Arabia Saodita : Nanohana an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy tamin’ny valanaretina Covid-19

  • jeudi, 19 novembre 2020 19:57
  • Sary nomena

Noraisin’ny Praiminisistra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, teny amin’ny lapam-panjakanan’i Mahazoarivo androany ny delegasiona avy any Arabia Saodita, izay notarihin’ny minisitra Saodiana eo anivon’ny raharaham-bahiny miandraikitra an’i Afrika, Ahmad Bin Abdulaziz Kattan.

Ho fanamafisana ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy ny fanjakan’i Arabia Saodita dia haorina tsy ho ela eto amintsika ny foiben-toerana masoivohon’ity firenena ity.

Nanamarika ny minisitra Saodiana fa efa ela no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Malagasy sy ny Saodiana, fiaraha-miasa izay nisahana sehatra maro toy ny fifanakalozana ara-barotra, ny tetikasa samihafa mahakasika ny angovo sy ny fotodrafitrasa ary ny fanamboaran-dalana, izay vatsian’ny banky Saodiana momba ny fampandrosoana, ny fanampiana mitentina 370 tapitrisa dolara teo amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny famatsiana 500 000 dolara ho an’ny ady tamin’ny valanaretina Covid-19.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.