Antsiranana: Nomen’ny Kaominina fankasitrahana ireo mpianatra mendrika tamin’ny CEPE

  • mardi, 15 septembre 2020 19:31
  • Sary nindramina

Notoloran’ny Kaominina, tamin’ny alalan’ny Ben'ny tananan’ny Kaominina ambonivohitra Antsiranana Djavojozara Jean Luc, fanomezana ireo mpianatra mendrika, nahazo naoty ambony tamin’ny fanadinana CEPE natao ny 1 septambra 2020 teo.

Telo mianadahy izy ireo dia i Iantso nahazo salanisa 19,5/20 tamin’ny fanadinana CEPE farany teo, Chrishna 19,3/20 ary Anna 19,3/20.

Ho entina hialasasatra any Nosy-Be izy ireo amin'ity faran’ny volana ity.
Nahazo vary 8kg avy ihany koa ny ray aman-dren'izy ireo, miampy « bon d’achat » 200 000 Ariary hividianana kojakojam-pianarana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.