Filtrer les éléments par date : mardi, 17 janvier 2017

Mila ho isan’andro ny fitarainana voarain’ny lehiben’ny Fokontany Tsaramandroso Ambony amin’ny vaky trano sy ny halabotry. Manampy trotraka koa ny delestazy.

Omaly alatsinainy izao dia tokatrano roa mifanakaiky no lasibatry ny mpamaky trano. Lasan’ny jiolahy ny vilany miisa enina miampy sakaosy roa lehibe feno lamba tao amin’ny tokatrano iray. Akoho amam-borona no nokasain’ireo jiolahy halaina tao amin’ilay trano faharoa saingy nalaky taitra ny tompontrano ka tsy tanteraka izany.

Publié dans Tselatra

Roapolo taona katroka anio talata 17 janoary no nijoroan’ny Polisy Monisipaly voalohany teto Madagasikara, dia ny an’ny Kaominina Antsirabe renivohitra izany. Nankalazaina tamin’ny fomba tsotra izany androany nanoloana ny Lapan’ny tananan’Antsirabe.

Nandalo sedra maro vao tonga tamin’izany faha-20 taona izany ity rafitra teo anivon’ny Kaominina ity satria efa nisy ny fotoana dia noravan’ny Ben’ny tanàna tamin’ny andron’ny Arema izy ity saingy naverina indray taty aoriana ary izao mbola mijoro izao, raha ny fanazavan’Atoa Randria Michel, isan’ireo tranainy sy filohan’ny Jobily fankalazana. Olana ny tsy fisian’ny fitaovana enti-miasa raha ny nambarany, eny fa na ny fanamiana aza dia olana noho ny olana ara-bola eo amin’ny Kaominina.

Publié dans Sociale

Les problèmes liés au « délestage », étaient au cœur du débat en Conseil du Gouvernement pendant près de 4 heures de temps ce jour au Palais de Mahazoarivo. Il a été souligné notamment qu’en 2016, le total des subventions versées à la JIRAMA s’élevait à 290 milliards d’Ariary. Au titre de l’année 2017, l’Etat a prévu à cette fin, une enveloppe de 250 milliards d’Ariary.

Selon les informations et demandes émanant de la JIRAMA, pas moins de 750 milliards d’Ariary seront nécessaires cette année. De même, 70 milliards d’Ariary devraient être débloqués dans l’immédiat pour limiter les problèmes de délestage actuels, liés au manque d’eau de pluie en cette période d’étiage.

Une solution d’urgence sera examinée le mercredi 18 janvier en Conseil des Ministres.

Publié dans Sociale

Cette unité de froid pour les produits halieutiques sera inaugurée le 27 Janvier 2017.

Publié dans Fil info

Izay no nentin’ny mponina ao Lopary, nanehoana ny hatezerany tamin’ny tsy namoahan’ny Zandary tao Vangaindrano hatao fitsaram-bahoaka olona telo lahy voarohirohy amin’ny famonoana tovovavy iray, 19 taona, mbola mpianatra.

Raikitra ny sakana eo Lopary, tanàna anelanelan’i Farafangana sy Vangaindrano, manaraka ny lalam-pirenena faha-12, 16km tsy hidirana an’i Vangaindrano. Tsy misy fiara afaka miditra sy mivoaka an’i Vangaindrano.

Savain’ny ao an-toerana ny fiara tonga, indrindra ny avy any Vangaindrano sao mitondra ireo telo lahy tadiavin’izy ireo.

Omaly dia niafara tamin’ny fanapoahana basy nanao tifi-danitra sy lakrimozena nanaparitahan’ny mpitandro ny filaminana ny olona nitangorongorona teny amin’ny manodidina ny biraon’ny Zandary niandry ny famoahan’ireto farany azy telo lahy hatao fitsaram-bahoaka.

Tsy nisy anefa izany, ka nisy ny tora-bato, ary koa fandrobana mangazay nony hariva ny andro. Nanampy trotraka ny hatezeran’ny olona rahateo ny delestazy teto Vangaindrano.

Tsy misy magazay misokatra aty an-toerana izao.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 17 janvier 2017 10:43

Sécheresse : Le monde à l’envers ?

Mais qu’a-t-on fait au bon Dieu pour mériter ça ? Si la capitale de Madagascar est connue par son humidité surtout pendant la période de l’automne, la sécheresse et le manque d’eau s’abattent sur la haute terre tandis que dans le sud, une région réputée par son climat tropical sec, s’est noyée dans une pluie diluvienne depuis maintenant trois semaines.

Une belle opportunité pour les agriculteurs mais un mauvais cauchemar, en revanche pour ceux qui sont obligés d’emprunter la route nationale numéro 10 reliant la région d’Androy ainsi que celle d’Atsimo Andrefana.

Publié dans Sociale

17 janoary 2009 – 17 janoary 2017 : 8 taona androany ny nitokanana ny “Kianjan’ny Demokrasia » eo Ambohijatovo. Mikasa ny hiditra ao hanamarika izany ny RMTF (Rodobe Malagasy Tia Tanindrazana ho amin'ny Fanorenana).

Publié dans Tselatra

Hanadio ny ao aminy ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena ka hanala ireo mpiasa “matotoa” tsy miasa nefa mandray karama.

Publié dans Tselatra

Avy nivarotra tao amin’ny Croisement Belo izy mivady ireo omaly, ka teny an-dalana hody no nosakanan’ny efa-dahy mitondra basy teo amin’ny lalan-dratsy teo Bekonazy amin’ny « Allée des Baobab » ny fiara nentin’izy ireo. Lasan’ireo mpanakan-dalana ny entana sy ny vola maty avy any an-tsena.

Niantso mpitandro ny filaminana ireo niharam-boina, nilaza ho tsy manana solika anefa ireo nilana vonjy ka dila ihany ireo mpangalatra.

Publié dans Tselatra

Nanomboka tamin’ny alakamisy 5 janoary, nitohy ny 9 sy 11 ary 15 janoary teo dia tsy ankiato ny fanafihan-dahalo tao amin’ny Kaominina Ivato Centre, Distrikan’Ambositra, Faritra Amoron’i Mania.
Fokontany Ambohipanalinana sy Amindrazaka no tena lasibatra. Ny Fokontany Ankotsaka moa dia efa tratra taloha kelin'ny krismasy iny.

Miraviravy tanana ny vahoaka fa very daholo ny omby, nefa ny Zandary tsy sahy mitifitra satria dia miaraka amin’ny basy mahery vaika kalaky ireo dahalo rehefa manafika, no misy feo ihany koa fa miantoka ny bala hitifirany ireo Zandary.

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2