Toamasina : Hohajariana ny Boulevard Ratsimilaho ary hakarina ny haavony

  • mardi, 17 novembre 2020 22:23
  • Sary nindramina

Hohajariana ny Boulevard Ratsimilaho ary ampiakarina hatramin'ny 6 metatra ny haavony mba tsy ho ravan'ny loza voajanahary tahaka ny teo aloha.

Ankoatra izay dia natolotra amin'ny fomba ofisialy androany ihany koa ny fanajariana ny lalana miainga avy eo Morafeno mivoaka eo amin'ny Hopitaly Be, izay hanala ny fitohanana ao an-tampon-tanànan'i Toamasina.

Narafitra natao "béton" ity lalana ity mba hateza sy haharitra aman-taona maro ary malalaka ahafahan'ny fiara hivezivezy. Nasiana lalana natokana andehanan'ny mpandeha an-tongotra.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.