Kitra-Mondial 2018: Rava ny nofinofin’i Mohamed Salah

  • mardi, 19 juin 2018 23:22
  • Sary Net

Lalao roa, faharesena roa. Izay no vokatra azon’i Ejipta ao amin’ny vondrona A misy azy amin’izao Mondial izao. Resin’i Rosia mpampiantrano tamin’ny isa 3 noho 1 izy ireo androany.

Tsy hanova na inona na inona ny lalao fahatelo hifanandrinan’i Ejipta amin’i Arabia Saodita. I Ejipta izany no ekipa voalohany hangoron’entana amin’ity Mondial ity. Rava teo ny nofinofin’i Mohamed Salah, mpilalao nandrandrain’ny Ejipsiana tokoa. Namono “penalty” izy androany tamin’ny fihaonany tamin’i Rosia, izay baolina tokana azon’i Ejipta.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.