Kitra-Mondial 2018: Aliou Cissé no mpanazatra zandriolona indrindra

  • mardi, 19 juin 2018 23:42
  • Sary Net : Aliou Cissé

41 taona, ilay mpanazatran’ny ekipam-pirenena Senegaley, Aliou Cissé no zandriolona indrindra amin’izy 32 lahy mpanazatran’ireo ekipa mifaninana amin’ity fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra, andiany faha-21 tanterahina any Rosia ity.

I Óscar Tabárez izay mpanazatran’i Uruguay kosa no zokiolona indrindra amin’ity andiany ity, 70 taona ny lehilahy.

Fa teo amin’ny tantaran’ny Mondial amin’ny baolina kitra hatramin’izay andiany 21 izay, dia i Juan José Tramutola mpanazatran’i Arzantina tamin’ny Mondial 1930 no tanora indrindra, satria dia 27 taona izy tamin’io fotoana io.

Ilay teratany alemana Otto Rehhagel, izay nitondra ny ekipan’i Grèce tamin’ny Mondial 2010 kosa no mpanazatra be taona indrindra hatreto. 71 taona ny lehilahy tamin’io.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.