Kitra-Mondial 2018: Mody avy hatrany izay resy manomboka eto

  • samedi, 30 juin 2018 10:18

Hanomboka anio ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra, lalao izay tanterahina any Rosia ny 14 jona ka hatramin’ny 15 jolay 2018.

Raha ny fandaharan-dalao anio dia hifandona amin’ny lalao voalohany amin’ny 5ora hariva, ora eto Madagasikara i France sy Argentine. Amin’ny 9ora alina kosa ny lalao hifanandrinan’i Uruguay sy Portugal.

Tsy maintsy misy mpandresy vao vita ny lalao, manohy mankany amin’ny ampahefadalana izay tafavoaka ary mangoron’entana avy hatrany kosa izay ekipa resy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.