Filtrer les éléments par date : mercredi, 01 novembre 2017

Ankizy iray 7 taona no maty tsy tra-drano voafaokan’ny kubota nitondra saribao tao Bemarefo, Distrikan’Andilamena tamin’ny sabotsy atoandro.

Zaza nilalao teny amoron-dalana, ity tra-doza ity. Nisy zaza iray hafa, 4 taona, ihany koa niharan-doza niaraka taminy ka naratra mafy ary mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao.

Nitsoaka nankany amin’ny Zandary avy hatrany ilay mpitondra kubota taorian’ny loza.

Vita famotorana savaranonando ary tokony niakatra Fampanoavana omaly talata 31 oktobra teto Ambatondrazaka izy saingy tsy tontosa izany fa nihemotra.

 

Publié dans Tselatra

Taorian'ny fametraham-pialana nataon'i filoha teo aloha Honoré Rakotomanana dia niroso avy hatrany tamin'ny fifidianana ny filohan'ny Antenimieran-doholona ny tetsy Anosikely.

Lany tamin’ny isa 52 tamin’ny 55 nifidy i Rivo RAKOTOVAO ho Filohan’ny Antenimieran-doholona.

"Tsy nametra-pialana fa niato tamin’ny asako aho" hoy i Honoré RAKOTOMANANA raha nanambara am-pahibemaso teo amin’ny vahoaka malagasy izy ny tsy ahafahany manohy intsony izany asany izany.

Midika izany fa misy ambadika politika izao toe-javatra izao.

 

Publié dans Politique
mercredi, 01 novembre 2017 08:44

Antsenakely-Antsirabe: Nitrangana hai-trano

Nitrangana hai-trano androany tao Antsenakely, tsy lavitry ny toeram-pivarotan-tsolika TOTAL. Niainga tamina trano iray vao asiam-panitarana mifandray amina toeram-panaovamofo ny afo. Afo tamin’ny fandrahoan-tsakafon’ireo mpiasan’ny Karana manao ny trano no niavian’ny afo.

Vetivety ny fahatongavan’ny mpamonjy voina hany tokana eto Antsirabe dia ny an’ny orinasa Cotona izany. Tsy nisy ny fahasimbana fa voafehy haingana ny afo.

Vao tsy ela ihany koa no nisy fipoahana teo Antsenakely ka nahamaizana gropy nitondra jiro ihany koa.

Mahagaga ny olona moa ny ahafahana manorina toeram-panaovamofo tsy lavitra tobin-dasantsy toy izao, sy ny nahafantarana ihany koa fa fanorenana tsy nazahoana alalana na tamin'ny Kaominina na Fokontany ilay fanitarana trano.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 01 novembre 2017 08:39

Andro ahatsiarovana ireo maty

Ny 02 novambra moa no tena andro ahatsiarovana ireo efa nandao antsika, fa ny 01 novambra dia fetin'ny Olomasina.

Nefa ny 01 novambra no andro tsy fiasana dia anio no betsaka mandeha mamangy fasana, sy manadio ny toerana misy ireo havana efa nodimandry.

Efa miomakomana amin’ny fanateram-boninkazo arak'izany ny olona maro.

Milaza ireo mpivarotra fa dia tsy mandeha ny tsena noho ny antony fisian’ny PESTA, kanefa araka izany dia misy ihany ireo olona izay misafidy ny hanatanteraka izany.

Manodidina ny 15 000 ariary ka hatramin’ny 35 000ariary ny vidin’izany voninkazo izany.
Misy kosa anefa ny mora raha tahom-bonikazo fotsiny no vidiana.

 

Publié dans Sociale
B1 - Polyclinique
B2 - Toa