Farafangana : Zandary « déserteur » voasambotra

  • jeudi, 15 octobre 2020 16:21
  • Sary: ZP

Voasambotra ny 13 oktobra 2020, tao Ambalafary Farafangana rehefa notadiavina, ny Zandary iray mbola amperinasa, izay nitsoaka andaharana nanomboka ny 29 septambra 2020.

Nahazo loharanom-baovao ny Zandary fa misy tovolahy iray mandrava ny fananan'ny Ray aman-dreny niteraka azy ao Ambalafary.

Nidina tany an-toerana avy hatrany ny "Equipe d'intervention rapide" avy ao amin'ny Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria ao Farafangana.

Tra-tehaka teo ampanaovana ny asa ratsiny ilay tovolahy ary nosamborina avy hatrany.

Fantatra ary fa Zandary nitsoaka andaharana (déserteur), vao telo herinandro izay, ity olona voasambotra ity.
Hentitra ny baiko fa tsy mitahiry jiolahy ny Zandarimaria. Ho afainganina, hoy ny eo anivon’ny fibaikoana ny Zandarimaria ny fandroahana ity zandary “déserteur”ity, izy rahateo voalaza fa efa tsy mazoto ny hanompo Tanindrazana eto anivon'ny Zandarimariam-pirenena.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.