Filtrer les éléments par date : vendredi, 10 novembre 2017
vendredi, 10 novembre 2017 22:56

Ambatobe : Une tentative de kidnapping avortée

Encore une tentative de kidnapping au lycée français Ambatobe, dans le Vème arrondissement Antananarivo. Une fille aurait été la cible, mais les ravisseurs n’ont pas réussi à l’extirper ; fort heureusement ! 
 
La course poursuite est lancée pour retrouver les ravisseurs. Une voiture Kangoo utilisée par ces derniers s'est renversée. Le secteur du lycée a été  bouclé par la Police.
 
Les armes, pistolet MAB, laissées par les ravisseurs sont entre les mains des flics. D’où viennent ces MAB, type de pistolet français que les civils ne peuvent pas le détenir ? 
 
Publié dans Fil info
vendredi, 10 novembre 2017 22:50

10 novembre

Journée Mondiale de la science au service de la paix et du développement
 
La Journée du 10 novembre est aussi dédiée à la qualité et aux stagiaires.
Publié dans Fil info
vendredi, 10 novembre 2017 22:42

Tsimbazaza : Hatakalo 4X4 ny CLD ?

Mandeha ny resaka ankehitriny eny amin’ny Antenimieram-pirenena eny fa dia manangasanga any ny hahazoan’ireo depiote miisa 151 fiara tsy mataho-dalana isanisany mialoha ny hahataperan’ny fepotoam-piasany amin’ny 2018. 
 
Ho tambin’izay anefa, raha ireo resaka mandeha io hatrany, dia mety hihantona aloha ny fanomezana ilay vola ho an’ny CLD (Comité Local de Développement) fanome isaky ny Distrika.
 
Mitentina 200 tapitrisa Ariary izy io tamin’ny andiany voalohany, ary tokony hisy fisondrotany, mba nahafahana nanamboatra foto-drafitrasa toy ny lalana, tetezana, efitranon-tsekoly ary fampitaovana teny anivon’ny Kaominina samihafa. 
 
Raha izay tokoa no tanteraka dia hatakalo 4X4 indray izany izao ny fampandrosoana ny faritra. 
 
Publié dans Vaovao

Ho tontosaina etsy amin'ny Forello expo Tanjombato manomboka ny 16 novambra ho avy izao ny Salon de l'Habitat andihany faha 19.

Manodidina ny 120 eo ny mpandray anjara amin’izany ary aharitra efatr’andro ity hetsika ity ka tsy hifarana raha tsy ny alahady 19 novambra.

Saika natao ny 19 oktobra lasa teo moa ity salon ity, fa noho ny resaka pesta, dia izao ho tanterahina manomboka ny alakamisy 16 novambra izao indray, izay azon'ny rehetra tsidihina trano heva maro ampiranty amin'izany.

 

Publié dans Economie

Mitety haino aman-jery eto Fianarantsoa ny fianakavian'ity zaza marary tongotra efo ho 5 volana ity. Ny rainy, Randriamanantena Jean Fidelis no manao antso avo ho fanampiana ara-bola mba ho fitsaboana ny zanany.

Publié dans A la Une

Nandroba mpivarotra tsy lavitra ny vavahadin’ny sekoly, izay ianarany ity tovolahy kely, vao 14 taona ity, ka lasany tamin’izany ny poketra mena niaraka tamin’ny vola 56.000 Ariary.

Nisy nahatadidy ny tarehiny ka nisy nampandre ny Police Municipale. Raikitra avy hatrany ny tsongodia ka teo no nahatratrarana ity zazalahy ity tao ampianarana.

Natolotra ny mpitandro filaminana izay hanohy ny famotorana izy taorian’izany.

 

Publié dans Tselatra

Voatonotonona indray ny sampandraharahan’ny fonja amin’ny famoahana ireo olona voafonja na miandry fitsarana manao asa ratsy etsy sy eroa, eto Antsirabe.

Raha ny tranga nahoraka eran’Antsirabe mantsy dia nisy ny halatr’omby nitranga tany amin’ny Kaominina Ibity ny alin’ny talata 07 novambra lasa teo ka sarona tao am-balan’ny fianakaviana iray tao Verezambola ilay omby. Ny fanadihadiana nataon’iretsy farany avy eo no nahalalana ny anaran’ilay olona izay voalaza ho nametraka ireo omby ireo tao aminy tamin’io alarobia maraina io vao mangiran-dratsy.

Nitohy ny fanadihadiana ka tamin’izany no nahafantarana fa olona mbola miandry fotoam-pitsarana any am-ponja ity voatonotonona ity. Niara-namonjy ny fonja avy hatrany ny Zandary sy ilay raim-pianakaviana nahatrarana ireo omby halatra ka rehefa nojerena dia hita tao am-ponja ilay olona.

Publié dans Vaovao

Taorian’ny dian’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, Rahajason Harry Laurent, taty SAVA dia manomboka ny fanakatonana ireo haino aman-jery tsy miankina tsy manana fahazoan-dalana ara-dalàna hijoro aty SAVA, ataon’ny iraky ny Fanjakana foibe avy any an-drenivohitra izay tonga ny alarobia 08 novambra eto Sambava.

Nanomboka omaly 09 novambra tolakandro ny “opération” ka ny Feon’i Sambava, izay radio an’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha sady Sekretera jeneralin’ny antoko UNDD, Pr Manoro Régis no niharan’ny fanakatonana voalohany.

Miisa sivy ireo televiziona sy radio miorina eto Sambava. Mitohy ny fitetezana “station” ataon’ireo iraky ny fanjakana, manamarina ny atontan-taratasy fisokafan’ny onjam-peo.

Misamboaravoara ny tontolon'ny fanaovan-gazety eto an-toerana satria dia asarotina ny fahazoana alalana indrindra raha haino aman-jery mitsikera fitondrana.

 

Publié dans Politique

57 ireo anaty lisitry ny mpifidy ny 07 novambra lasa teo, 56 no vato manankery, 08 no isan'ny birao fandatsaham-bato ato amin'ny sampana Fitsarana aty Fianarantsoa.

Lany amin'izany toerana izany i ramatoa Harimalala Marie Laure. Izy no filohan'ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto an-toerana.

Roa izy ireo no nifaninana tamin'ny fifidianana izay ho solontena ao amin'ny CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature) na Filankevitra ambonin'ny Mpitsara.

Tontosa tsy misy fanoherana ny vokatra izany rehetra izany teto Fianarantsoa.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 10 novembre 2017 08:05

RN7

Un jeune magistrat du TPI Toamasina meurt dans un terrible accident de circulation ce jeudi 09 novembre 2017.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa