Filtrer les éléments par date : mercredi, 25 janvier 2017
mercredi, 25 janvier 2017 14:49

Fantatrao ve: Dina sy Fitsaram-bahoaka ?

Isaorana hatrany ny namatsika manam-pahaizana manokana momba ny lalàna mitondra fanazavana eto amintsika.

Ny DINA dia fitsipika ifampifehezana ara-piarahamonina ("convention sociale") lanieran'ny besinimaro. Voafehin'ny Lalàna velona manan-kery ny Dina.Izany hoe, NY DINA DIA TSY MAHAZO MIFANOHITRA VELIVELY AMIN'NY LALàm-PANJAKàNA.

Tsy izay te-hanangana DINA tsy akory dia manangana avokoa.Fa tsy maintsy misy ny drafitra arahina arakaraka ny velarana mampanankery ny DINA: mandalo amin'ny fokontany, Commune, Région, sy ny solontenam-panjakàna (Chef d'arrondissement, chef de District, Préfet) aloha ilay volavola-na DINA lanin'ny besinimaro ("Projet de DINA").

Avy eo dia alefa any amin'ny FITSARàNA MBA ANKATOAVINA.

Izany hoe, JERENA NA MIFANARAKA AMIN'NY LALàNA MANANKERY NA TSIA NY VOALAZAN'ILAY DINA. Izay mifanohitra amin'ny lalàna dia esorina avy hatrany. Rehefa nankatoavin'ny Fitsaràna ny DINA dia izay vao manan-kery ka azo ampiharina.

TSY MITOVY VELIVELY NY DINA SY NY "FITSARAM-BAHOAKA" mpiseho ankehitriny.

Ny DINA dia MIFANARAKA AMIN'NY LALàna ary misy rafitra voatondro mazava mampihatra azy.

Araka izany, Ny DINA dia TSY MAMPIHATRA SAZY ARA-BATANA VELIVELY (Ohatra: Vono, Kapoka, fanapahana tanana, fanapahana lohan'olona, famonoana ho faty....).

Afaka MIARO TENA toy ny any amin'ny Fitsaràna ka MITONDRA FANAZAVANA ny olona alohan'ny iharan'ny VONODINA (sazy apetraky ny DINA).

Izany hoe, ny FAMPIHARANA NY DINA MANAN-KERY DIA TOY NY FITSARàNA IMASOM-BAHOAKA MIHITSY.

Publié dans Editorial
mercredi, 25 janvier 2017 14:02

Fiaraha-miasa HCC - OIF

Tonga nanamafy ny fiaraha miasa tamin’ny HCC ny OIF izay nanolotra solosaina miisa 9 sy logiciel miaraka aminy.

Izany dia notontosaina tao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny talata 24 janoary 2017.

 

Publié dans Tselatra

Isan’ireo Fokontany mijaly rano fisotro eto Mahajanga i Mahavoky Avaratra. Antitra efa 40 taona ny vovo-drano iray eo afovoan-tanàna ary io no atsakan’ny mponina rano. Mihotsaka anefa ny vato manodidina io vovo-drano io ka ahiana ny hitera-doza, malemy rahateo ny tany misy azy.

Nitaraina ireo vahoaka fa tsy nisy tompon’andraikitra tonga. Ny solombavambahoaka MAPAR voafidy teto Mahajanga I, Rahantanirina Lalao na Nina no nanapa-kevitra fa hanamboatra io vovo-drano io ary hasiana jiro manazava ny toerana, rehefa avy nijery ny zava-nisy teny omaly talata hariva.

Publié dans Tselatra

L’INSTAT (Institut National de la Statistique) procédera au recensement général de la population malagasy à partir du mois de mars 2017.

Le dernier recensement national remonte en 1993.

Publié dans Fil info
mercredi, 25 janvier 2017 12:17

Justice : Qui veut couler Alain Ramaroson ?

Encore une fois, le président national du parti Masters, Alain Ramaroson est devant la barre ce mercredi pour une autre affaire lui concernant.

Il est placé en détention provisoire à la Maison Centrale Antanimora depuis le 3 août 2016, suite à la plainte de sa nièce contre lui pour faux et usages de faux sur une affaire de terrain familial.

Mais à priori l'affaire est devenue politique, et ses proches ne s'y attendaient pas du revirement de la situation.

 

Publié dans Fil info

Raha teo Ampatsakana-Boriboritany I no nokasaina hanorenana ny trano hisy ny foiben’ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) dia eny amin’ny “Boulevard de l’Europe” Ankorondrano-Boriboritany III indray no hisy izany.

Notanterahina androany ny fametrahana ny vato fototry asa fanorenana.

Publié dans Tselatra

Fandefasana mpiasa any Arabia- Saodita : 7 vavy saron’ny Zandary saika hiondrana an-tsokosoko.

Efa teny Ivato izy ireo no tra-tehaka ny alatsinainy 23 janoary 2017. Avy eto Mahajanga izy fito vavy ireo ary mikasa hifindra manonina tanteraka any Arabia-Saodita raha ny nambaran’izy ireo.

Tambazotra iray eto Mahajanga no nikononkonona ny fandefasana azy ireo. Raha nahare ny vaovao anefa ny ray aman-drenin’izy fito vavy ireo dia nitady fomba rehetra ahafahana mamerina ny havany eto Mahajanga.

Publié dans Tselatra

Ny 31 janoary ho avy izao no hankalaza ny faha-90 taonany i Soeur Suzanne BARBOT.
Ao amin'ny Tranonankohonan'ny masera Filles de la Charité ao Manovosoa Ampahidrano - Fianarantsoa no hanatanterahana ny lamesa fanamarihana izany.

Efapolo taona mahery nanaovana iraka eto Madagasikara izy, mpitsabo manokana ireo zaza menavava sy ankizy madinika.
Manampy amin'ny fikarakarana ireo olona manana aretinkoditra toy ny boka sy ny manana fahasembana ihany koa izy.

Mbola mandray asa kely ihany i Masera Barbot amin'izao fotoana izao. Izy no isan'ireo iraka na missionnaires naharitra eto Madagasikara amin'izao fotoana izao.

Publié dans Tselatra

Ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier no nitarika ny mpitondra Malagasy nitsena ny Filoha Tiorka Recep Erdogan teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny talata 24 janoary tokony ho tamin’ny 11 ora alina.

Hatreto mbola baraingo ny tena ao ambadiky ny diany eto sy ny delegasiona aman-jatony miaraka aminy, sa hiara-hankalaza ny faha-3 taona (25 janoary 2014-25 janoary 2017) niakaran’i Hery Rajaonarimampianina eo amin’ny fitondrana.

Publié dans A la Une

Hivory androany tolakandro eto Fianarantsoa ireo mpiasa nivoaka tao amin'ny IMATEP (Ivotoeram-pirenena momba ny teti-pivoarana) monina eto an-toerana.

Tanjona ny fanamafisana orina ny firaisankinan'ny samy mpikambana. Maro ny zavatra hodinihin’izy ireo mandritra ity fihaonana ity.

Publié dans Tselatra