilahy mampiahiahy manana basy taty an-toerana. Nidina ifotony avy hatrany ny mpitandro ny filaminana, ny alatsinainy 30 oktobra lasa teo, ary nanao ny fisavana ka voamarina ny loharanom-baovao azo.

Rehefa nosamborina ka nanaovana fanadihadiana ilay lehilahy milaza ho tompony dia nampiseho antotan-taratasy nolazainy fa ahafahany mitazona ity basy poleta ity, izay tsy mifanaraka akory ny taratasy efa tamin'ny fahagolan-tany.

Tazonina eny amin'ny Commissariat Central hatreto ilay lehilahy hanaovana fanadihadiana.

Hatreto, tsy mbola nisy mangirana ny mahakasika ireo jiolahy nitondra basy nanafika mpandraharaha teratany karana teny Mahajangabe. Mbola mitohy ny fikarohana.

 

Publié dans Vaovao

Taolam-paty milanja 120kg nitadiavana mpividy no tra-tehaky ny Polisy ny talata 31 oktobra. Dimy lahy, ka miaramila amperin'asa ny iray, no sarona tamin’io heloka bevava io, ary efa natolotra ny mpitsara mpanao famotorana.

Olo-tsotra no nanome loharanom-baovao ka nanamora ny fisamboran’ny Polisy azy ireo. Ary dia noraisi-potsiny. Tao Andranara, izay tanàna tsy lavitra an'i Tolagnaro, no nanafenan’izy ireo ny taolana, natao tao anaty gony sy kitapo “kit scolaire” vao nomen'ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ho an'ireo mpianatra.

 

Publié dans Vaovao

Omaly alarobia 01 novambra maraina no niseho ny loza. Ilay zaza irery no tao an-trano fa tany an-tsaha nanenjika asa kely, nanao asa “fleur” lavanila, Rtoa Soavazandry reniny. Indrisy anefa fa loza mahatsiravina no niseho.

Tsy fantatra hatramin’izao hoe, inona no niandohan’ny afo, fa efa ny trano mirehitra no nanaitra ny manodidina. Nifandrobahana novonoina nefa tsy avotra ka zazavavy kely telo taona may tao anaty trano.

 

Publié dans Tselatra

Natokana hitondrana am-bavaka ireo izay efa nodimandry ka milevina ao amin’ny fasan’ny Mahery fo Anjia Analamandrorofo omaly 1 novambra, izay fetin’ny Olomasina ho an’ny Fiangonana Katolika.

Nitarika izany tety an-toerana ny Vikera ao amin’ny EKAR Antanifotsy, Mompera Elysé, nangatahana famindram-po ho an’ireo rehetra efa nodimandry mba samy hahazo famonjena.

Fa nitaraina kosa ireo velona izay mikarakara ity fasan-drazana eo Anjia ity fa lasa fanarian’olona fako ety an-toerana.

 

Publié dans Tselatra

Nikasa hanakan-dalana ity dahalo ity no maty voatifitry ny Zandary. Nisy ihany koa ny voasambotry ny Polisy.

Distrika isan’ny mbola anjakan’ny asan-dahalo amin'ny halatr'omby i Maintirano. Misy ny paikady ataon’ny mpitandro ny filaminana hamongorana ny asan-dahalo mba hamerenana ny fandriampahalemana aty amin’ny Distrika aty, sy ny Faritra Melaky manontolo.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa