SpaceX: Tonga soamatsara nifandray amin'ny Station spatiale internationale

  • lundi, 01 juin 2020 18:57
  • Sary nindramina

Sivy taona lasa izay ny Amerikanina no niankina tamin'ny Rosianina tamin'ny fandefasana Astronaute hiazo ny Station spatiale internationale ISS, izay misy ireo mpikaroka iraisam-pirenena eny amin'ny habakabaka 400km miala ny tany.

Omaly alahady 31 mey no nifandray, ka afaka niditra tao amin'ny Station ISS ny sambondanitra SpaceX nitondra ireto Amerikanina roa lahy, raha nisidina nandritra ny 19ora, niainga avy tao Cap Canaveral Floride Etats-Unis. Nitsena azy mirahalahy ny astronaute Amerikanina iray sy Rosianina roa lahy efa tao amin'ny station ISS. Aharitra hatramin'ny volana aogositra any izao diany izao alohan'ny hiverina ety ambonin'ny tany indray.

SpaceX - Falcon 9 dia sambondanitra tsy miankina amin'ny fanjakana fa miara-miasa amin'ny NASA, an'ilay miliardera Elon Musk, 49 taona, teraka tany Prétoria, injeniera, naka ny zom-pirenena kanadianina, avy eo amerikanina.

Elon Musk no Filohan'ny filankevim-pitantanan'ny SolarCity, ilay orinasa nanamboatra fiaramanidina mandeha amin'ny herin'ny masoandro, ary nahavita niodidina ny tany tsy ankijanona, Solar Impulse 2, nandritra ny 23 andro namita ny halavirana 43 041km.

Izy ihany koa no tompon'ny Paypal, ilay fandoavam-bola sy fifanakalozana ara-bola avy lavitra na payement en ligne.

Ny SpaceX dia hanokatra ny sidina hitondra mpitsangatsangana eny ambony tsy taka-maso eny anabakabaka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.