Filtrer les éléments par date : jeudi, 12 janvier 2017

Manararaotra ny haratsian-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-2 ao Manambonitra ireo andian-jiolahy mpanakan-dalana sy mpandrava entana sy mpandeha, izay efa naharaisan’ny Zandary tao Brickaville sy teto Toamasina ary ny tao Antananarivo fitarainana maro.

Omaly alarobia tokony ho tamin’ny 09 ora alina no saron’ny Zandary avy ao Brickaville ny roa tamin’ireo mpanao izany asa ratsy izany.

Mbola tratra teny amin’izy ireo ny basy poleta iray fampiasan’izy ireo andrahonana ireo mpandeha sy ny mpamily.

Atao famotorana ao Brickaville izy ireo amin’izao fotoana izao.

 

Publié dans Tselatra

Isan-taona dia mikarakara manokana ny Salon de l’étudiant ny MADA JEUNE 

Ho an’ity volana janoary ity anefa dia miantso ireo mpianatra izy ireo izay tsy tonga tamin’ny volana oktobra iny, izay tao anatin’ny fialantsasatra, ary nisy ihany koa ireo izay nanao ny fifaninana tany amin’ny oniversitem-panjakana, koa dia izay no nahatonga ny MADA JEUNE hikarakara ireo mpianatra.

Ho fanampin’izany dia misy hatrany toy ny isan-taona ny Guide na toro-lalana izay amidy 2000 Ariary.

Izany moa dia atao ao amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena Mahamasina androany sy rahampitso 13 Janoary 2017 izay misokatra ho an’ny rehetra, ary tsy misy ny vidim-pidirana.

Manodidina ny 3000 eo ho eo ny olona andrasana amin’izany, ary miisa 25 ny toeram-pampianarana mandray anjara amin’ity Salon ity.

 

Publié dans Tselatra

Maromaro ny fahavoazana teto Antsirabe vokatry ny horohorontany halina iny. Nitriatra ny rindrina, vaky ny fitaratra, toy ny hita eo amin’ny Lapan’ny Tanàna Antsirabe sy ny Lapan’ny Faritra Vakinankaratra ankoatra ireo trano fonenana marobe eran’Antsirabe nisy fahasimbana, sy ny orinasa afaka haba iray teny amin’ny Route d’Ambositra izay niato mihitsy tamin’ny asany aloha androany fa natahorana hirodana ny tranony.

Mbola ao anaty tebiteby tanteraka moa ny eto Antsirabe, izay tsy lavitra loatra ny foiben’iny horohorontany iny.

 

Publié dans A la Une

Teo ny maha Andron’ny manamboninahitra ny 12 janoary, fa teo ihany koa ny fanokafana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny ACMIL ity ary ny fametrahana ambany faneva ireo mpianatra 66 mianadahy ao amin’ny andiany faha-40 mivantana sy ny andiany faha-23 manokana.

Nisy ny fombafomba fanao isaky ny faha 12 janoary izay notarihin’ireo andiny faha 40 vao niditra ireo, narahina fitokanana tsangambato goavam-be eo am-pidirana ny vavahady.

Niatrika ny fotoana moa ny filoham-pirenena amin’ny maha lehibe faratampon’ny foloalindahy azy, ka nampahafatarina azy fa isan’ny ho tsangambaton’izany ihany koa ny fananganana tranom-bakoka ho an’ny Akademia Miaramila Antsirabe sy ny fanavaozana ny toeram-pijerena sarimihetsika izay havadika ho “Amphithéatre” ao amin’ny ACMIL.

 

Publié dans Vaovao

Nandefa iraka tany Andranomanelatra Antsirabe ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana, nanao fanadihadiana ny fiantraikan’ny fihodinan’ny orinasa Tiko izay tantanin’ny Triple A (AAA) ankehitriny, amin’ny resaka tontolo iainana.

Mitady hirika hanakatonana ny orinasa “Triple A” ny Fanjakana ka ny vokatr’io fanadihadiana amin’ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana io no hanamarinana ny firosoany amin’ny fanatanterahana izany.

Publié dans Tselatra

Araka ny vinavinan’ny Vovonam-pirenena Katolikan’ny Tanora (VPKT), dia ny 29 aogositra hatramin’ny 02 septambra 2018 no hanatanterahina ny Andro manerantany ho an’ny Tanora faha-9 na ny JMJ Mada (Journée mondiale de la Jeunesse). Ary ny renivohitry ny Faritra Boeny no voatondro handray azy.

Mikasika izay ary dia nandray ireo Komity mpanomana nasionaly Katolika izay notarihin’i Evekan’i Mahajanga, Mgr Rakotondrajao Victor Solo, ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar, tao amin’ny birao fiasany Bloc Administratif Ampisikina Mahajanga, ny alarobia 11 janoary 2018.

Fampahafantarana ireo mpikambana ao amin’ity Komity ity sy ny tantaran’ny JMJ, ary ny ho fanatanterahana ny JMJ faha-9 eto Mahajanga no antondian’izy ireo. Teo ihany koa ny fangatahana fiaraha-miasa nataon’ireto vahiny tamin’ny Lehiben’ny Faritra amin’ny maha-mpampiantrano sady tompon’andraikitra voalohany azy amin’ny resaka fampandrosoana ara-tsosialy eto amin’ny faritra.

Publié dans Sociale

Namela takaitra tao amin’ny CEG Annexe Ambohimiadana eny Ampany ny horohorontany nitranga halina. Nitriatra be ny rindrina, vokany dia mbola noravana ny mpianatra androany.

Publié dans Tselatra
jeudi, 12 janvier 2017 11:46

Mahajanga : Nisesisesy ny vono olona

Vao niandoha ny taona 2017 dia efa olona efatra sahady no maty nisy namono. Tranga iray ny tao Mangarivotra nahafaty ilay mpivarotra finday teny amin’ny Vy lava, ny faharoa dia teny Antanambao-Sotema nahafatesan’ilay rangahy mpilalao moraingy, ny fahatelo dia ity tao amin’ny Campus Ambondrona ity, rangahy tratra nangalatra gana ary ny farany dia tao amin’ny Fokontany Ambondrona izay nahafatesana tovolahy iray sakaizana vadina teratany vahiny.

Mikasika ity faty olona tao Ambondrona ity dia efa ela no nisaraka ilay tovolahy sy ilay ramatoa vadina teratany vahiny io saingy tavela tany amin’ilay ramatoa ny findainy. Tonga haka ny findainy ilay tovolahy nony taty aoriana kinanjo efa nomen’ilay ramatoa sakaizany ny mpiambina azy ilay finday.

Publié dans Sociale

Efa tsy mahataitra ny olona intsony ny fahatapahan-jiro raha eto Mahajanga. Mahazo ny anjarany avokoa ireo Fokontany miisa 26 eto an-toerana. Mila ho adiny sivy isan’andro ny fahatapahana. Vao maraina amin’ny dimy dia efa tapaka ny jiro ary tsy miverina izany raha tsy efa amin’ny sivy ora alina.

Sahirana ireo mpianatra rehefa hamerin-desona any an-trano, voatery ravaina mialoha ny mianatra hariva fa maizina ny ao an-dakilasy.

Nanao fanambarana ny tomponandraikitra ao amin’ny Jirama fa tsy hisy intsony ny delestazy manomboka anio alakamisy, ka samy miandry ny fahatanterahan’izany ny rehetra.

Publié dans Tselatra

Saron'ny resaka horohorontany avokoa ny vaovao hafa misy eto an-toerana noho izy nanaitra tsy nampoizina ary nampitaintaina ny ankabetsahan'ny olona teto Fianarantsoa. Tsy vitsy ny mpiaramonina no nivoaka ny trano nifampanontany sy nifampiarahaba tsy maty fo aman’aina taorian'iny tranga voajanahary iny.

Tsy mbola ahenoana fahasimbàna aloha teto an-tanàna hatreto fa poa-basy kosa no vao maika nampitebiteby ny rehetra teny amin'ny manodidina ny Fokontanin'i Talatamaty sy Bateravola, taoriana kelin’iny horohorontany iny.

Publié dans Sociale
Page 1 sur 3
B1 - Polyclinique
B2 - Toa