Bakalôrea 2020 : Sahirana tamin’ny fakana kopia fahaterahana ireo mpiadina latsaky ny 18 taona

  • dimanche, 18 octobre 2020 18:06

Tonga adiny roa mialoha eny amin’ny toeram-panadinana, karatra maha mpianatra, miampy kopia fahaterahana ho an’ireo mpiadina latsaky ny 18 taona. Anisany fepetra vaovao noraisin’ny fanjakana amin’ny fiatrehana ny fanadinana bakalôrea amin’ity 2020 ity ireo.

Niteraka resabe ny fepetra, indrindra ho an’ireo ray aman-dreny manan-janaka hiatrika io fanadinam-panjakana io, nefa lavitra ny foibem-panadinana no monina. Fa sahirana ihany koa ireo ray aman-dreny sy ireo mpiadina latsaky ny 18 taona tamin’ny fakana kopia fahaterahana izay takiana amin’ny fiatrehana ity bakalôrea ity.

Maro ny mpiadina teraka tany amin’ny Distrika ivelan’ny foibem-banadinany, fohy anefa ny fotoana nahafantarana fa taratasy takiana io kopia io sy ikarakarana azy, ka niteraka tebiteby sy tsy fitonian-tsaina ho an’ny ankamaroany amin’izao ankatoky ny fiatrehana ny fanadinana izao.

Filaharam-be raha ny hita teny amin’ireo Boriborintany teto an-drenivohitra tamin’ny fakana io kopia fahaterahana io. Ankoatra ireo mpiadina bakalôrea mantsy dia isany mila an’io taratasin’ny soram-piankohonana io ihany koa ireo ray aman-dreny hampiditra ny zanany hianatra amin’izao taom-pianarana vaovao 2020-2021 izao.

Hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 23 oktobra 2020 ny fanadinana bakalôrea 2020. Hitohy ny herinandro aorian’io ho an’ny mpiadina sokajy teknika sy teknôlôjika.

Miisa 164 341 ireo mpiadina voasoratra anarana hiatrika ny bakalôrea 2020, ho an’ny sokajy ankapobeny sy teknika mitambatra, raha toa ka 174 750 izany tamin’ny taon-dasa.

Ny Faritany Antananarivo no be mpiadina indrindra voasoratra anarana. Manodidina ny 71 000 izy ireo, mitsinjara ho 65 100 ho an’ny ny sokajy ankapobeny, ary 5 900 nisafidy ny sokajy teknika sy tekôlôjika. Ny Faritany Antsiranana kosa no vitsy mpiadina indrindra : 13 378.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.