Filtrer les éléments par date : samedi, 28 janvier 2017

Teto Antarandolo akaikin'ny hôtel Mini-croc no nitranga ny lozam-piarakodia ny zoma 27 janoary, tamin'ny 12 ora alina hifoha ny sabotsy. Tsy nisy naratra be, fa fery tsotra ihany fa ny fiaran'olona sprinter iray teo amin'ny sisin-dalana no voafoaka dia nisy simba be ny lohany nefa fiara saika hiandrasana mpividy.

Publié dans A la Une

Ny tarika Rossy no tonga nanafana ny lanonana fampahafantarana an' O'Phare, trano fandraisambahiny sy fisakafoanana eny Andrainjato, ny alin'ny zoma 27 janoary.

Mitombo iray ny toerana azo anatanterahana hetsika havorian'olona arak'izany.

Manana ny lanjany ara-toekarena izany satria manao asa fiompiana akoho sy ondry ihany koa ireo mpandraharaha mitantana azy.

Mipetraka ho fanamby lehibe mila fehezina araky ny zava-misy ifotony izany hoan'ny fampiasam-bola tahaka itony.

Noheverina fa tanàna matory i Fianarantsoa hatramin'izay. Nolazaina fa toerana andalovan'ny vola fotsiny ihany izy tao anatin'ny taona maro. Vitsy ireo olona vonona ny hanangana fotodrafitrasa fandraharana maharitra tahaka itony.

Teto dia liana amin'ny fiaraha-miasa sahady ireo olona tonga nanatrika izany fotoana izany raha ny resaka nifanaovan'ireo vahiny namaly ny fanasana.

 

Publié dans Economie

Roa andro ny faharetan'ny fampijaliana nataon'ny mampiasa an'i Benaivo ka ny lehiben'ny Fokontany no nandray andraikitra vao nitsahatra izany.

Ny Kaomisera lehiben'ny sampana ao amin'ny zotran-dalamby FCE kosa no namaha ny rojo sy fatorana nitazona azy tsy ho afaka manohitra.

Raha tsiahivina moa, dia entana very tao amin’ny Epi-Bar iasan’ilay tovolahy, noho ny vaky trano nitranga ny 20 janoary 2017, no nampisafoaka ilay mpampiasa, ka nitazonany an'i Benaivo ho tompon’antoka tamin’izany, na nandà mafy izany aza ny tovolahy.

Ka tamin'izany no nanondrahan'ity mpampiasa azy ity rano mangotraka.

Publié dans Sociale

Velombolo ireo mpamboly vary izay niandry izany ho matoy tsara vao miditra amin'ny fijinjàna. Orana roa andro izao no efa nirotsaka teto amin'ny tananan'i Fianarantsoa sy ny manodidina ka ny fiandohan'ny herinandro ho avy vao afaka mijinja ireo mpamboly vary, somary tara ny tetiandrom-pamokarana.

Mitohy ny kotroka sy ny rotsak'orana eto an-tanàna amin'ity andron'ny sabotsy ity. Afaka ny haintany sy ny tanin'andro manevokevoka aloha hatreto.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 28 janvier 2017 21:28

Anjozorobe: Vokatry ny fandehanana mafy?

Hatreto dia 47 no maty ary 24 naratra tamin'ilay lozam-piarakodia tao Anjozorobe anio maraina 28 janoary 2017.

Naratra kely ny handrin'ilay mpamily fa anisan'ireo tafavoaka tao anaty rano izy.

Raha ny fanadihadiana voalohany dia vokatry ny fandehanana mafy no nampivarina ity kamiao nitondra fianakaviana resaka mariazy ity. Tsy voatanany ny familiana rehefa niditra fiolanana, nefa nisy tetezana 6m ny haavony nitsena azy tao.

Mbola mandeha moa ny fitadiavana ireo tsy mbola hita, ary ho fantatra eo ihany ny tena marina rehetra.

Hatreto dia efa mipetraka ny fanontaniana hoe, nahoana ny kamiao mpitondra entana no hitondra olona 50 hamonjy mariazy?

 

Publié dans Tselatra

Le nombre des victimes de l’accident de la route survenu ce matin du 28 Janvier 2017 au niveau du pont de la rivière Mananara, à l’entrée d’Anjozorobe, n’a cessé d’augmenter au fil des heures. Tout au long de l’après-midi, de nouvelles découvertes macabres ont eu lieu, ramenant à 47 le nombre de corps sans vie recensés à 17h. On compte aussi 24 blessés.

Le nombre exact des passagers qui se trouvaient dans le camion au moment de l’accident n’a pas pu être déterminé de manière précise. Le poids-lourd accidenté est un véhicule de transport de marchandises n’est nullement destiné à transporter des passagers.

Pas moins de 6 familles ont été totalement décimées (parents et enfants décédés) lors de ce drame.

Publié dans Fil info
samedi, 28 janvier 2017 20:41

Accident à Anjozorobe

47 morts 3 disparus

Publié dans Fil info

Famaranana ny fampianarana ny bokin’ny Apokalipsy tao amin’ny fahitalavitra Viva sy ny onjam-peo Fanambarana eto Mahajanga rehefa naharitra enim-bolana no nanamarihana io faha 20 taonan’ny Fiangonana tarihin’ny Pasteur Mailhol io androany.

Nisy koa fanaovana batisa olona miisa 60 mianadahy mahery resy lahatra fa hanaradia ity finoana ity.

 

Publié dans Tselatra

Le District d’Anjozorobe, Région d’Analamanga s’est réveillé ce matin avec un terrible accident à Ambongamarina sur la route nationale numéro 3.

Un camion transportant une famille en partance vers la Commune d’Ambatomitokona en vue d’une cérémonie de mariage, a mal négocié un virage très tôt vers 5 heures 30mn, et tombé sous le pont de Mananara.

Bilan provisoire : 35 personnes y ont perdu la vie dont des enfants.

Ce midi trois personnes se trouvent encore dans le sable mouvant, le camion aussi.

 

Publié dans Fil info

Nitondra olona efapolo avy namonjy lanonana ity fiarabe ity no nivarina ao anaty rano eo ampidirana atsimon’ny tanànan’Anjorobe io maraina io. Maro ny namoy ny ainy. Mitohy ny famonjena sy fikarohana ireo olona ao anaty rano.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2