Bakalôrea 2019: Miisa 174 751 ny mpiadina, 88 taona ny zokiny indrindra

  • mardi, 24 septembre 2019 22:27

Hotanterahina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny 30 septambra ka hatramin'ny 04 oktobra 2019 ny fanadinam-panjakana bakalôrea ankapobeny sy bakalôrea teknika fihodinana voalohany. Hitohy ny 07 oktobra ka hatramin'ny 10 oktobra 2019 kosa ny fihodinana faharoa ho an’ny bakalôrea teknika. Efa tomombana avokoa ny fikarakarana rehetra, hoy ny eo anivon’ny Fampianarana ambony, ny Fikarohana ara-tsiansa sy ny Fanavaozana.

Miisa 174 751 ireo mpiadina manerana ny Nosy, izay hitsinjara amin'ireo ivon-toeram-panadinana miisa 299. Miisa 13 200 ireo mpiadina misafidy ny sokajy A1,miisa 111 957 ny A2. Mpiadina miisa 4 290 ho an’ny sokajy C ary 35 606 misafidy ny sokajy D.

Miisa 9 698 ireo mpiadina hiatrika ny bakalôrea teknika.

11 taona no zandriny indrindra amin'ireo mpiadina, ary 88 taona kosa no mpiadina zokiny indrindra.

Nihena ny isan'ireo mpiadina raha ampitahaina amin'ny antontan'isa tamin'ny taon-dasa noho ny tsy fahafahan'ireo ao amin'ny kilasy 1ère miadina intsony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.