Filtrer les éléments par date : lundi, 23 janvier 2017

Tsy mandry fahalemana ny ety amin’ny faritra iva noho ny antony fisian’ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy ety an-toerana.

Etsy amin’ny faritr’Isotry iny izao dia misy andian’olona lahy sy vavy izay mody manao ireny lalao LOTO ireny, ka ny lahy mitily ny mpandalo ary ireo vehivavy milalao LOTO sady mijery sy mahapafantatra raha misy mpitandro ny filaminana miaodiaody.

Maro no efa voa ka mitondra fitarainana amin’ny fokontany sy ny polisy, ary efa nisy fotoana nandravana ireto adihin’olona ireto, nefa izao miverina izao indray, mandeha ny feo fa dia tsy matahotra an’izay polisy izy ireo.

Publié dans Sociale

Efa samy nindaosin’ny fahafatesana avokoa ny ray aman-drenin'i Prévis ary vao herintaona monja izy dia narian’ny havany izay tokony hitaiza azy.

Fifia, renim-pianakaviana iray mipetraka ao Betsizaraina distrikan’i Mahanoro no naka an’i Prévis teny antsisin-dalana. 8 taona ity zaza ity ankehitriny nefa tsy mbola nandia sekoly, etsy ankilany dia mihamafy ny olany eo amin’ny fahitana.

Tsy nanana olana tamin’ny fitaizana azy ilay renim-pianakavina nitsetra ka nandray hitaiza azy saingy tojo fahasairanana rehefa nampiditra azy teo amin’ny sehatry ny fanabeazana noho ny fanilikilihana.

Tapa-kevitra ny hitsabo saingy sarotra ny fitsabona noho ny hoenti-manana.

Publié dans Sociale

Na dia eo aza ny tsy fisian'ny rano amin'ny toerana maro eto am'iny Faritra dia tsy tarazo ho an'ny vahoaka ao Zambazamba Nasandratrony intsony ny haintany.

Tetik'asa iray fitantanana ny sahandriaka no natao tamin'ny toerana iray misy vohitra, vala sy lohasaha ao amin'ny Distrika Isandra. Antsoina hoe : “boîte de captage” no nampiasaina ho fanangonana ny rano amin'io toerana io.

Nisy ny fametrahana an'io fotodrafitr'asa io mba handrindràna ny fampiasana ny rano izay mizara roa amin'ny ankapobeny dia ny rano fisotro madio sy ny famatsiana ilaina amin'ny fambolena.

Koa miatrika ny tsy filatsahan'ny orana am-pitoniana ny mponina any an-toerana vokatry ny fihetsika vaovao naterak'izany tetikasa izany.

Any amin'ny toerany ambonin'ny fotodrafitr'asa napetraka no nanaovana ny fambolena ny hazoala sy fihinam-boa mba hitazonana ny tany tsy hihotsaka sy ny rako-javamaniry efa nisy hatramin'izay.

Publié dans Vaovao

Raiki-tahotra ny mponina manodidina nahita ity voay, mirefy 60sm, miakatra an-tanàna ity.

Zana-boay nompian’olona eto Ampasimazava ve izy ity no tafaporitsaka, hoy ny fanontaniana sa avy aiza ?

Hatreto aloha tsy mbola nisy nitonona ho tompony.

 

Publié dans Tselatra

Miaka-bidy ny entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro eto Antsalova, Faritra Melaky noho ny haratsian-dalana. Asara rahateo ny andro, be orana.

Toy izao manaraka izao ny vidin’entana eny an-tsena eto Antsalova amin’izao :

• Siramamy : 1 000Ar/kapoaka
• Sira : 300Ar/kapoaka
• Kafe : 2 400 Ar/kapoaka
• Tsaramaso : 1 200 Ar/kapoaka
• Tsiasisa : 700 Ar/kapoaka
• Hena Omby : 5 000 Ar/kg
• Henakisoa : 6 000 Ar/kg
• Akoho : 6 000-10 000 Ar ny iray
• Vorona : 12 000 Ar ny iray
• Menaka : 6 000Ar/litatra
• Solitany : 4 000 Ar/litatra
• Rano : 100 Ar ny seau
• Thb 65cl : 3 500 Ar
• Jus Star 150cl : 5 000Ar
• Trondro maina : 1 500 Ar ny toko (trondro telo)
• Akondro : 100 Ar ny singany iray
• Anana: 100 Ar fehiny misy raviny 4
• Saribao : 4 000Ar ny iray gonin-tsimenitra
• Ny asa saraka an-tsaha sandaina 3 000 Ar/andro

Publié dans Sociale

Toeram-panaovana menaka vita gasy iray ao amin’ny fokontany Avaratsena-Antsirabe no kilan’ny afo omaly alahady tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro.

Trano fitehirizam-bokatra ity may ity, manamarina izany ny faharetan’ny afo satria ireo akora fototra fanaovana menaka no niangona tao. Voatery noravana ny tafon’ilay trano vao nanomboka nijanona ny afo.

Mbola olana goavana eto amin’ny tananan’Antsirabe ny tsy fananany fiara mpamonjy voina na dia efa ela ihany no efa mpitondra maro no nisy fampanantenana sy filazana fa hisy io sampana io ny Fiadidiana ny tanàna miampy ny fitaovana sy ny fiara fa tsy mbola hita ihany izany hatramin’izao.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 23 janvier 2017 15:58

Faritra Melaky

Teknisianina iray no mpanao “dépannage” ny Jirama misahana Distrika miisa dimy.

Publié dans Tselatra
lundi, 23 janvier 2017 15:45

Jirama Mahajanga : Mankaiza ny vola ?

Nitondra fanazavana mikasika ny fitantanana ny volan’ny Jirama eto Mahajanga ny Talem-paritra Rabevahoaka Bruno.

Publié dans A la Une
lundi, 23 janvier 2017 14:45

Fianarantsoa : "Concours d'Eloquence"

Tontosa ny sabotsy teo ny dingana manasa-dalana ny fifaninanana mandahatra amin'ny teny frantsay eto Fiaranantsoa rehefa natomboka ny alarobia 11 janoary. Izany dia hetsika natao ifaninanan'ny mpianatra amin'ny lycée mba hizaran'izy ireo mifehy ny teny frantsay sy handresy lahatra amin'ny alalan'ny hevitra tohanana.

Ny sampana MAPEF na Madagascar Appui à l'Enseignement du et en Français eto an-toerana no mikarakara izany.

Publié dans Sociale
lundi, 23 janvier 2017 14:41

Amparafaravola : Ora-manify no nirotsaka

Nanao fandatsahan’orana tany Alaotra ny sampana mpamantatra ny toetr’andro ny faran’ny herinandro teo. Ora-manify toy ny erika no nifafy raha ny tany Amparafaravola. Tsy feno ny fepetra raha ny fanazavana ara-teknika nomen’ny teo anivon’ny mpamantatra ny toetr’andro.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2