Filtrer les éléments par date : mercredi, 11 janvier 2017

Son Éminence le Cardinal PIETRO Parolin, Archevêque Titulaire d’Acquapendente, Secrétaire d’Etat du Vatican, sera en visite à Madagascar du 26 au 30 janvier 2017.

Cette visite entre dans le cadre de la célébration du jubilé des relations diplomatiques entre Madagascar et le Saint Siège. Au cours de cette visite, cette haute autorité de l’Eglise Catholique s’entretiendra avec les plus hautes autorités malagasy afin de raffermir les relations diplomatiques entre les deux pays et donner de nouvelles orientations pour l’avenir.

Publié dans Sociale

Ao anatin'ny fotoam-pahavaratra isika izao nefa dia manerana ny Nosy dia maina ny tany, tsy misy ny orana, maty ny fambolena rehetra, manampy trotraka ny barazy tsy ampy rano manodina ny famokarana herin'aratra.

Ao ny milaza fa sazin'Andriamanitra.

Ny marina dia tompon'andraikitra isika rehetra, manomboka amin'ny fanjakana izay tsy misy vina mazava ka hatramin'ny isika rehetra mamotika ny tontolontsika.

Ny rano dia mila fifehezana lavitr'ezaka, tsy vita indray andro, nefa ihany koa mamotika lavitra raha tsy hatao.

Ny ala eto amintsika dia ringana tanteraka, tsy mitombina intsony izany hoe tsy mahalany ny alan'antsinanana izany. Efa lany sy ripaka ny ala.

Ny antony dia tsotra. 90 % n'ny Malagasy dia mampiasa kitay sy saribao avokoa handrahoan-tsakafo.
Ny mpanao trano sy fanaka etsy andaniny.
Nefa tsy misy na iray aza politika ialana amin'izany na anoloana izany hazo tapahina izany.

Publié dans Editorial

Manao tohivakana indray ny fahatongavan’ny olona avy amin’ny lafivalon’ny Nosy mankany amin’ny toeram-pitrandrahana vatosoa any Didy-Ambatondrazka. Nanala ny ampahan’ny fahasahiranan’ny sasany rahateo ny fisian’io fitrandrahana vatosoa any Didy io, ka mety izay no mahatonga izao firohotana izao.

Mitombo isa isan’andro ireo Malagasy avy any amin’ny faritra samihafa mila ravinahitra eto Ambatondrazaka noho io resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany io. Vokatr’izay anefa dia midangana ny vidim-piainana eto an-toerana ka mampitaraina ny mponina.

Publié dans Tselatra

Nozaraina andiany efatra ny fanajariana ireo foto-drafitrasan’ny fampianarana ireo ka natomboka ny 10 desambra 2016 ny an’ny Cisco Mahajanga I sy II, Mitsinjo ary Soalala.

Haharitra enim-bolana ny asa.

Famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ilay tetikasa Passoba Education no nafahana nanamboatra ireo foto-drafitrasa ireo ho an’ny DREN Boeny.

Ho an’ny faripiadidi-pampianarana Marovoay sy Ambato-Boeny kosa dia miandry ny fahavitan’ny fifanarahan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Vondrona Eoropeanina ho an’izay orinasa nahazo ny tolotra.

Nafindra vonjimaika eny amin’ny EPP Mahabibo ny biraon’ny Cisco Mahajanga I mandritra ny asa fanamboarana atao hoy ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Samuel Christophe.

 

Publié dans Vaovao
mercredi, 11 janvier 2017 10:42

Délestage: Généralisation dans tout le pays

La coupure de l’électricité est généralisée dans tout le pays, la Capitale est frappée de plus de 6 à 8h par jour dans certains quartiers.

Dans les autres régions, parfois pendant 72h sans électricité, sans parler de la coupure d'eau.
Les factures ne cessent d'augmenter, par contre la Jirama procède à la coupure dès que le payement ne se fait pas dans le délais.

 

Publié dans Fil info
mercredi, 11 janvier 2017 10:40

Barazy Sahamaloto sy Bevava: Ritra tanteraka

Ritra daholo ny barazy lehibe aty Alaotra, anisan'izany ny an'ny Sahamaloto izay manondraka tanimbary midadasika tokoa.

Ny an'ny Bevava ihany koa dia ambany tokoa ny rano.

Ahiana tanteraka ny tsy hisian'ny vary amin'ity taona ity ka hampiakatra ny vidim-bary.

Hatreto tsy misy fepetra raisin'ny mpitondra fanjakana fa dia mijery fotsiny. Misy aza no miteny hoe inona no ataonay eo rehefa tsy milatsaka ny orana. Ao koa ny mandatsa hoe vokatry ny doro Zetra ataonareo ihany io.

 

Publié dans Tselatra
B1 - Polyclinique
B2 - Toa