Filtrer les éléments par date : vendredi, 13 janvier 2017

Saron’ny polisy tao Betanimena Ambatondrazaka, halina, nandritra ny fanaraha-maso nataon’izy ireo ny lehilahy telo niaraka tamin’ny basy Revolver Smith iray.

Nilaza izy ireo fa miandry omby handalo teo amin’ilay toerana nahatratrarana azy ireo.

Nanambara ny lefitry ny lehiben’ny Polisy eto Ambatondrazaka, Kaomisera Rakotondrazaka Camille fa tsy manana taratsy fahazoan-dalana hitana basy izy ireo.

 

Publié dans Tselatra

Le 27ème Sommet France-Afrique se tient le 13 au 14 janvier dans la Capitale Malienne, sous la thématique “Le partenariat, la paix et l’émergence”.

Madagascar participe pleinement à ce sommet.
Le Premier Ministre Mahafaly Solonandrasana Olivier, représente la Président de la République de Madagascar pour ce grand événement.

A la tête de la délégation malagasy, il a quitté Antananarivo dans la matinée du vendredi 13 janvier pour être accueilli à l’aéroport international Modibo Senou, à Bamako.

Madagascar et la France sont liées pour des raisons historiques, géographiques, culturelles et communautaires, et que la France figure parmi les principaux partenaires commerciaux et économiques de Madagascar.

 

Publié dans Fil info

Toy ny mahazatra dia nanamarika ny 12 janoary, andron’ny manamboninahitra eo anivon'ny Tafika Malagasy ny fikambanamben'izy ireo eto Fianarantsoa. Tsy nisy nodinganina ireo fihetsika rehetra fanao toy ny fanomezana ny "Oie traditionnelle", ny fiarahana mihazakazaka, ny lalao ara-panatanjahantena sy ny lanonana atrehan'izy ireo iarahana amin'ny andefomandrin'izy ireo avy.

Ny SEkoly MIaramilam-PIrenena (SEMIPI) no nitarika ny fikarakarana tamin'ity taona ity. Nandray fibaikona toy ny fanao ny lietnà zandriny indrindra. Ny lehibe komandin'ny Faritany miaramila faharoa sy ny komandin'ny SEMIPI kosa dia nitarika ny delegasiona nandeha nanotrona ny fety fanamarihana nasionaly tany Antsirabe.

 

Publié dans Vaovao

Ahmad a déclaré à la BBC que sa candidature a été acceptée par la Confédération Africaine de Football (CAF), et que l'organe directeur a maintenant confirmé.

L’élection aura lieu dans la capitale éthiopienne, Addis-Abeba, prévu en mars 2017. Celui qui gagne l'élection sera limité à un maximum de trois mandats après que le CAF ait modifié son statut l'an dernier.

La CAF célèbre cette année sa 60e année d'existence.

Publié dans Sport

Tsy hita i Randrianirina Ferdinand, efa maherin'ny 72 ora izao. Izy dia zazalahy 13 taona, zanaka mpanampy an-trano, monina ao Sahalava eto Fianarantsoa, manana zotom-po mihazakazaka isa-maraina amin'ny dimy ora, mpiservy lamesa ary salama saina tsara.

Ny marain'ny talata 10 janoary tamin'ny 5 ora sy folo nivoaka ny trano no nahitàna azy farany. Tsy mbola fantatra hoe : nankaiza izy hatramin'izao.

Efa tontosan'ny reniny izay mananontena ireo dingana fampahafantarana izany tranga izany amin'ny lafiny ara-mpiarahamonina sy ara-panjakana. Saingy tsy mbola nahitam-bokatra ny fikaroahana azy.

Tovolahy kely zarazara hoditra i Ferdinand, tso-bolo, manifinify vatana. Mamaly amin'ny fiantsoana azy hoe "Ferdinand" izy ary tsy dia be teny amin'ny ankapobeny. Ambony akanjo mena mitopy mavokely sy pataloha entina manao fanatanjahantena no nanaovany farany nivoaka ny trano.

Azo antsoina ny 034 40 123 88 na 032 05 219 00 raha toa ka mahita na mandre ny momba azy.

Publié dans Sociale

Androany maraina teo no nanambaran’ny lehiben’ny Polisy Sambava, jeneraly Tsara Nestor fa vita ny famotorana ary hita ny marina momba ilay zava-doza niseho tao Antohomaro tamin’ny 26 novambra 2016, nahafatesana zaza telo tamin’ny fomba mampiahiahy tao anatin’ny iray andro.

Ny zavatra nitovizan’ireo zaza maty ireo dia samy nangetaheta te hisotro rano izy ireo talohan’ny nahafatesany.

Nisy olona nahita ity rangahy meloka ity nanome mofo an’ireo ankizy ireo tamin’ny fotoana tsy nahateo ny ray aman-drenin'izy ireo.

Nandositra tany Antanambao Daoud ilay rangahy taorian’izay, ary nikasa handositra any ambanivohitr’Antalaha no izao voasambotra izao.

Publié dans Sociale

Zara raha mandeha adiny roa ny jiro eto Sambava nanomboka ny talata teo. Nampiantso mpanao gazety ireo mpanjifa androany, naneho ny hatezerany sy ny alahelony fa simba avokoa ireo sakafo tehirizina, ny akora izay tokony ahodina hitadiavam-bola. Manomboka nampiaka-peo ny mpanjifan’ny Jirama manoloana izany.

Ny Sekretera jeneralin’ny Faritra SAVA, Sabotsy Samuel moa omaly dia nilaza fa voatery nohamafisina ny fihambenana ny foibe misy ireo milina mpihary herinaratry ny Jirama indrindra taorian’ny nahamay ny biraon’ny Jirama Andapa, hisorohana ny fihetsika tsy voahevitra ateraky ny hatezeran’ny olona.

Publié dans Tselatra

Samy naheno na nahita ny vaovao daholo isika fa nisy horohorontany nahery vaika ny alakamisy 12 janoary 2017 maraina be tamin'ny 1ora mahery kely, indrindra fa ny manodidina an'Antsirabe, Analamanga, Tsiroanimandidy, Manakara, eny hatrany Tolagnaro mihitsy.

Inona no mahatonga ireny fihetsehan'ny tany ireny.

Maro ny milaza, fa tonga ny maintany, misy ny horohorotany, ary ho hisy tondra-drano sy rivomahery ary ny valala. Kapok'Andriamanitra.

Andao ho jeretsika ara-tsiatifika izany.

Ny tany dia efa noresahintsika fa boribory toy ny baolina ary miaina izy io, mahatratra 6000 km eo ny ivony, izany hoe misy karazana couche samihafa izany vao tonga any amin'ny noyau.
Ka ny couche voalohany dia ity tany hitsahantsika ity, kely fotsiny anefa izy io satria 10-80 km eo fotsiny ny hatevin'izy io. Ary 35 km eo raha any andranomasina. Mbola lavitra be izany ilay 6000 Km.

Raha tsorina dia io tany hitsahantsika io dia mitsingevana toy ny sambo lehibe eo ambony ranoka mahamay, misy efa mahatratra 4000°C, ary 6000°C raha tonga any amin'ny noyau ny hafanana.

Ranoka mangotraka izany ny any. Arakaraky ny hiakarana aty ambonin'ny tany dia mihamangatsiaka.

Publié dans Editorial
vendredi, 13 janvier 2017 11:23

Antalaha : Les sels alimentaires se raréfient

L’information parait peu croyable étant donné que la ville d’Antalaha est une ville côtière mais c’est une réalité, les sels alimentaires ne sont plus visibles au marché depuis quelques jours.

Un gobelet de sel se vend à 1000 Ariary jusqu’à hier. Fort heureusement que des ravitaillements sont déjà disponibles à Antalaha mais c’est encore à 700 ariary le gobelet.

Publié dans Fil info

Une somme de 800 000 Ariary et trois boites de lait concentré ont été volés par des bandits armés, ce jeudi 12 janvier 2016 dans un petit magasin se trouvant dans le District d’Ambalavao, non loin du bureau de la Gendarmerie.

L’enquête est déjà entre les mains de la Police nationale, mais notons qu’une personne a été blessée lors de l’attaque.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2