Filtrer les éléments par date : lundi, 09 janvier 2017

Ritra tanteraka ny rano. Raha ny teny Ampasika manokana dia raikitra ny fisakana trondro, maro ireo nahazo betsaka.
Misy ireo mitsingevana fotsiny.

Nampitandrina ihany ireo tompon'andraikitra amin'ny fihinanana ireny trondro ireny sao efa maty, nefa tsy voasakana ny olona.

Maro ireo avy dia mihinana, ao kosa ny mivarotra izany. Misy mivarotra 2000 Ariary ny kilao ary ny hariva teo dia efa niakatra ho 5000 Ariary

Publié dans Tselatra

Maharary ny tsy fahazoana ny valinkasasarana mifanaraka amin’ny 15 taona niasana sy ny mihoatra hoy ireo Zokiolona mitambatra Miray Misotro Ronono ny sabotsy 7 janoary 2017, raha nankalaza ny faha-10 taonan’ny fikambanany sy nifampiarahaba tratry ny taona izy ireo tao Manga Mahajanga.

Zokiolona mitambatra mpandray fisotroan-dronono ao amin’ny CNAPS eto Mahajanga izy ireo ary namoaka ny hetahetany nandritra izao fihaonana izao. Satria voalazan’izy ireo fa na dia misy aza ny famoahana ny lalàna fampiharana mikasika ny fanatsarana momba ny volan’ny fisotroan-dronono, dia mbola tsy misitraka izany izy ireo ary feno fanahina amin’ny hahatanteraka izany.

Tsy hanatanteraka fikorontanana eto amin’ny firenena ny Zokiolona sy ny fikambanana hitambaran’izy ireo satria tsy manao politika fa fitakiana ny rariny sy ny hitsiny ho an’ireo efa misotro ronono ary tsy manaiky ny hanaovana ambanin-javatra ny Zokiolona fotsiny no tanjona, hoy ny filohan’ny fikambanana, Rahamahasambatra Joseph.

Publié dans Sociale

Isan’ireo mpikatroka fantadaza eo amin’ny taranja moraingy ao amin’ny Fokontany Antanambao-Sotema i Flavien na Lalavy.

Nisy ny lalao nandraisany anjara omaly alahady hariva ka nivoaka ho mpandresy i Flavien. Nody nanatitra ny vola sy ny loka azony tany amin’ny vady aman-janany.

Ora vitsy taorian’izay, dia niera tamin’ny vadiny i Lalavy mba hivoaka kely. Tany anefa izy dia tsy niverina, fa ny vatany efa nitsirara tao anaty rano maloto, tsy nisy aina intsony no hitan’ny olona androany maraina.

Eo ampelan-tananan’ny mpitandro ny filaminana ankehitriny ny raharaha.

 

Publié dans Tselatra

A cause d'une surcharge, le minibus transportant des jeunes supporteurs de foot-ball d'Ambodivoara Sambava s'est retrouvé dans un ravin dans la zone de Masiaposa, 8km d'Andapa hier dimanche 8 janvier.

Le chauffeur était mort sur le coup, un jeune se trouve un bras cassé, les autres sortis indemnes.

Cette équipe a déjà eu le même accident le 18 décembre 2016 et il y avait eu un mort aussi parmi ses supporteurs.

 

Publié dans A la Une

Jiolahy roa no tra-tehaky ny tompony teo ampiotazana lavanila tany Andampy Antalaha alina ka avy hatrany dia notifiriny.

Voa teo amin’ny tongony ny iray ka lavo. Nandositra ny namany saingy tsy lasa lavitra dia tratra ka niharan’ny fitsaram-bahoaka rehefa taitra ny manodidina, izay efa mandry tsy lavo loha noho ny firongatry ny halatra lavanila tato ho ato.

Efa eo ampelan-tanan’ny Polisy ny raharaha izay nanokatra fanadihadiana. Nibaboka ireo jiolahy fa efa misy olona mpandray ny lavanila halatra avy amin’izy ireo ka 7.000 Ariary ny kilao ividianany azy.

 

Publié dans Tselatra

28 ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana eo anivon'ny Polisin’ny FIP Fianarantsoa tao anatin'ny fidinana miisa 23 nataony teo anelanelan'ny volana jolay 2016 ka hatramin'ny desambra lasa teo.

7 kosa ny olona maty ka ny 2 tamin'izany dia ireo dahalo tratra tao Soaindrana Distrikan'i Vohibato izay niharan'ny hatezeran'ny Fokonolona.

50 no isan'ny antso nataon'ny olontsotra ho famonjena azy ireo nandritra izay vanim-potoana izay, ny 10 tamin'ireo fidinana ifotony no tsy nazahoam-bokatra.

Publié dans Sociale

Tsy misy pastora voaongana. Voavela ny helok'izy rehetra. Tsy misy sinodam-paritany SPAVA Vaovao fa tokana tsy mivaky ny FLM. Tsy misy fanomezan-dalana fisintahana Fiangonana fa averina amin'ny fiangonana reniny izy rehetra.

Ireo ny famintinana ny fandaminana nataon’ny filohan’ny FLM Pastora Dr Rakotonirina David taty SAVA.

Ho an’Andapa dia afindra ao amin’ny fitandremana Bemanevika Fileovana Sambava ny pastora Berger. Averina ao amin'ny fiangonana reniny ireo mivavaka ao amin’ny Lycée mixte. Ao Ampanefena dia nampihavanina ny Kristianina sy ny pastora Théophile.

Eto Sambava afindra toerana any Ampahana fileovana Antalaha ny pastora Niry. Averina ao Ampandrozonana ireo mivavaka ao amin’ny Business Center.

Publié dans Sociale

Tsy misy afa-tsy iray ihany ny ekipa baskety eto Sambava amin’izao dia ny ABBS Académie Basket-Ball de Sambava. Tsy afaka miroso amin’ny fananganana na fanavaozana ny birao anefa raha tsy manana ekipa roa farafahakeliny. Efa atomotra ihany koa ny fanavaozana ny federasiona.

Nahoana no mitsilopilopy ny eo amin’ity sehatra ity eto amin’ny renivohitra ny Faritra SAVA, ao Antalaha irery ihany no mba manana ekipa baskety telo, fa Andapa sy Antalaha ary ny eto Sambava dia samy tokana avokoa. Ny tanora ve no tsy rototra sa ny fitantanana ity taranja ity no mila hatsaraina ?

 

Publié dans Sport

Mpamily fiara mpitatitra iray no voalaza fa nodarohan’ny Zandary tany Masiakampy, Kaominina Anosimena, Distrikan’i Miandrivazo omaly alahady 08 Janoary 2017. Tsy nahatsiaro tena ranamana ka dia nentina novonjena tao amin’ny hopitaly Atsimo-Antsirabe io alin’ny Alahady io ihany.

Araka ny nambaran’ilay voadaroka rehefa afaka niresaka izy dia mpamily no asany ary simba ny fiara fampiasany ka niangavian’ny namany, izay mpiara-miasa aminy izy, mba hiara-dia amin'izy ireo ho any Miandrivazo hanatitra entana, satria mpitatitra mampitohy an’i Masiakampy-Miandrivazo izy ireo.

Publié dans Vaovao

Manoloana ny zava-misy any Antsohihy sy ho fahalalana ankapobehany dia misaotra ny namana mpahay lalàna mitondra fanazavana.

Tandremo fa tsy misy hifandraisany amin'ny fanadihadihana any an-toerana ity fanazavana tsotra ity.

Tsy autopsie tsotra fotsiny no atao fa exhumation suivie d'autopsie satria EFA NALEVINA ilay razana. Noho izany, dia tsy maintsy mamoaka DIDY AHAFAHANA MANAPONGATRA RAZANA MBA HOZAHANA (Ordonnance d'exhumation aux fins d'autopsie) ilay Juge d'Instruction.

Amin'izay fotoana izay, rehefa hotanterahina io Didy io ka ho sokafana ny fasana hakana ilay razana dia TSY MAINTSY MANATRIKA eo ny Zandary/Pôlisy, ny TOMPOM-PASANA sy ny Mpitory (Plaignant) ary ilay Voampanga na ny Avocat-any.

ILAINA IZAY amin'ny IDENTIFICATION VISUELLE AN'ILAY RAZANA.Sao sanatria mantsy dia FATY HAFA NO NOFONGARINA.

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa