Kitra-Mondial 2018: 19 taona ny mpilalao zandriolona, 45 taona ny zokiolona indrindra

  • dimanche, 17 juin 2018 19:26
  • Sary Net

Amin’ireo mpilalao miisa 736, mitsinjara amin’ny klioba miisa 32, mandray anjara amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra, izay tanterahina any Rosia ny 14 jona ka hatramin’ny 15 jolay 2018 dia ilay mpilalao aostraliana Daniel Arzani (4 janoary 1999) no zandriolona indrindra. 19 taona sy 6 volana ny tovolahy.

Ilay mpiandry tsatoby ejipsiana, Essam El Hadary, kosa no be taona indrindra. 45 taona ny lehilahy ary izy hatreto no heverina ho zokiolona indrindra tamin’ireo mpilalao niatrika ireo andiana Mondial hatramin'izay.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.