Filtrer les éléments par date : vendredi, 06 janvier 2017
vendredi, 06 janvier 2017 20:01

Iavoloha: Fihetsiketsehana manokana

Nisy mihitsy moa ny fihetsiketsehana manokana anehoana fa tompon-trano izy ireo ary tsy misy miadiady izany ireo manodidina ny Filoha sy ny manodidina ny vadin'ny Filoha.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 06 janvier 2017 19:28

Iavoloha: Fifampiarabana

Tonga nifampiarahaba teny amin’ny lapam-pirenena Iavoloha androany, ny filoha sy ireo andrim-panjakana rehetra.

Nisy moa ny kabary izay nifandimbiasana, ary dia hita fa tsy dia nisy loatra ny fiovana tamin’ireo laha-teny izay noentin’izy ireo.
Nilaza ny filoha fa ampiakarina 7% ny karaman'ny mpiasam-panjakana.

Anisan’ny tsy tazana teny ny teo anivon'ny vondron'antoko MAPAR.

 

Publié dans Tselatra

Nampidera ny heriny eran'ny tananan'i Mahajanga indray ireo andian-tanora misetrasetra sy mpanakorontana ny harivan'ny talata lasa teo.

Manao andiany izy ireo manodidina ny roapolo eo ho eo miaraka amin'ny zava-maranitra, miandahy miambavy. Teny Mahabibo Kely no tena nahitana azy ireo nihazo an'i Mahavoky Avaratra ary nilaza fa misy olona karohin’izy ireo raha ny nambaran'ny manodidina.

Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy ka vetivety dia niparitaka izy ireo, nisy ihany anefa ireo voasambotra ka nanondro ny namany avy eo.

Anisan' ny mampirongatra ny fifanafihan'ny andian-tanora isam-pokontany ny fifaninanana toy ny ady baolina kitra toy ilay niseho tao Mahavoky sy Tsararano.

Ho hentitra ny fanaraha-maso ireny mpikarakara hetsika ireny manomboka eto raha ny nambaran'ny talem-paritry ny polisim-pirenena ary ho tompon'antoka tanteraka amin'izay korontana mety hiseho vokatr'izany izy ireo.

 

Publié dans Tselatra

Tapaka ny jiro teto Sambava androany, ka io tolakandro io vao nandeha. Sady tsy nahita no tsy nandre ny lanonan’ny Asaramanitra teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny mponina teto an-toerana.

Nandefa fialan-tsiny ny Jirama fa noho ny tsy fahampian’ny solika indray no antony, ary mbola hitohy hatramin'ny rahampitso sabotsy sy ny alahady izany fahatapahan-jiro izany mandritra ny andro.

Amin’ny 6 ora hariva ka hatramin'ny 10 ora alina no mandeha ny jiro.

 

Publié dans Tselatra

Vao niandoha ny taona 2016 lasa iny dia efa nitrangana faty olona. Tera-tany frantsay 53 taona, nanantona ny tendany tamin’ny tady tao an-tranony taty Sainte-Marie, noho ny famoizam-pony tamin’ny fandaozan'ny sakaizany azy.

Teo koa anefa ilay famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Romain sy Magalie izay mpiaro ny trozona mandalo aty Sainte-Marie isan-taona. Mbola eo am-pelatanan’ny fitsarana Toamasina ny raharaha na efa nahazo fahafahana vonjy maika aza ilay tera-tany frantsay sy ilay tale-na banky voaroiroy tamin’izao raharaha izao. Olona dimy hafa mbola mifonja vonjy maika ao Ambalatavoahangy amin’ity raharaha ity.

Publié dans Sociale

L'enquête sur le décès tragique de la jeune Karana, Souhana, continue. Le corps de la défunte a été exhumé de son caveau familial à Mampikony.

Pour rappel, le 31 décembre 2016, la jeune femme est décédée dans une circonstance tragique. Le corps a été transporté le jour même à Mampikony et enterré le 1er janvier 2017.

Arif Djo, le mari est sous mandat de dépôt.

Les juges en charge du dossier procèdent actuellement à une contre-expertise par autopsie pour pouvoir répondre à la question "meurtre ou suicide"?

Publié dans Fil info

Raikitra ny sahotaka teny amin’ny Fiangonana MIARA-MIVAVAKA Manarintsoa Anatihazo noho ny antony fiadiana tany izay tsy fantatra mazava ny tena tompony fa dia samy milaza ho tompony avokoa na ny andaniny na ny ankilany.

Ity tany ity moa dia nampiasain’ny Fiangonana izay voalaza etsy ambony ireto izay efa ela ihany, koa amin’izao fotoana dia misy milaza fa azy ny tany, tsy nanaiky araka izany ireto mpino izay milaza ihany koa fa tompon’ny tany sy ny toerana ka dia raikitra ny savorovoro.

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2
B1 - Polyclinique
B2 - Toa