Orinasa OFAFA: Haverina hiodina amin’ny maha orinasa mpamokatra fanafody azy

  • jeudi, 21 mai 2020 13:40

Naverina amin’ny Fanjakana ny tany sy ny toeram-piasan’ny OFAFA etsy amin’ny Zone Industrielle Forello Tanjombato, izay hiverina hisokatra indray rehefa nampanofaina tamin’ny orinasa NIPHAR ny taona 2007, ary ity farany indray nampanofa azy tamin’ny orinasa afakaba mpamokatra akanjo « Madagascar King Deer Cashemere Co Ltd » ny taona 2017.

Rehefa natao ny fidinana ifotony sy fifampiresahana dia tapaka fa haverin’izy ireo amin’ny Fanjakana ny toerana rehetra fa hisy kosa ny 700m² avela hiasan’ilay orinasa ho tambin’ny fampiasam-bola nataon’izy ireo sy ho fitanana ny asa ho an’ireo mpiasa ao amin’io orinasa afakaba io.

Vitaina mialohan’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena, ny fanokafana sy fampiodinana indray ity orinasa Malagasy mpamokatra fanafody ity, ho isan’ireo orinasa lehibe afaka mamokatra fanafody eto amintsika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.