Filtrer les éléments par date : mardi, 10 octobre 2017
mardi, 10 octobre 2017 22:22

Antsirabe: Fandidiana maimaipoana

Toy ny fanaony isan-taona dia natomboka ny andron’ny 09 Oktobra ity indray ny fandidiana maimaipoana ataon’ny hopitaly Santé Plus Antsirabe sy ireo mpitsabo avy amin’ny fikambanana « Les enfant du Noma », avy any Frantsa.

Hiavaka ity fandidiana indray mitoraka ity, satria ankoatra ny efa fanaon’ireo manampahaizana avy ao amin’ny fikambanana amin’ny fandidiana ny loha sy ny hatramin’izay dia hisy ny fandidiana ihany koa ny ratsam-batana toy ny felatanana sy ny fela-tongotra, fa eo ihany koa ny fandidiana mihitsy ireo ratsam-batana manana fahasembanana, hoy i Dr Benja, lehiben’ny toeram-pitsaboana Santé Plus.

Fa amin’izao vanim-potoanan’ny pesta izao dia misy ihany koa ny fitiliana manokana ireo rehetra tonga miatrika ity fandidiana ity amin’izao fotoana.

Publié dans Sociale
mardi, 10 octobre 2017 22:00

Forello Tanjombato: Salon de l'habitat

Ho tanterahina eny amin’ny Forello Expo Tanjombato indray ny andiany faha 19 ho an’ny Salon de l’habitat, manomboka ny faha 19 ka hatramin’ny 22 oktobra ho avy izao.

Miisa eo amin’ny 550 ny trano eva miranty eny.

Publié dans Tselatra

Telo lahy mitondra basy PA sy antsy no nanafika tokantrano mpanao irony fandefasana vola sy fakana vola amin'ny alalan'ny finday irony androany talata 10 oktobra tamin'ny 6 ora sy 25 minitra hariva.

Mponina eny amin'ny Fokontany Tanambao Ambalavato ity fianakaviana ity ary manana kioska maro eto an-tampontananan'i Mahajanga. Lasan'ireo jiolahy avokoa ny vola 17 tapitrisa d'ariary.

Vehivavy iray no naratra mafy teo amin'ny lohany nototoin'izy ireo tamin'ny vodi-basy. Nentina avy hatrany eny amin'ny hopitaly Androva ity vehivavy naratra ity.

Tsy mbola nisy voasambotra ireo jiolahy ireo na tonga ara-potoana ihany aza ireo polisy. "Versement" rehetra sy vola notehirizina tao antrano moa ireo very ireo.

 

Publié dans Tselatra

Tamin'ny telo tolakandro no niseho ny loza. Maro ny zavatra simba. Olana ny fitadiavana rano nentina namonoana ny afo.

 

Publié dans Tselatra

Manohitra ny fanendrena provizera vaovao izy ireo. Efa vita na izany aza ny famindram-pitantanana teo amin'ny provizera teo aloha sy ny vaovao.

 

Publié dans Tselatra

Hisorohana ny mety ho fiparitahan'ny valanaretina pesta dia nanapa-kevitra ny hampiato ny fitondrana razana ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar, tsy mitondra ihany koa olona marary na ahiahiana ho voan'ny pesta.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 10 octobre 2017 21:37

KMF-CNOE / FES: Débat Constitutionnel

Le KMF-CNOE et le FES organise un débat sur la révision constitutionnelle à Madagascar ce 11 octobre 2017 à 15h30 à l'Hôtel Carlton Salle Ravinala.

 

Publié dans Politique
mardi, 10 octobre 2017 21:36

910

Numéro unique d'Urgence Peste

Publié dans Fil info

Nivoaka tamin'ny fahanginany androany ireo mpianatra manohitra ny fitokonana ka nanao fanambarana androany talata maraina teo. Tsy ankasitrahan'izy ireo ny fitokonana satria efa nisy ny fifanatonana tamin'ireo tompon'andraikitry ny oniversite ary nambaran'ireto mpianatra ireto fa efa nivaha ny 90 isan-jaton'ny fangatahan'izy ireo.

Efa ho avy ny vatsim-pianarana roa volana farany ary tsy misy araka ny voalaza ny fandroahana mpianatra hiala amin'ny trano, tsy mbola misy ny taratasy manaprofo izany.

Omaly alatsinainy hariva, nisy indray ny fifanatonana teo amin'ireo mpampianatra eny amin'ny oniversiten'i Mahajanga sy ny solontena roa avy isaky ny fikambanana avy amin'ireo mpianatra. Rava maina indray anefa io fivoriana io satria tezitra noho ny fihetsika feno tsy fanajana nataon'ny sasany tamin'ireo mpianatra ireo mpampianatra ka nivoaka ny efitrano.

Publié dans Vaovao

La Journée Mondiale de la santé mentale est aussi célébrée tous les 10 octobre chaque année.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa