Ambatondrazaka : Rangahy 50 taona voasambotra nanolana zazavavy 06 taona

  • vendredi, 08 janvier 2021 11:37
  • Sary ZP

Zazavavikely vao 06 taona monja no fantatra fa tratry ny fanolanana nataona rangahy iray 50 taona, “maçon”, tao Antanifotsy Ambatondrazaka, Alaotra-Mangoro ny 05 janoary 2021.

Sendra tsy teo ny renin'ilay zaza no nanararaotra nanao ny filan-dratsiny ilay “maçon”, izay manao trano mifanila aminy.

Rahefa tonga ilay Renim-pianakaviana dia nahatsikaritra rà mikoriana amin'ilay zaza ka nitoroka tamin'ny Zandarimaria avy hatrany.

Araka ny famotorana fohy dia notondroin'ity zaza voaolana ity tsy ampihambahambàna ilay rangahy izay nanolana azy.

Mitohy ny famotorana saingy mbola raiki-tahotra ilay zaza izay nampitahorin'ilay rangahy fa ho vonoiny raha mitoroka sy mitantara ny fisehoan-javatra.

Efa manaraka fitsaboana sahaza azy ao amin'ny CSB2 Ambohimasina ilay zazavavy kely voaolana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.