Kitra-Mondial 2018: Azon’i Rosia nialohan’ny fotoana ny tapakila ho an’ny ampahavalon-dalana

  • mardi, 19 juin 2018 23:34
  • Sary Net

Fandresena indroa nisesy, 5 noho 0 nanoloana an’i Arabia Saodita sy 3 noho 1 nanoloana an’i Ejipta, no vokatra azon’i Rosia tamin’ny lalao roa natrehiny. Ampy hiakarany amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra io.

Fiadian-toerana laharana voalohany ao amin’ny vondrona A misy azy sisa ny lalao fahatelo hatrehiny izay hifandonany amin’i Uruguay.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.