Marovantaza - Analalava: Mpividy omby naratra notafihin’ny jiolahy

  • samedi, 12 septembre 2020 20:05

Nisy rangahy iray mpividy omby voatafik'ireo tsy matahotody tao amin’ny Kaominina Marovantaza, Distrika Analalava.

Noho ny fiarahamientan'ny vahoaka anefa, avotra ilay rangahy saingy naratra. Nentina haingana tao amin’ny hopitalibe Antsohihy izy. Nahazo fitsaboana sahaza, ary tsy misy atahorana ny ainy.

Efa eo ampelatanan'ny mpitandro filaminana ny raharaha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.