Filtrer les éléments par date : mardi, 14 novembre 2017

Ny Sampana Fivondronana Laika na ny SFL sy ny SEFALA Sekoly Fanomanana Laika dia mikarakara fifaninana mitory teny amin’ny endrika sy fomba vaovao mba hiantefa tsara any amin’ireo olona ampitana azy ny hafatry ny Vaovao Mahafaly.

Trandrahana amin’izany ny saina tia karokaroka ananan’ireo mpianatra sy mpiofana eo amin’ny SEFALA.

Misy hatrany moa ny tanjona amin’izany dia ny fikarohana ireo fomba samihafa ahazoana mapita ny Tenin’Andriamanitra, ny fampiasana ireo talenta ampitoboana ny fahafantaran’ny olona ny FJKM amin’ny ankapobeny sy ny SFL ary ny fandraisana anjara amin’ny famadihana ny tetik’asa Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara ho asa mba tsy hijanona ho teny filamatra fotsiny.

Publié dans Sociale
mardi, 14 novembre 2017 16:26

Hermaphrodite, transgenre ou androgyne

Un état d’Europe occidentale reconnait actuellement le 3ème genre après l’homme et la femme, c’est-à-dire que la loi dans ce pays agrée qu’il existe des personnes qui ne sont ni mâles ni femelles mais d’un autre genre.

En ce moment la science classifie en 3 catégories ce type de genre.
Hermaphrodisme, transsexualité (trangénérisme) et androgynie.

L'hermaphrodisme est un phénomène biologique dans lequel l'individu est morphologiquement mâle et femelle, soit simultanément soit alternativement. Il s'oppose au gonochorisme qui correspond au sexe séparé.

La transsexualité, appelée encore transidentité ou le transsexualisme, est le fait chez une personne d'avoir une identité de genre, autre que celle assignée à la naissance. La transsexualité est souvent définie comme une « sous-catégorie » du transgénérisme.

Une personne androgyne est un être humain, dont l'apparence (physique et/ou gestuel) ne permet pas de savoir clairement à quel sexe ou genre il/elle appartient. Le terme est aussi revendiqué, de manière moins courante, par certaines personnes qui revendiquent une identité de genre ni tout à fait masculine ni tout à fait féminine, quelle que soit leur apparence physique.

Publié dans Editorial

Notontosaina tetsy amin'ny Hotel Colbert Antaninarenina ny fihaonana teo anivon'ireo antoko politika maro samihafa nandinihina ny resaka Lalam-pifidianana.

Nohamafisin'ny rehetra tamin'izany ny ampisehoan'ny mpitondra ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana alohan'ny ametrahana izany eny amin'ny Antenimieram-pirenena.

Lalàna hifaneken'ny be sy ny maro, hoy hatrany izy ireo, no takiana fa tsy ny hevitry ny mpitondra ihany no atao, izay mety hitarika korontana mihisty aza aorian'ny ffidianana raha misy ny tsy milamina mialoha.

 

Publié dans Politique

Resabe eto Miandrivazo ity tranga niseho tamin'ny sabotsy 04 novambra 2017 teto an-drenivohitry Betsiriry ity. Teo anilan'ny tobin'ny zandary no namonoana tamin'ny fomba feno habibiana an'ilay miaramila, rehefa notondroina ho saika hanatanteraka asa ratsy.

Nalain'ireo miaramila namany ny vatana mangatsiakan'ilay maty. Mangingina tsy nisy tohiny ny raharaha, tsy nisy fisamborana ka mahatonga ny olona hametra-panontaniana hoe, angaha azo atao indray ny fitsaram-bahoaka ?

 

Publié dans Tselatra

Miitatra hatraty amin’ny Faritra Menabe ny vaky fasana amin’izao. Tao amin’ny Kaominina Bemanonga, Distrika Morondava dia fasana telo be izao no nisy namaky ny herinandro lasa iny. Razana maromaro no lasibatra tamin’izany, nangalaran’ireo olon-dratsy ny taolampaty, nisy hita ny sasany, heverina ho mbola nitadiavana mpividy.

 

Publié dans Tselatra

May kila hotohoton’ny afo tsy fantam-pihaviana ny sabotsy 11 novambra 2017 ny tanànan’i Tanambao Mahasoa, Kaominina Ankilivalo, Distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe. Vokany, olona miisa 400 no tsy manan-kialofana. Vary iray taonina lasa lavenona, potika ny fitaovan’ny mpianatra. Tsy nisy aina nafoy.

 

Publié dans Tselatra

Tovolahy iray manakana mpandeha moto sy bisikileta ary nitifitra avy any anaty ala ireo mpandalo izay heverina fa mitondra zavatra sarobidy amin'ny RN12A, mampitohy an'i Vangaindrano sy Taolagnaro, no voasambotry ny Zandary avy amin'ny kaompanian'ny Zandarimariam-pirenena. Eo amin'ny tananan'i Bekaraoka no nisy izany.

Tranga tsy dia fahita loatra io resaka fanakanan-dalana io fa dia maro ny manararaotra amin'izao tsenan'ny jorofo maresaka izao.

Tsy manaiky ny hanjakan'ny asa ratsy aty Vangaindrano ny Komandan'ny kaompanian'ny Zandarimariam-pirenena fa indrindra amin'izao taom-piotazana sy fanangonana jorofo izao.

Araka ny loharanom-baovao ihany dia efa jiolahy gaigilahy ifampitadiavana tany Antsiranana ity tovolahy ity ary efa tsy vahiny ny Fitsarana sy ny fonja.

Misy namany mpamatsy basy poleta azy avy eto Vangaindrano ihany.

“Mendrika ny omena sazy henjana”, hoy ny mponina aty ny olona tahaka io satria tsy hiova mihitsy.

 

Publié dans Vaovao

Hentitra dia hentitra ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent RAHAJASON fa dia hofohanana ireo mpanao gazety foza, ary hisy ny fandraisana andraikitry ny eo anivon’ny ministera mahakasika ny fanavaozana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety amin’io taona ho avy io raha nampiantso ny mpanao gazety teny Nanisana omaly alatsinainy 13 novambra izy.

Publié dans Politique
mardi, 14 novembre 2017 11:03

14 novembre

Journée mondiale du diabète.

Publié dans Fil info
mardi, 14 novembre 2017 08:03

Antsirabe: Mandeha ny fanorenana Gymnase

Raikitra ary efa mandeha ny asa fanorenana ilay “Gymnase”, hoan’ny Tanànan’Antsirabe. Tonga nitsidika ny fandehan’ny asa fanorenana moa ny mpanolon-tsaina manokan’ny Filoham-pirenena, Atoa Hugue Ratsiferana sy ny Lehiben’ny Faritra ary ny Ben’ny Tanànan’Antsirabe.

Nambarany moa fa tsy hisy fampandrosoana vanona raha tsy misy ny fikolokoloana ny tanora.

Hisy toeram-pilomanosana ity toerana ity ary azo handraisana fifaninanana iraisam-pirenena ihany koa haorina eto, toy ny toeram-pilalaovana baskety sy hand-ball izany, izay hanaram-penitra tokoa.

Publié dans Vaovao
B1 - Polyclinique
B2 - Toa