Ankazobe - Analamanga: 85% ny taham-pahombiazan’ny fambolen-kazo

  • lundi, 14 septembre 2020 19:16
  • Sary nindramina

Velaran-tany 500ha no novolena hazo tao amin’ny toeram-pambolen-kazo ao amin’ny tobin’alan’i Manankazo ao Ankazobe tamin’ny 19 janoary 2020. Acacia sy eucalyptus ny ankamaroany.

Ny Madagasco no mitantana ity toerana mirefy 8,750 hekitara ity nanomboka ny taona 2000, ary maharitra 50 taona izany.

Nitsidika izany ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy niaraka tamin’ny ekipan’ny Minisitera sy ny Lehiben'ny Distrikan'Ankazobe, ny Ben'ny tanàn'Ankazobe Ambonivohitra, ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Ankazobe, ny solontenan'ny Governoran’ny Faritra Analamanga ary ireo Fokontany sy Fokonolona miasa amin'ny fikolokoloana ny fambolenkazo.

Tombanana ho 85% ny taham-pahombiazan’ny fambolenkazo eto.
Ezaka tsy maintsy atao kosa ny fanangonana ireo pilasitika miparitaka mba tsy handoto ny tontolo iainana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.