Ambodifotatra- Sainte Marie: Adin’ny mpivady niafara tamin’ny haintrano

  • jeudi, 21 mai 2020 13:59
  • Sary nindramina

Tokantrano tsy ilaozan’olana, fa teto lasa lavitra ny raharaha, may hatramin’ny trano sy fananana.

Mpivady manan-janaka efatra, manao asa velontena fitaterana mitondra « tuc-tuc » na Bajaj ralehilahy. Efa tsy mahataitra ny manodidina ao Ambodifotatra ny adiadin’izy mivady, nisy fotoana efa may hatramin’ny « tuc-tuc », fa ny harivan’ny talata teo dia may hatramin’ny trano fonenan’izy ireo sy ny entana tao anatiny.

Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ilay ramatoa natao fanadihadiana.

 (Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.