Faritra Analamanga sy Tsiroanomandidy: Misy ny vinavina hanorenana tobim-pamokarana herinaratra 5MW

  • mardi, 24 septembre 2019 22:42
  • Sary nindramina

Ny orinasa Afrikanina Tatsimo « Little rock » no hanao ny fanadihadihana handinihana ny fametrahana tobimpamokarana herinaratra manana tanjaka 5 MW aty amin’ny Faritra Analamanga sy Tsiroanomandidy. Haharitra enim-bolana ny fanadihadihana.

Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Ministeran’ny Angovo, ny Rano ary ny Akoranafo tamin’ny alalan’ny minisitra Vonjy Andriamanga sy ny Orinasa Afrikanina Tatsimo « Little rock » solon-dRobert Remesha Bengerezako tena ho mariky ny fanombohan’ny asa.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.