Ambohitompoina-Antanifotsy: Telo lahy tra-tehaka nanaparitaka vola sandoka

  • samedi, 27 juin 2020 19:43
  • Sary: ZP

Teo ampividianana sigara no tra-tehaka izy ireto. Vola 20 000 Ariary sandoka no natolotr’izy ireo ny harivan’ny 25 jona 2020. Efa mailo ny mpivarotra ka teo no niainga ny fahatrarana azy ireto. Mbola nahitana 20 000 Ariary sandoka miisa fito tany amin’izy ireo rehefa nosavaina. Nogiazana ihany koa ny « moto cross » fitondran’izy ireo mivezivezy manao ity asa ratsy ity.

Nentina ao Antanifosy izy ireo atao fanadihadiana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.